Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandresena Tany Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Fandresena Tany Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Fandresena Tany Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

TAMIN’NY 11 Janoary 2007, dia namoaka didim-pitsarana nanome rariny ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona any Strasbourg, Frantsa. Nametraka fitarainana tany mantsy izy ireo noho ny nataon’ny fanjakana rosianina. Voalaza tamin’ilay didim-pitsarana fa manana fahalalahana ara-pivavahana sy zo hotsaraina ara-drariny ny Vavolombelon’i Jehovah. Andeha hojerentsika ny antony nametrahan’izy ireo fitarainana.

Marenina ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny fiangonana iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Chelyabinsk, Rosia. Sekoly fianarana asa no nohofan’izy ireo hanaovana fivoriana. Tamin’ny alahady 16 Aprily 2000, dia nanapaka ny fivorian’izy ireo ny vehivavy iray filohan’ny Vaomieram-paritra Miaro ny Zon’olombelona. Nitondra manamboninahitra roa sy polisy iray tsy nanao fanamiana izy. Noravan’izy ireo ilay fivoriana. Nendrikendrehin’izy ireo ho nanao fivoriana tsy nahazoan-dalana mantsy io fiangonana io. Nitsara an-tendrony ny Vavolombelon’i Jehovah anefa, raha ny marina, ireo manam-pahefana ireo, indrindra fa ilay vehivavy. Tsy navela hanofa an’ilay sekoly intsony ilay fiangonana, nanomboka tamin’ny 1 Mey 2000.

Nametraka fitarainana tamin’ny mpampanoa lalàna tany Chelyabinsk ny Vavolombelon’i Jehovah, noho io zava-nitranga io. Tsy nisy vokany anefa izany. Milaza ny Lalàm-panorenana Rosianina sy ny Fifanarahana ho Fiarovana ny Zon’olombelona sy ny Fahalalahana Fototra, fa manana fahalalahana ara-pivavahana sy fahalalahana hamorona fikambanana na hiditra anaty fikambanana ny olona. Efa nanambara koa ny fitsarana tampony rosianina tamin’ny 30 Jolay 1999, fa ‘manana fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretany sy hanao fivoriana ara-pivavahana “tsy misy fanakantsakanana” ny olona, araka ny Lalàna Rosianina. Midika izany fa tsy mila mangataka alalana na fahazoan-dalana mialoha any amin’ny fanjakana izay olona maniry hanao fotoam-pivavahana ao amin’ny toerana natao [ho amin’izany].’ (Izy ireo no nametraka ilay fonon-teny mahitsy.) Nitory tany amin’ny fitsaram-paritra àry ny Vavolombelon’i Jehovah, ary avy eo nampakatra ilay raharaha tany amin’ny fitsarana ambony kokoa. Nolavin’ireo fitsarana ireo anefa ny fitarainany.

Nampakarina tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona indray àry ilay raharaha, tamin’ny 17 Desambra 2001. Natao tamin’ny 9 Septambra 2004 ny fitsarana. Ireto no santionan’ny didim-pitsarana nivoaka farany:

“Hitan’ity Fitsarana ity fa tsy nohajaina ny fahalalahana ara-pivavahan’ireo nametraka fitoriana. Nofaranan’ireo manam-pahefana alohan’ny fotoana mantsy ny fotoam-pivavahan’izy ireo.”

“Ara-dalàna tsara ny fanofana ilay trano nanaovan’izy ireo fotoam-pivavahana. Hita àry fa tsy nisy antony ara-drariny nanajanonana an’ilay fotoam-pivavahana.”

“Voamarik[’ity Fitsarana ity] fa efa misy lalàna napetraky ny Fitsarana Tampony Rosianina hoe tsy voatery hangataka fahazoan-dalana mialoha na hampandre ny manam-pahefana izay olona maniry hanao fivoriana ara-pivavahana.”

“Nandika ny Andininy faha-9 [fahalalahana ara-pivavahana] amin’ilay Fifanarahana [ho Fiarovana ny Zon’olombelona sy ny Fahalalahana Fototra] àry ilay Filohan’ny Vaomiera sy ireo niaraka taminy, rehefa nanapaka ilay fotoam-pivavahana tamin’ny 16 Aprily 2000 nataon’ireo nametraka fitoriana.”

‘Hitan’ity Fitsarana ity fa tsy nahatanteraka ny adidiny ireo fitsarana tany an-toerana. Adidin’izy ireo mantsy ny manao fitsarana ara-drariny sy tsy misy fiangarana. Nodikainy àry ny Andininy faha-6 [zo hotsaraina ara-drariny] amin’ilay Fifanarahana.’

Misaotra an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, satria nomeny fandresena tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. (Salamo 98:1) Ho tonga hatraiza ny vokatr’iny didim-pitsarana iny? Hoy i Joseph Grieboski, filohan’ny Fikambanana Momba ny Fivavahana sy ny Politika: “Didim-pitsarana lehibe hafa, hisy fiantraikany eo amin’ny fahalalahana ara-pivavahana manerana an’i Eoropa iny. Hisy vokany izy iny, eo amin’ny zo ara-pivavahana any amin’ireo tany rehetra eo ambany fiandraiketan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona.”