NY TILIKAMBO FIAMBENANA Jolay 2015 | Manahy Be Loatra ve Ianao?
Mafy ny fiainana ho an’ny olona an-tapitrisany, ary misy koa mipetraka any amin’ny tany misy loza. Tsy tena miady saina be anefa ny sasany amin’izy ireny. Fa inona no ataony?
MATOAN-DAHATSORATRA
Betsaka ny Zavatra Mampanahy ny Olona
Hita tamin’ny fanadihadiana fa atahorana ho faty aloha be ny olona na dia kely fotsiny aza ny zavatra mampiady saina azy. Inona no azo atao amin’izany?
MATOAN-DAHATSORATRA
Manahy Momba ny Vola
Afaka nanome an’izay nilain’ny fianakaviany ny lehilahy iray, na dia niakatra be mihitsy aza ny vidim-piainana.
MATOAN-DAHATSORATRA
Manahy Momba ny Fianakaviana
Hitantsika avy amin’ny tantaran’ny vehivavy iray ny atao hoe tena finoana. Nanitsakitsaka azy ny vadiny ary nisaraka taminy, nefa tsy kivy izy.
MATOAN-DAHATSORATRA
Manahy Momba ny Loza
Inona no azonao atao raha mipetraka any amin’ny tany miady ianao, na feno heloka bevava, na simba ny tontolo iainana, na miova be ny toetrandro, na misy areti-mifindra?
MANOVA OLONA NY BAIBOLY
Vao Mainka Aho Nihanahery Setra
Nahery setra be i Stephen McDowell. Tapa-kevitra ny hiova anefa izy rehefa nisy vonoan’olona saika nahavoaroiroy azy.
Afaka Mampifaly An’Andriamanitra ve Isika?
Hitantsika amin’ny tantaran’i Joba sy Lota ary Davida ny valiny. Nanao fahadisoana goavana izy ireo.
Fantatrao Ve?
Ahoana no nampiasana ny vato fikosoham-bary, fahiny? Inona no dikan’ilay fomba fiteny hoe “eo an-tratra”?
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Tsy hisy intsony ve ny faharatsiana any aoriana any?
Zavatra Hafa ato Amin'ny Internet
Hanampy Ahy ve Andriamanitra Raha Mivavaka Aminy Aho?
Fantatr’Andriamanitra ve ny olana mahazo anao?

