Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matahotra ny Hoavy ve Ianao?

Matahotra ny Hoavy ve Ianao?

Matahotra ny Hoavy ve Ianao?

ANTONY maro no mahatonga ny olona hatahotra, anisan’izany ny hetraketraky ny natiora. Hoy ny gazetiboky Fotoana (anglisy) tamin’ny 3 Aprily 2006: “Tena miharatsy ny toetrandro eran-tany, noho ny hafanam-be, rivo-doza, tondra-drano, afo, ary ireo ranomandry lehibe mitsonika.”

Namoaka tatitra fahatelo hoe ‘Ny Hoavin’ny Tontolo Iainana’, ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana, tamin’ny Mey 2002. Mpikaroka 1 000 mahery no nanomana azy io. Izao no voalazan’ilay tatitra, araka ny gazety iray: “Ho ratsy fiafara ny planetantsika, raha tsy misy fepetra raisina haingana momba ny tontolo iainana. Anisan’izany ny ala, ranomasina, renirano, tendrombohitra, biby sy zavamaniry, izay antoky ny hoavin’ny taranatsika.”

Mbola misy zavatra be dia be anefa mampanahy ny olona, ankoatra ny tontolo iainana. Olona maro eran-tany no matahotra mpampihorohoro. Hoy ny talen’ny sampam-pitsikilovana kanadianina: “Tsy mahita tory izahay fa matahotra sao hisy fanafihana hitranga. Tsy fantatra akory anefa hoe rahoviana na aiza no hiseho ilay izy.” Na ny vaovao amin’ny tele fotsiny aza dia efa mampahatahotra!

Betsaka koa ny olon-dehibe miasa mafy, nefa matahotra sao ho very asa. Tsy azo antoka mantsy ny asa satria maro ny orinasa mikatona, na manajanona mpiasa. Eo koa ny fifaninanana any am-piasana, sy ny mpampiasa mitaky zavatra be loatra. Ny tanora kosa matahotra sao tsy ho tian’ny namany. Ny ankizy indray matahotra sao tsy tena tia azy ny ray aman-dreniny. Manao ahoana tokoa moa ny fiainany any ivelan’ny tranony? Natahotra ny reny iray ka nilaza hoe: “Matetika ny ankizy sy ireo tsy dia mahalala zavatra, no mihevitra ny manodidina azy ho toy ny toerana mampahatahotra.” Ray aman-dreny maro no manahy sao hisy fiantraikany eo amin’ny ankohonany, indrindra fa ny zanany, ny fitondran-tena ratsy eo amin’izao tontolo izao.

Matetika ny zokiolona no matahotra sao hianjera amin’ny tohatra, na hisy hanafika eny an-dalana. ‘Matahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana.’ (Mpitoriteny 12:5) Anisan’ny mampahatahotra koa ny aretina sarotra sitranina. Ao, ohatra, ny kansera, areti-mifindra, ary aretina mahafaty toy ny gripa mahery. Rehefa mandre izany isika dia matahotra sao ho voan’ny aretina vaovao mbola tsy fantatra isika na ny fianakaviantsika, ka hitondra takaitra na ho faty mihitsy. Misy koa olona salama tsara sy tomady, nefa lasa marary sy malemy tampoka. Ara-dalàna àry raha matahotra isika sao hitranga amintsika na ny havantsika izany. Tena mampalahelo ny olona marary. Hitanao amin’ny endriny mihitsy hoe very fanantenana izy!

Mbola antenaina ho tsara ve ny hoavy, raha jerena ireo antony maro be mampahatahotra ireo? Misy afaka manampy antsika mba hanana fanantenana ve? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

© Jeroen Oerlemans/Panos Pictures