Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Vonona ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra”

“Vonona ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra”

“Vonona ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra”

“AMPAHATSIAHIVO hatrany izy ireo mba hanaiky sy hankatò ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra.” (Titosy 3:1) Asa tsara inona no tao an-tsain’ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ireo teny ireo tamin’ny mpiray finoana taminy izy? Niresaka momba ny karazan’asa tsara iray i E. Scott, manam-pahaizana momba ny Baiboly, rehefa niteny hoe: ‘Tsy vitan’ny hoe tokony hankatò ny fahefana ny Kristianina, fa tsy maintsy vonona ho amin’ny asa tsara rehetra koa. Tokony ho anisan’ny loha laharana amin’ny fiahiana ny fiaraha-monina izy ireo, rehefa ilaina izany. Hisy foana ny hain-trano, ny areti-mandringana, ary ny loza lehibe isan-karazany. Haniry hanampy ny mpiara-belona aminy ny olom-pirenena mahafatra-po rehetra amin’izay.’

Mandray anjara amin’ny asa sasany atao ho an’ny fiaraha-monina ny Kristianina, raha tsy mifanipaka amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. (Asan’ny Apostoly 5:29) Manao fanazaran-tena ho amin’izay tokony hatao raha sendra hain-trano, ohatra, ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ebina, any Japon, isan-taona. Izany mantsy no toromarika nomen’ny sampan-draharahan’ny mpamono afo any. Miara-mihaino ny toro lalana omen’ny solontenan’ny sampan-draharahan’ny mpamono afo, ny mpianakavin’ny Betela rehetra amin’io fotoana io.

Efa am-polo taona mahery koa izao ny biraon’ny sampana no niara-niasa tamin’ny manam-pahefana, tamin’ny fanaovana fampirantiana izay mampahafantatra ny fomba fisorohana hain-trano. Asehon’ny kompania sy orinasa eo an-tanàna mandritra ilay fampirantiana, ny fitaovana famonoany afo sy ny fampiasany azy ireo, ary ny fomba hisakanany ny afo tsy hiparitaka. Matetika ny sampana no mahazo teny fiderana, noho ny fahaizany sy ny fiaraha-miasan’ny mpiasa ao aminy. Nahazo ny loka voalohany tamin’ilay fampirantiana izy ireo tamin’ny 2001. Vonona hanao asa tsara mety hamonjy aina izy ireo, raha sendra misy hain-trano.

Fanampiana sarobidy

Misy karazan’asa lehibe kokoa anefa mahaliana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mamonjy aina koa izy io. Mitsidika tsy tapaka ny mpiara-belona aminy izy ireo, mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Ampirisihiny hianatra sy hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny olona, mba hananany fiainana tsara kokoa dieny izao, sy hanantenany fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo iray hanjakan’ny tena fiadanana sy filaminana.

Tsy azon’ny olona sasany angamba hoe sarobidy ny fanampiana entin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka heveriny ho mpanorisory izy ireo. Tsy nitovy hevitra tamin’izany anefa ny Mpitsara Jean Crepeau, ao amin’ny Fitsarana Ambony any Québec, any Kanada. Namoaka lalàna ny tanànan’i Blainville, any Québec, hoe tsy mahazo mitsidika ny olona isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy misy fahazoan-dalana. Notoherin’ireo Vavolombelona anefa izany. Nanazava toy izao ny Mpitsara Crepeau, rehefa namoaka ny didim-pitsarana: “Asa kristianina mahasoa ny fiaraha-monina ny fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary . . . ny boky atolotr’izy ireo ho an’ny olona liana, dia miresaka raharaha lehibe toy ny fivavahana, Baiboly, zava-mahadomelina, alkaolisma, fanabeazana ny tanora, olana ara-panambadiana, ary fisarahana.” Voalaza tao amin’ilay didy koa hoe: “Ny hany fanatsoahan-kevitry ny fitsarana dia hoe: manevateva, manambany, manafintohina, ary manoso-potaka ny Vavolombelona ny fampitoviana azy amin’ny mpanao varo-mandeha.”

Manatsara ny fiaraha-monina misy azy ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa manampy ny olona hamaha ny olana mahazo azy andavanandro, sy manome fanantenana azy ireo. Mahatonga azy ireo ho ampy fitaovana tsara mba hanao io asa io ny Baiboly. “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”​—2 Timoty 3:16, 17.

Tianao ho fantatra ve ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba ho “vonona ho amin’ny asa tsara rehetra”? Mampirisika anao izahay hanaiky hampiany hahafantatra bebe kokoa ny Baiboly. Amin’izay ianao dia handray soa avy amin’ilay asa tena ilain’ny fiaraha-monina, izay tanterahin’izy ireo eo amin’ny faritra misy anao sy maneran-tany.

[Sary, pejy 30, 31]

Miezaka hiara-miasa amin’ny manam-pahefana ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 31]

Fantatra noho ny fanampiany ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelona