Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianarina ho Tia Namana ny Rehetra

Ampianarina ho Tia Namana ny Rehetra

Ampianarina ho Tia Namana ny Rehetra

“Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.”​—Matio 7:12.

EFA ho roa arivo taona lasa izay no nilazan’i Jesosy Kristy an’ireo teny ireo, tao amin’ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra. Efa betsaka ny teny voalaza sy ny boky voasoratra momba an’ireo teny tsotra ireo. Nolazaina, ohatra, fa “foto-kevitry ny Soratra Masina” izy io, na “adidin’ny Kristianina amin’ny namany”, “lalàm-pitondran-tena fototra”, na “Fitsipika Volamena.” Azo lazaina tsotra hoe “fitiavana ny namana tahaka ny tena” koa izy io.

Tsy ny Kristianina ihany anefa no mampianatra ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Miresaka an’io lalàm-pitondran-tena marina io amin’ny fomba isan-karazany ny Jodaisma sy ny Bodisma ary ny filozofia grika. Malaza any amin’ireo tany any Azia Atsinanana ny tenin’i Confucius, filozofa sinoa hajaina fatratra ho toy ny olon-kendry sy mpampianatra niavaka indrindra. Voalaza intelo ny fitiava-namana ao amin’ilay boky hoe Amboara Voafantina, izay fahatelo amin’ireo Boky Efatra mirakitra ny fampianaran’i Confucius. Nilaza toy izao indroa i Confucius ho famaliana ny fanontanian’ny mpianany: “Izay tsy tianao hatao amin’ny tenanao dia aza atao amin’ny olona.” Nieboebo toy izao ilay mpianany nantsoina hoe Zigong, indray mandeha: “Izay tsy tiako hataon’ny olona amiko dia mba tsy ataoko amin’ny olona koa.” Nisy heviny lalina anefa ny valin-tenin’ilay mpampianatra hoe: “Marina izany, saingy mbola tsy vitanao izany izao.”

Hita amin’ireo teny ireo fa izay tsy tokony hatao no nolazain’i Confucius, ary izay tokony hatao kosa no nolazain’i Jesosy. Ny tena tsy mampitovy azy dia hoe mitaky fanaovana asa mahasoa ho an’ny olona ilay fitiavana ny namana tahaka ny tena noresahin’i Jesosy. Aoka hatao hoe mampihatra ny tenin’i Jesosy ny olona, ka mifampiahy sy miezaka hifanampy ary miaina mifanaraka amin’io lalàna io isan’andro. Hahatonga an’izao tontolo izao ho tsara kokoa ve izany, araka ny hevitrao? Izany tokoa.

Tsy mampaninona anefa izay fomba ilazana ilay toro lalana. Ny zava-dehibe kosa dia hoe samy matoky ny olona niaina tamin’ny fotoana sy fiaviana samihafa fa tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. Asehon’izany àry fa ampianarina ho tia namana ny olona amin’ny toerana rehetra sy ny vanim-potoana rehetra.

Manontania tena hoe: ‘Ho tiako ve ny hohajaina sy tsy hiangarana ary hilazana ny marina? Ho tiako ve raha tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra na asan-jiolahy na ady eto an-tany? Ho tiako ve ny hiaina ao anatin’ny fianakaviana mifampiahy sy mifanasoa?’ Iza tokoa no handa an’izany? Mampalahelo anefa fa vitsy ihany no manana fiainana tsara toy izany. Tsy manantena izany akory aza ny ankamaroan’ny olona.

Tsy tia ny namany tahaka ny tenany intsony ny olona

Nisy foana hatramin’izay ny fanitsakitsahana tanteraka ny zon’olombelona. Anisan’izany ny fivarotana andevo tatsy Afrika, ny toby famonoan’ny Nazia, ny asa an-tery vozona ampanaovina ny ankizy, sy ny fandripahana foko tany amin’ny faritra maro. Mbola maro anefa ny habibiana tsy voatanisa.

Tsy mahalala afa-tsy ny tenany ny olona miaina amin’izao andron’ny fandrosoana izao. Vitsy no mihevitra ny olon-kafa rehefa voatohintohina ny tombontsoany manokana. (2 Timoty 3:1-5) Nahoana no maro be ny olona nanjary tia tena sy tsy mifaditrovana, mafy fo, ary tsy mahalala afa-tsy ny tenany? Satria nanjary nihevitra izy ireo fa tsy tokony ho tia ny namana tahaka ny tena intsony isika, ary efa lany andro izany fitsipika izany na dia mbola ampianarina maneran-tany aza. Mampalahelo fa manao izany koa na dia ny olona miseho ho mino an’Andriamanitra aza. Raha izao no mitohy dia vao mainka tsy hihevitra afa-tsy ny tenany ny olona.

Tsy maintsy dinihina àry ireto fanontaniana lehibe ireto: Ahoana no itiavana ny namana tahaka ny tena? Mbola mampihatra izany ve ny olona? Mbola ho tia ny namany tahaka ny tenany ve ny olombelona rehetra indray andro any? Vakio ny lahatsoratra manaraka, dia ho hitanao ny tena valin’ireo fanontaniana ireo.

[Sary, pejy 3]

Nampianatra ny fitiavana ny namana tahaka ny tena koa i Confucius sy ny hafa