Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Jolay 2014

 TANTARAM-PIAINANA

Namoy ny Raiko Aho Nefa Nahita Ray Vaovao

Namoy ny Raiko Aho Nefa Nahita Ray Vaovao

TERAKA tany Graz, any Aotrisy, ny dadako tamin’ny 1899. Mbola tanora izy tamin’ny Ady Lehibe I, ary voantso ho anisan’ny tafika alemà rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939. Maty an’ady tany Rosia izy tamin’ny 1943, tamin’izaho roa taona teo ho eo. Tsy mba nahalala ny dadako aho, ary nalahelo be satria ny ankamaroan’ny ankizilahy tany am-pianarana nanana dada. Nahazo fampaherezana anefa aho rehefa nihalehibe, satria nianatra momba an’ilay Raintsika any an-danitra. Tsara lavitra noho ny ray olombelona izy sady tsy mety maty.—Hab. 1:12.

NY FIAINAKO TAMIN’IZAHO SKOTY

Tamin’izaho ankizilahy kely

Nanao Skoty aho nanomboka tamin’izaho fito taona. Tany Grande-Bretagne no nisy Skoty voalohany tamin’ny 1908. Fikambanana iraisam-pirenena izy io, ary noforonin’i Robert Baden-Powell, manamboninahitry ny tafika britanika. Namorona ny fikambanan’ny Skoty zazalahy izy tamin’ny 1916, ary natao ho an’ny zazalahy nitovy taona tamiko izany.

Tiako erỳ ny faran’ny herinandro satria nilasy tany ambanivohitra izahay, ka nanao akanjona Skoty sy nanao matso manaraka feon’amponga ary natory tao anaty tranolay. Ny niaraka tamin’ny Skoty hafa no tena nahafinaritra ahy. Nanao afon-dasy izahay tamin’ny hariva ary nihira manodidina an’ilay izy, na nanao kilalao tany anaty ala. Niana-javatra betsaka momba ny zavaboary koa izahay, ka lasa tia ny asa tanan’ny Mpamorona aho.

Ampirisihina hanao zavatra tsara iray isan’andro ny Skoty. Izany no tanjon’izy ireo. Isaky ny mifampiarahaba izahay dia miteny hoe: “Vonona Mandrakariva!” Nahafinaritra ahy izany. Zato mahery izahay no tao amin’ny andiana Skoty nisy anay, ka ny antsasany Katolika, ny antsasany Protestanta, ary nisy ankizilahy iray Bodista.

Nisy fihaonam-be iraisam-pirenen’ny Skoty isaky ny taona vitsivitsy, nanomboka tamin’ny 1920. Nanatrika ny Fihaonam-be Fahafito tany Bad Ischl, any Aotrisy, aho tamin’ny Aogositra 1951. Tany amin’ilay Fihaonam-be Fahasivy koa aho, tamin’ny Aogositra 1957. Tao amin’ny Sutton Park, tsy lavitra an’i Birmingham, any Angletera, no nanaovana azy io. Skoty 33 000 teo ho eo no tonga tao, ary avy any amin’ny firenena 85. Nisy mpitsidika 750 000 teo ho eo koa tamin’izay, anisan’izany i Elizabeth, mpanjakavavin’i Angletera. Toy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izahay Skoty. Tsy nampoiziko fa mbola hanana fianakaviambe tsara noho io aho, taoriana kelin’izay. Izany dia ny fianakaviamben’ny mpanompon’i Jehovah.

NIHAONA TAMIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH AHO

Rudi Tschiggerl, lehiben’ny mpanao mofomamy, no nitory tamiko voalohany

Niofana ho mpandroso sakafo tao amin’ny Grand Hotel Wiesler any Graz, any Aotrisy, aho. Nadiva ho vita ilay fiofanana tamin’ny Martsa na  Aprily 1958 tany ho any. Nitory tamiko i Rudolf Tschiggerl, mpiara-miasa tamiko sady lehiben’ny mpanao mofomamy. Sambany aho no naheno momba ny fahamarinana. Ny momba ny Trinite no noresahin’i Rudolf tamiko voalohany. Nolazainy fa tsy araka ny Baiboly io fampianarana io. Niaro ny Trinite aho ary te hanaporofo fa diso i Rudolf. Nahafinaritra ahy izy, ka te handresy lahatra azy aho mba hiverina ho Katolika.

