Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2002 no milaza, ao amin’ny pejy faha-11, fehintsoratra faha-7, fa ny batisan’ireo mpino jiosy tamin’ny Pentekosta taona 33 dia mariky ny fanoloran-tenany “ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy”, kanefa araka ny fanazavana taloha dia tsy nitaky fanoloran-tena toy izany ny batisa jiosy, nanomboka tamin’ny taona 33 ka hatramin’ny taona 36?

Nomen’i Jehovah Andriamanitra fahafahana ho tonga firenena masina ho azy ny Isiraelita tamin’ny 1513 T.K., raha ‘nihaino ny feony tokoa ka nitandrina ny fanekeny.’ Namaly izy ireo hoe: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.”​—Eksodosy 19:3-8; 24:1-8.

Nanolo-tena ho an’Andriamanitra ny Isiraelita, rehefa nanaiky hanaraka ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. Teraka teo amin’io firenena nanolo-tena io ireo Jiosy tatỳ aoriana. Tsy fisehoana eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny maha anisan’ilay firenena nanolo-tena fotsiny anefa no hevitry ny batisan’ny Jiosy mpanara-dia an’i Jesosy, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Midika kosa izy io hoe nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, ary manana fifandraisana vaovao aminy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ahoana izany?

Nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatra 120 nivory tao amin’ilay efitrano ambony rihana tany Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nitsangana ny apostoly Petera, ary nitory tamin’ireo Jiosy sy proselyta maro tonga mba hijery izay nitranga. Rehefa avy nitory tamin’ny fomba feno tamin’ireo Jiosy izay nenjehin’ny eritreriny izy, dia nilaza hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo.” Ary ‘izay nandray tsara ny teny’, noho ny fampirisihan’i Petera, “dia natao batisa: ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany.”​—Asan’ny Apostoly 2:1-41.

Efa anisan’ilay firenena vita fanoloran-tena ve ireo Jiosy natao batisa taorian’ny fampirisihan’i Petera? Efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra ve izy ireo? Tsia. Nanoratra ny apostoly Paoly fa ‘nesorin’Andriamanitra tsy ho eo mihitsy ny Lalàna ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana.’ (Kolosiana 2:14) Nesorin’i Jehovah Andriamanitra ny faneken’ny Lalàna, rehefa maty i Kristy tamin’ny taona 33. Io fanekena io no fototry ny fifandraisan’ny Isiraelita tamin’Andriamanitra. Andriamanitra mihitsy izao no nanda an’ilay firenena nanda ny Zanany. Tsy azo lazaina ho firenena nanolo-tena ho an’Andriamanitra intsony àry ny “Isiraely araka ny nofo.”​—1 Korintiana 10:18; Matio 21:43.

Nofoanana tamin’ny taona 33 ny faneken’ny Lalàna. Nitohy hatramin’ny taona 36 anefa ny fotoana niheveran’Andriamanitra manokana sy nikarakarany ny Jiosy. * Tamin’izay i Petera no nitory tamin’ny Italianina iray mpivavaka be antsoina hoe Kornelio, sy ny mpianakaviny, ary ny Jentilisa hafa. (Asan’ny Apostoly 10:1-48) Nahoana no nitarina toy izany io tombontsoa manokana io?

“Hanorina fanekena ho herinandro amin’ny maro” ny Mesia, hoy ny Daniela 9:27. Ilay fanekena natao tamin’i Abrahama no naorina nandritra ny fito taona, na “herinandro”, nanomboka teo amin’ny batisan’i Jesosy, izany hoe ny fiandohan’ny fanompoan’ny Mesia, tamin’ny taona 29. Tafiditra amin’io fanekena io ny olona iray, rehefa taranak’i Abrahama fotsiny. Tsy nanolo-tena ho an’Andriamanitra anefa izy. Amin’ny maha Jiosy ara-nofo azy, dia nahazo fiheverana manokana ireo nino ka natao batisa taorian’ny toritenin’i Petera, tamin’ny Pentekosta taona 33. Tsy afaka milaza ny tenany ho efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra anefa izy ireo, satria efa nesorina ny faneken’ny Lalàna. Tsy maintsy nanolo-tena ho an’Andriamanitra mihitsy ny isam-batan’olona.

Mbola misy antony iray hafa maha zava-dehibe ny fanoloran-tenan’ireo Jiosy sy proselyta natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33. Nampirisika ny mpihaino azy i Petera mba hibebaka sy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy. Rehefa atao batisa izy ireo, dia tsy maintsy miala amin’ny fanaon’izao tontolo izao, manaiky an’i Jesosy ho Tompo sy Mesia ary Mpisoronabe, izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra any an-danitra. Ilain’izy ireo koa ny miantso ny anaran’i Jehovah Andriamanitra mba hahazoana famonjena amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. Tafiditra amin’izany ny finoana an’i Kristy sy ny fanekena azy ho Mpitarika. Niova nanomboka tamin’izay ny fomba ifandraisana amin’Andriamanitra sy ahazoana famelan-keloka. Mila manaiky an’io fandaharana vaovao io ireo mpino jiosy isam-batan’olona. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra sy ny fanehoana izany ampahibemaso amin’ny batisa anaty rano amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Mampiseho ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra ny batisa anaty rano, ary mahatonga azy ireo hanana fifandraisana vaovao aminy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.​—Asan’ny Apostoly 2:21, 33-36; 3:19-23.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Natolotr’i Jesosy Kristy an’i Jehovah Andriamanitra ny vidin’ny ainy olombelona natao sorona, rehefa niakatra tany an-danitra izy. Tamin’izay fotoana izay no nanafoanana ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy ary nanorenana ny “fanekena vaovao.”​—Jeremia 31:31-34.