Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mpitarika ny Israely i Mosesy, nefa voalaza ao amin’ny Deoteronomia 31:2 fa “tsy afa-mivoaka sy miditra” izy, araka ny Fandikan-teny Protestanta sy ny Baiboly hafa. Nahoana anefa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no mandika ireo teny ireo hoe: “Tsy mahazo miditra sy mivoaka intsony”?

Marina fa azo adika amin’ireo fomba roa ireo ilay teny hebreo tany am-boalohany ao amin’io andininy io. Ny fomba nandikan’ny fandikan-teny sasany an’io teny hebreo io anefa, dia toa manondro fa osa na narary i Mosesy taloha kelin’ny nahafatesany, ka tsy afa-nanatontosa ny andraikitry ny mpitarika intsony. Araka Ny Baiboly Anglisy Vaovao, ohatra, dia nilaza toy izao i Mosesy: “Efa roa-polo amby zato taona aho izao, ka tsy afa-mandeha firy araka izay tiako intsony.” Torak’izany koa, fa Ny Baiboly Amerikanina Vaovao (anglisy) dia milaza hoe: “Tsy afa-mandeha firy intsony izao ... aho.”

Hita amin’ny Deoteronomia 34:7 anefa fa tsy osa velively i Mosesy, na dia efa antitra aza. Izao no voalaza ao: “Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.” Mbola natanjaka izy, saingy tsy tian’i Jehovah hanohy hitarika ny firenen’ny Israely. Izany no asehon’ireo tohin’ny tenin’i Mosesy, ao amin’ny Deoteronomia 31:2. Hoy izy: “Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io hianao.” Toa naverin’i Jehovah indray teo, ilay didy navoakany teo amin’ny ranon’i Meriba.—Nomery 20:9-12.

Ela niainana i Mosesy ary niavaka ny fiainany, izay azo zaraina telo. Teo aloha ireo 40 taona niainany tany Ejipta. “Nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” izy tany, sady “nahery tamin’ny teniny sy ny nataony.” (Asan’ny Apostoly 7:20-22) Nanorim-ponenana tany Midianina izy, nandritra ny 40 taona nanaraka. Ilana toetra tsara ny fitarihana ny vahoakan’i Jehovah, ka nanao izay hananana izany izy tany. Farany, dia ireo 40 taona nitondrany ny Israelita sy nitarihany azy ireo. Nanapa-kevitra anefa i Jehovah taorian’izany hoe i Josoa, fa tsy i Mosesy, no hitarika ilay firenena hita ny Reniranon’i Jordana ho ao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Deoteronomia 31:3.

Mahalaza tsara ny tena hevitry ny Deoteronomia 31:2 àry, ny fomba nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao io andininy io. Nitsahatra tsy ho mpitarika ny Israely intsony i Mosesy, tsy noho izy osa ara-batana anefa, fa satria tsy navelan’i Jehovah hanao izany intsony izy.