Hijery ny anatiny

Ampianaro ny Zanakao

Zazavavikely Te Hanampy Olona

Zazavavikely Te Hanampy Olona

MAHAFANTATRA olona marary be ve ianao?... Te hanampy azy ve ianao?... Ahoana raha vahiny izy, na tsy mitovy fivavahana aminao? Mbola te hanampy azy ihany ve ianao?... Izany no nataon’ny zazavavikely israelita iray, efa ho 3 000 taona lasa izay. Andeha hojerentsika ny tantarany.

Matetika no niady ny Israelita sy ny Syrianina izay nipetraka teny akaikiny. (1 Mpanjaka 22:1) Notafihin’ny Syrianina ny Israelita indray andro, ary nentiny tany Syria ilay zazavavikely. Lasa mpanompon’ny vadin’i Namàna, lehiben’ny tafika syrianina, izy. Boka i Namàna. Tena ratsy io aretina io, satria mihalany ny nofon’ilay olona.

Niteny tamin’ny vadin’i Namàna ilay zazavavikely, fa azo sitranina ilay aretina. Hoy izy: ‘Raha mankany Samaria i Namàna, dia hanasitrana ny habokany i Elisa mpaminanin’i Jehovah.’ Nahay nanazava tsara momba an’i Elisa ilay zazavavy, ka lasa nino i Namàna fa ho afaka hanasitrana azy tokoa ilay mpaminany. Niera tamin’i Beni-hadada, mpanjakan’i Syria àry i Namàna, ary nankany amin’i Elisa. Nandeha lalana 150 kilaometatra teo ho eo izy sy ny mpanompony.

Nankany amin’i Jehorama, mpanjakan’ny Israely aloha izy ireo. Nasehony azy ny taratasin’i Beni-hadada Mpanjaka, izay nangataka ny mba hanasitranana an’i Namàna. Tsy nino an’i Jehovah sy Elisa mpaminany anefa i Jehorama. Noheveriny fa nila ady taminy i Beni-hadada. Rehefa henon’i Elisa izany, dia hoy izy tamin’i Jehorama: ‘Asaivo mankatỳ amiko izy.’ Te hampiseho i Elisa fa afaka manasitrana ny aretin’i Namàna Andriamanitra.—2 Mpanjaka 5:1-8.

Tonga teo akaikin’ny tranon’i Elisa i Namàna, niaraka tamin’ny soavaly sy kalesy maro. Naniraka olona i Elisa mba hilaza taminy hoe: ‘Mandroa impito ao amin’ny Reniranon’i Jordana, dia ho sitrana ianao.’ Tsy nahafaly an’i Namàna izany. Nanantena mantsy izy fa i Elisa mihitsy no ho avy eo, ka hanetsiketsika ny tanany teo ambonin’ny habokany. Ilay iraka fotsiny anefa no tonga teo! Tezitra be àry i Namàna ka lasa.—2 Mpanjaka 5:9-12.

Inona no ho nataonao raha mpanompon’i Namàna ianao?... Nanontany azy izy ireo hoe: ‘Na zavatra sarotra be aza no nasain’i Elisa nataonao, tsy ho nataonao ve? Koa maninona raha atao izany zavatra tsotra kely izany? Mandro fotsiny ianao dia izay.’ Nanaiky àry i Namàna. ‘Nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito, ary lasa toy ny nofon-jazakely ny nofony.’

Niverina tany amin’i Elisa i Namàna ary nilaza hoe: ‘Fantatro izao fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra, afa-tsy eto amin’ny Israely ihany.’ Nampanantena izy fa tsy ‘hanatitra fanatitra odorana na fanatitra hafa ho an’ny andriamani-kafa intsony, fa ho an’i Jehovah ihany.’—2 Mpanjaka 5:13-17.

Mba te ho toa an’ilay zazavavikely koa ve ianao? Tianao ve ny hanampy olona hianatra momba an’i Jehovah?... Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia nisy lehilahy iray boka nino azy, ka niteny hoe: ‘Raha tianao ny hanasitrana ahy, dia ho vitanao izany.’ Fantatrao ve hoe inona no navalin’i Jesosy?... ‘Tena tiako ka!’ Nositranin’i Jesosy izy, toy ny nataon’i Jehovah tamin’i Namàna.—Matio 8:2, 3.

Fantatrao ve fa ho salama sy ho velona mandrakizay ny olona rehetra, ao amin’ny tontolo vaovao hataon’i Jehovah?... (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4) Azo antoka fa te hiresaka amin’ny hafa momba izany zavatra mahafinaritra izany ianao!