NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Jolay 2014
Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny 1 Septambra ka hatramin’ny 28 Septambra 2014.
Nahafoy Tena Izy Ireo: Mikronezia
Misy olana telo fahitan’ireo mpitory mifindra any amin’ireo nosy any amin’ny Oseana Pasifika. Ahoana no ataon’izy ireo?
“Fantatr’i Jehovah ny Azy”
Nahoana ilay “fototra” sy “tombo-kase” resahin’ny 2 Timoty 2:19 no manampy antsika hamantatra hoe iza ireo an’i Jehovah?
‘Miala Amin’ny Tsy Fahamarinana’ ny Vahoakan’i Jehovah
Inona no ifandraisan’ny hoe ‘miala amin’ny tsy fahamarinana’ amin’ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Mosesy? Inona no ianarantsika avy amin’izany?
TANTARAM-PIAINANA
Namoy ny Raiko Aho Nefa Nahita Ray Vaovao
Tantaram-piainan’i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana.
“Ianareo no Vavolombeloko”
Inona no andraikitsika noho isika antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah?
‘Ho Vavolombeloko Ianareo’
Nahoana i Jesosy no nilaza hoe: ‘Ho vavolombeloko ianareo’, fa tsy hoe ho vavolombelon’i Jehovah? Inona no hanampy antsika hazoto hitory foana?

