Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  Desambra 2012

 Ampianaro ny Zanakao

Nanompo An’i Jehovah Foana i Jotama na Nisy Olana Aza tao An-tranony

Nanompo An’i Jehovah Foana i Jotama na Nisy Olana Aza tao An-tranony

MIJALY ny ankizy rehefa tsy manompo an’i Jehovah Andriamanitra intsony ny dadany na ny mamany. Izany no nahazo an’i Jotama. Andeha isika handinika ny olana nahazo azy tao an-tranony tamin’izy mbola kely.

Ozia no anaran’ny dadan’i Jotama ary mpanjakan’ny Joda izy. Izy no manam-pahefana ambony indrindra teo amin’ny taniny. Tsara fanahy foana izy hatramin’izay, na tamin’ny mbola tsy teraka aza i Jotama. Lasa nirehareha anefa izy tatỳ aoriana ka tsy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra. Nataon’Andriamanitra boka àry izy. Mbola kely i Jotama tamin’izay. Dia fantatrao ve hoe inona no nataon’i Jotama?... *

Nanompo an’i Jehovah foana izy. Nanampy azy tamin’izany angamba ny mamany. Jerosa no anarany. Mety ho mbola sarotra tamin’i Jotama ihany anefa ny tsy nivadika tamin’i Jehovah, indrindra rehefa noroahina tao an-tranon’i Jehovah ny dadany.

Ahoana raha tsy manompo an’i Jehovah intsony koa ny dadanao na ny mamanao? Hijaly ianao raha izany no mitranga, sa tsy izany?... Tsy diso ianao raha dieny izao dia efa mieritreritra izay hataonao raha mitranga izany. Mampiseho izany ny tenin’i Davida.

Jese no anaran’ny dadan’i Davida ary tsara fanahy izy. Nanompo an’i Jehovah izy ary azo antoka fa tena tia azy i Davida. I Jehovah anefa  no lasa tian’i Davida kokoa noho ny dadany.

Jereo ange ny Salamo 27:10 e! Hoy i Davida: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.” Nilaza i Davida fa hanompo an’i Jehovah foana izy na dia tsy manompo an’i Jehovah intsony aza ny dadany na ny mamany.

Ary ianao? Hanompo an’i Jehovah foana ve ianao na dia tsy manompo an’i Jehovah intsony aza ny dadanao na ny mamanao?... Mila mieritreritra an’izany ianao, satria izao no didy lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.”

Midika izany fa tokony hanompo an’i Jehovah foana isika, na dia sarotra aza ny manao izany. Iza, araka ny hevitrao, no faly raha tsy manompo an’i Jehovah intsony isika?... I Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra. Nantsoin’i Jesosy hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” izy. Milaza koa ny Baiboly fa izy no “andriamanitr’ity tontolo ity.” Tokony hatahotra azy ve anefa isika?...

Tsia! Tadidio foana fa i Jehovah no mahery noho i Satana. Hiaro antsika i Jehovah raha matoky azy isika. Niaro an’i Davida tamin’i Goliata, ohatra, i Jehovah nefa matanjaka be sady mampahatahotra izy io. Azonao vakina ao amin’ny Baiboly izany. Hiaro anao koa i Jehovah raha manompo azy foana ianao.

^ feh. 4 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.