Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Aza Manambony Tena!

Aza Manambony Tena!

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Davida, Absaloma, Joaba

Famintinana: Te haka an-keriny ny fanjakan’ny dadany i Absaloma.

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY 2 SAMOELA 14:25-33; 15:1-17; 18:9-17, 30-33.

Mety ho hoatran’ny ahoana ny paozin’i Absaloma, araka ny hevitrao? (Vakio indray ny 2 Samoela 14:25, 26.)

Niezaka nambabo ny fon’ireo olona saika ho any amin’ny mpanjaka i Absaloma. Mety ho nanao ahoana ny fihetsiny sy ny feony tamin’izany? (Vakio indray ny 2 Samoela 15:2-6.)

Inona ny toetran’i Absaloma hitanao rehefa mamaky ny 2 Samoela 14:28-30 ianao?

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Inona no nataon’i Absaloma mba hakana an-keriny ny fanjakan’ny dadany? (Vakio ny 2 Samoela 13:28, 29. I Amnona no zanaka lahimatoan’i Davida ka izy no tokony ho mpanjaka handimby azy.)

Marina fa nanambony tena sy naniry laza i Absaloma. Raha jerena anefa ny fomba nandevenana azy, dia ahoana no tena fiheveran’ny olona azy? (Vakio indray ny 2 Samoela 18:17.)

Inona no mety ho nahatonga an’i Absaloma hanambony tena, araka ny hevitrao? (Ampitahao amin’izay voalazan’ny 3 Jaona 9, 10 momba an’i Diotrefa.)

Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Davida rehefa naka an-keriny ny fanjakany i Absaloma? (Vakio ny Salamo 3, izay nosoratan’i Davida rehefa namadika azy i Absaloma.)

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA AN’IRETO:

Inona ny vokany raha manambony tena isika?

Nahoana ny zavatra ataontsika no mety hampalahelo ny hafa, anisan’izany ny ray aman-drenintsika?

FAMPIHARANA HAFA.

Inona no mety hahatonga anao hanambony tena?

Inona no mety hanampy anao tsy hirehareha tafahoatra?

INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

Soso-kevitra: Eritrereto hoe inona no mety ho nitranga raha tsy nanambony tena i Absaloma, fa nanetry tena.—Ohabolana 18:12.