Nanome Baiboly ahy i Rudolf, izay nantsoinay hoe Rudi. Nilazako izy fa Baiboly katolika ihany no tiako, ka nitondrany iray aho ary nanomboka namaky. Nisy taratasy mivalona navoakan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana natsofok’i Rudi tao. Tsy tiako ilay izy satria nieritreritra aho hoe mety ho namboamboarina izay voasoratra tao mba ho hoatran’ny hoe marina. Vonona hiresaka Baiboly tamin’i Rudi anefa aho. Nahira-tsaina izy ka tsy nomeny boky na gazety intsony aho. Niresaka Baiboly tsindraindray izahay nandritra ny telo volana teo ho eo, ary alim-be matetika vao vita ny resakay.

Nalefan’i Neny nianatra tao amin’ny sekoly fianarana mitantana hotely aho, rehefa vita ny fiofanako tao Graz, tanàna niaviako. Tany Bad Hofgastein, tanàna any amin’ny lohasaha iray any amin’ny Alpes, no nisy an’ilay sekoly, ka nifindra tany aho. Nifandray tamin’ilay sekoly ny Grand Hotel tao Bad Hofgastein, ka niasa tsindraindray tany aho mba hahazo traikefa bebe kokoa.

NITSIDIKA AHY NY ANABAVY MISIONERA ROA

Nanomboka nianatra Baiboly tamin’i Ilse Unterdörfer sy Elfriede Löhr aho, tamin’ny 1958

Nalefan’i Rudi tany amin’ny biraon’ny sampana tany Vienne ny adiresiko vaovao, ary ny sampana indray nandefa izany tany amin’ny anabavy misionera atao hoe Ilse Unterdörfer sy Elfriede Löhr. Nilaza tamiko ilay mpandray olona tao amin’ny hotely indray andro hoe misy madama roa mitady ahy ao ivelany, ao anaty fiara. Gaga aho nefa nivoaka ihany mba hijery hoe iza izany. Fantatro tatỳ aoriana hoe mpitatitra bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Nazia tany Alemaina izy mirahavavy, talohan’ny Ady Lehibe II. Voarara ny asantsika tamin’izany. Mbola tsy nanomboka ny ady dia efa nosamborin’ny polisy miafina alemà (Gestapo) izy ireo, ary nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Lichtenburg. Nafindra tany amin’ny toby fitanana tany Ravensbrück, tsy lavitra an’i Berlin izy ireo, nandritra ny ady.

Tena nanaja an’ireo anabavy ireo aho, satria nitovitovy taona tamin’i Neny izy. Hitako fa ho lany fotoana fotsiny izy ireo, raha nanaiky hiresaka Baiboly taminy aho, nefa mety hilaza rehefa afaka herinandro na volana vitsivitsy hoe tsy hanohy intsony. Niangaviako fotsiny àry izy ireo mba hitondra lisitry ny andinin-teny momba ny dimbin’ny apostoly. Nilazako izy ireo hoe hoentiko any amin’ny mompera ilay izy mba hodinihinay miaraka. Nihevitra aho fa hanampy ahy hahita ny marina izany.

NIANATRA MOMBA AN’ILAY TENA RAY MASINA AHO

Diso fandray an’ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 16:18, 19 ny Eglizy Katolika, ary izany no nahatonga ny fampianarana momba ny dimbin’ny apostoly. Araka an’io fampianarana io, dia ny apostoly Petera no papa voalohany, ary avy aminy ny fahefana ananan’ny papa rehetra mandimby azy. Milaza koa ny Eglizy fa tsy mety diso ny fampianaran’ ny papa, izay antsoina hoe Ray Masina. Nino an’izany aho, ka nihevitra hoe raha tsy mety diso ny papa ary milaza izy fa marina ny Trinite, dia tsy maintsy ho marina izy io. Fa raha mety diso ny papa, dia mety ho diso koa ny Trinite. Tsy mahagaga raha ny dimbin’ny apostoly no fampianarana lehibe indrindra amin’ny Katolika maro, satria miankina amin’izy io no maha marina na maha diso ny fampianarana katolika hafa rehetra.

Nankany amin’ny mompera aho, nefa tsy voavaliny ny fanontaniako. Nomeny boky momba ny dimbin’ny apostoly kosa aho ary nasainy nentiko nody ilay izy. Vao mainka aho nanana fanontaniana hafa rehefa namaky an’ilay izy, ka niverina tany aminy. Mbola tsy voavaliny ihany izany, ka niteny izy hoe: “Tsy maharesy lahatra anao aho, ary ianao koa tsy haharesy lahatra ahy. ... Mirary soa ho anao aho!” Tsy te hiresaka tamiko intsony izy taorian’izay.

Nanaiky hianatra Baiboly tamin’i Ilse sy Elfriede àry aho. Betsaka ny zavatra nampianarin’izy ireo ahy momba an’i Jehovah Andriamanitra, ilay tena Ray Masina any an-danitra. (Jaona 17:11) Mbola tsy nisy fiangonana tao amin’ilay tanàna, sady mbola tsy nisy rahalahy vita batisa. I Ilse sy Elfriede àry no nitarika ny fivoriana, ary nataony toy ny resadresaka nifanaovan’izy roa ilay izy. Tao amin’ny tranon’ny fianakaviana liana iray izahay no nivory, ary vitsy kely ny mpanatrika. Nisy rahalahy avy any amin’ny tanàna hafa anefa tonga nanao lahateny indraindray, ka nanofa trano hivoriana izahay rehefa tonga izy.

NANOMBOKA NITORY AHO

Tamin’ny Oktobra 1958 i Ilse sy Elfriede no nanomboka nampianatra Baiboly ahy, ary natao batisa aho telo volana taorian’izay, tamin’ny Janoary 1959. Tiako ho hita hoe hoatran’ny ahoana ny mitory, ka nanontany azy ireo aho talohan’ny batisako raha afaka mitory isan-trano miaraka aminy. (Asa. 20:20) Nangataka faritany ho ahy samirery aho, rehefa avy nitory indray mandeha niaraka tamin’izy ireo. Nisy tanàna iray nomeny ho faritaniko. Nandeha irery aho nitory isan-trano tao amin’ilay faritany sy niverina nitsidika ny olona liana tao. Nitsidika anay ny mpiandraikitra ny faritra tatỳ aoriana, ka izy no rahalahy voalohany niara-nitory isan-trano tamiko.

Nody aho rehefa vita ny fianarako tamin’ny 1960, satria te hanampy ny havako mba hianatra ny fahamarinana. Mbola tsy nisy nanaiky ny fahamarinana izy ireo hatramin’izao, nefa mba liana kely ihany ny sasany.

FANOMPOANA MANONTOLO ANDRO

Tamin’izaho 20 taona teo ho eo

Nanoratra tany amin’ny fiangonana ny sampana tamin’ny 1961, mba hampirisihana an’ireo rahalahy sy anabavy hanao ny asan’ny mpisava lalana. Tsy hitako izay antony tsy hanaovako an’izany, satria mpitovo aho sady salama tsara. Nieritreritra anefa aho hoe mila fiara ny mpisava lalana. Nanontaniako àry i Kurt Kuhn, mpiandraikitra ny faritra, hoe mety ve raha miasa mandritra ny volana maromaro aloha aho mba hahafahako hividy fiara. Namaly izy hoe: “Nila fiara ve i Jesosy sy ny apostoly vao afaka nanompo manontolo andro?” Azoko ny tiany hambara. Tapa-kevitra àry aho fa hirotsaka ho mpisava lalana, haingana araka izay azo atao. Nisy zavatra tsy maintsy nalamiko anefa, satria niasa adiny 72 isan-kerinandro tao amin’ny hotely iray aho.

Niresaka tamin’ny mpampiasa ahy aho hoe aleo mba 60 ora isan-kerinandro ihany aho no miasa. Nanaiky izy ary tsy novany ny karamako. Nangataka indray aho taoriana kelin’izay hoe aleo atao 48 ora isan-kerinandro ilay izy. Mbola nanaiky koa izy sady tsy niova ny karamako. Nangataka indray aho hoe aleo 36 ora isan-kerinandro  ihany aho no miasa, izany hoe adiny 6 isan’andro mandritra ny 6 andro. Mbola nekeny ihany izany, nefa mbola tsy novany ny karamako. Tena gaga aho! Hoatran’ny hoe tsy tiany hiala aho. Tamin’izay aho no nanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Adiny 100 isam-bolana ny ora notakina tamin’ny mpisava lalana tamin’izany.

Voatendry ho mpisava lalana manokana aho efa-bolana taorian’izay, sady lasa mpikarakara ny fiangonana kely iray tao Spittal an der Drau, ao amin’ny faritanin’i Carinthia. Adiny 150 isam-bolana no notakina tamin’ny mpisava lalana manokana tamin’izany. Tsy nisy mpisava lalana manokana hafa niaraka tamiko, ka tena faly aho satria niara-nanompo tamiko ny Ranabavy Gertrude Lobner. Mpanampy ny mpikarakara ny fiangonana izy. *

NIOVAOVA NY FANENDRENA AHY

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny 1963. Nandeha lamasinina aho indraindray rehefa nifindra fiangonana ary nitondra valizy mavesa-be. Tsy nanana fiara ny ankamaroan’ny rahalahy, ka tsy nisy afaka nitsena ahy teny amin’ny gara. Tsy te hiseho ho mpanana aho ka naleoko tsy naka taxi, fa nandeha an-tongotra nankany amin’ilay trano hilasiako.

Nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-41 aho tamin’ny 1965. Mbola mpitovo aho tamin’izany, ary maro tamin’ny iray kilasy tamiko koa no mpitovo. Tsy nampoiziko fa voatendry hanohy ny asan’ny faritra tany an-tanindrazako any Aotrisy aho, tamin’ny fizarana diplaoma. Nasaina niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny faritra atao hoe Anthony Conte anefa aloha aho, nandritra ny iray volana. Be fitiavana sy tia manompo izy ary nahita vokatra tsara. Niara-nanompo tany Cornwall, tany amin’ny faritra avaratr’i New York, izahay. Tena tiako ny niaraka taminy.

Tamin’ny mariazinay

Nihaona tamin’ny anabavy iray tsara tarehy aho, tao amin’ilay faritra nasaina notsidihiko tany Aotrisy. Tove Merete no anarany. Notezaina tao amin’ny fahamarinana izy nanomboka tamin’izy dimy taona. Nivady izahay tamin’ny Aprily 1967, herintaona taorian’ny nihaonanay, ary niara-nanao ny asa fitetezam-paritany. Rehefa misy manontany anay hoe ahoana no nihaonanay, dia mivazivazy izahay hoe: “Ny biraon’ny sampana no nampihaona anay.”

Tsapako hoe nanangana ahy ho zanany ara-panahy i Jehovah ny taona nanaraka, noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Lasa nanana fifandraisana manokana tamin’ny Raiko any an-danitra aho nanomboka teo, ary lasa anisan’ireo miantso azy hoe: “Aba, Ray ô!”, araka ny Romanina 8:15.

Nanao ny asan’ny faritra sy ny vondrom-paritra izahay mivady hatramin’ny 1976. Tsy nisy fanafanana ny efitra natorianay indraindray, nefa ny andro ririnina sady ambanin’ny zero ny mari-pana. Taitra tampoka izahay indray alina. Tsapanay hoatran’ny mafimafy mantsy ny bodofotsy teo akaikin’ny tarehinay, satria nivaingana teo ny fofonainay. Nividy fitaovana kely fanafanana àry izahay mba tsy hangatsiaka loatra rehefa alina. Tany amin’ny faritra sasany, dia tsy maintsy nandeha tamin’ny lanezy izahay rehefa hivoaka tamin’ ny alina, satria tany ivelany ny kabine. Ny tao an-kabine koa anefa nandrivotra be. Tsy nanana trano ipetrahana izahay, ka matetika no mbola nijanona tao amin’ilay trano nilasianay, rehefa alatsinainy. Ny talata izahay vao nankany amin’ilay fiangonana notsidihinay manaraka.

Maro ny karazana fitoriana nataoko tany Aotrisy, anisan’izany ny fitoriana teny an-dalana

Faly aho satria nanohana ahy foana ny vady malalako. Tena tia manompo izy, ary mbola tsy nila nampirisika azy handeha hanompo mihitsy aho. Tena tia an’ireo rahalahy sy anabavy koa izy sady miahy ny hafa. Nanampy be ahy izany.

Nasaina hanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’i Aotrisy, any Vienne, izahay tamin’ny 1976, ary voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana aho. Nisahana ny asantsika tany amin’ny tany maromaro tany Eoropa Atsinanana ny sampan’i Aotrisy tamin’izany. Nitatitra boky sy gazety tany koa ny sampana tao, ary niezaka mba tsy ho tratran’ny manam-pahefana rehefa nanao izany. I Jürgen Rundel no niandraikitra an’izany ary tena nahay nitady hevitra izy. Nanana tombontsoa niara-niasa taminy aho. Notendrena hiandraikitra ny fandikan-teny amin’ny fiteny folo nampiasaina tany Eoropa Atsinanana aho, tatỳ aoriana. Mpisava lalana manokana any Alemaina i Jürgen sy Gertrude vadiny izao. Nanomboka nampiasa teknika maoderina kokoa sy milina offset kely ny sampan’i Aotrisy, tamin’ny 1978, mba hanaovana pirinty gazety tamin’ny fiteny enina. Nandefa gazety tany an-tany hafa koa izahay ho an’izay nanao famandrihana an’izany. I Otto Kuglitsch no niandraikitra an’izany. Manompo any amin’ny biraon’ny sampana any Alemaina izao izy sy Ingrid vadiny.

