Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Manamarina ny Baiboly ve ny arkeolojia?

Sargona II, mpanjaka asyrianina, resahin’ny Isaia 20:1

Milaza ny lahatsoratra iray tao amin’ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy) fa azo porofoina amin’ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany hoe olona “tsy latsaka ny 50” resahin’ny Soratra Hebreo no tena nisy. Anisan’izany ireo mpanjakan’ny Joda sy Israely miisa 14, ohatra hoe i Davida sy Hezekia, izay tena nalaza tokoa, ary i Menahema sy Peka izay tsy dia tena fantatr’olona. Teo koa ny mpanjaka 5 tany Ejipta sy ny mpanjaka 19 tany Asyria, Babylonia, Moaba, Persa, ary Syria. Tsy ny mpanjaka resahin’ny Baiboly ihany no hitan’ny mpikaroka fa ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalàna ary ny olona ambony hafa koa.

Nilaza koa ilay lahatsoratra fa “be dia be ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana” manamarina hoe ireo olona ireo mihitsy no hitan’ny mpikaroka. Mazava ho azy fa miresaka olona manan-tantara koa ny Soratra Grika Kristianina, ary voaporofon’ireo mpikaroka ny any ambanin’ny tany hoe tena nisy izy ireny, anisan’izany i Heroda, Pontio Pilato, Tiberio, Kaiafa, ary Sergio Paolo.

Oviana no tsy nisy liona intsony tany amin’ireo tany voaresaka ao amin’ny Baiboly

Biriky, tany babylona fahiny

Na dia tsy misy liona intsony aza any Palestina izao, dia hita hoe efa nahazatra an’ireo mpanoratra Baiboly ny nahita an’io biby io. Andinin-teny 150 be izao mantsy ao amin’ny Baiboly no miresaka momba ny liona. Manana heviny an’ohatra ny ankamaroan’izy ireny, nefa tena izy ny sasany. Namono liona, ohatra, i Samsona sy Davida ary Benaia. (Mpitsara 14:5, 6; 1 Samoela 17:34, 35; 2 Samoela 23:20) Nisy koa olona nohanin’ny liona.—1 Mpanjaka 13:24; 2 Mpanjaka 17:25.

Fahiny dia nahitana liona avy any Azia (Panthera leo persica) tany Azia Minora sy Gresy ka hatrany Palestina, Syria, Mezopotamia, ary tany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Inde. Natahorana sy nohajaina izy ireny, ka natao sary tamin’ny zava-kanto tany amin’ny firenena tatsinanana fahiny. Sarina liona, ohatra, no nandravaka ny Lalan’ny Mpilahatra tany Babylona.

Voalaza fa nihaza liona ny mpanao ady masina tany Palestina, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-12. Toa tsy nisy liona intsony tany, taoriana kelin’ny taona 1300. Mbola nahitana an’io biby io kosa tany Mezopotamia sy Syria hatramin’ny taona 1900, ary tany Irak sy Iran taoriana kelin’izay.