Efa nanana milina fanaovana pirinty koa ireo rahalahy tany Eoropa Atsinanana, ka nanao pirinty boky sy gazety. Nila fanampiana avy amin’ny firenen-kafa ihany anefa izy ireo. Niaro an’izany asa izany i Jehovah. Tena tianay tao amin’ny sampana ireny rahalahy ireny, izay nanompo an’i Jehovah foana na dia voarara aza ny asantsika nandritra ny taona maro.

FITSIDIHANA MANOKANA TANY ROMANIA

Nahazo tombontsoa aho tamin’ny 1989, satria nitsidika an’i Romania niaraka tamin’ny Rahalahy Theodore Jaracz, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Ny hanampy rahalahy sy anabavy maro be mba hiaraka indray amin’ny fandaminana no anton-dianay. Nisaraka tamin’ny  fandaminana izy ireo nanomboka tamin’ny 1949, ary namorona fiangonana. Mbola nitory sy nanao batisa anefa izy ireo. Tsy nety nanao miaramila koa izy ireo ka nigadra, toa an’ireo rahalahy hafa mbola anisan’ny fandaminana. Mbola voarara ny asa tany Romania tamin’izany. Nihaona mangingina tao an-tranon’ny Rahalahy Pamfil Albu àry izahay sy ny anti-panahy efatra nanana andraikitra lehibe ary ny solontena vitsivitsy avy amin’ny Komitin’ny Tany. Nandika teny ho anay i Rolf Kellner, avy any Aotrisy.

Mbola nivory izahay ny alina nanaraka. Nandresy lahatra an’ireo anti-panahy efatra namany ny Rahalahy Albu mba hiaraka amin’ny fandaminana indray. Hoy izy: “Raha tsy izao isika no manao an’izany, dia mety tsy ho afaka hanao izany intsony.” Rahalahy sy anabavy 5 000 teo ho eo no lasa niaraka tamin’ny fandaminana indray taorian’izay. Tena nandresy i Jehovah ary voa mafy i Satana!

Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana hifindra teto amin’ny foibe eto New York izahay mivady, tamin’ny faramparan’ny 1989, talohan’ny naharavan’ny Kominisma tany Eoropa Atsinanana. Tsy nampoizinay ilay izy. Nanomboka nanompo teto amin’ny Betelan’i Brooklyn izahay tamin’ny Jolay 1990. Voatendry ho mpanampy ny Komitin’ny Fanompoana teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana aho tamin’ny 1992, ary nahazo tombontsoa ho anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nanomboka tamin’ny Jolay 1994.

MANAO JERY TODIKA NY LASA SADY MIBANJINA NY HOAVY

Izahay mivady eto Brooklyn, New York

Efa ela aho no tsy mpandroso sakafo tamin’ny hotely intsony. Manana tombontsoa hikarakara sy hizara sakafo ara-panahy ho an’ny rahalahy sy anabavy eran-tany kosa aho izao. (Mat. 24:45-47) Efa 50 taona mahery aho no nanompo manontolo andro. Misaotra an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho rehefa mieritreritra an’izany. Faly koa aho satria tena mitahy ny fianakaviamben’ny mpanompony eran-tany izy. Tiako ny manatrika ny fivoriambe iraisam-pirenena ataontsika. Mianatra momba an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, isika any sady mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Mivavaka aho mba hisy olona an-tapitrisany hianatra Baiboly ka hanaiky ny fahamarinana, ary hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika eran-tany. (1 Pet. 2:17) Efa tsy andriko koa ny fotoana hananganana ny maty eto an-tany, ka ho hitako avy any an-danitra ilay raiko niteraka ahy. Enga anie ka haniry hanompo an’i Jehovah izy sy Neny ary ny havan-tiako hafa, rehefa ao amin’ny Paradisa.

Efa tsy andriko ny fotoana hananganana ny maty eto an-tany, ka ho hitako avy any an-danitra ilay raiko niteraka ahy

^ feh. 27 Anti-panahy mpandrindra izao no iantsoana ny mpikarakara ny fiangonana, ary mpitan-tsoratra no iantsoana ny mpanampy ny mpikarakara ny fiangonana.