Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Feno Fahendrena Nomen’ny Reny

Torohevitra Feno Fahendrena Nomen’ny Reny

Torohevitra Feno Fahendrena Nomen’ny Reny

“Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.”​—Ohabolana 1:8.

IREO nahitantsika masoandro​—ny ray sy ny renintsika​—dia afaka ny ho loharano sarobidy mba hanome fampaherezana sy fanohanana ary torohevitra. Milazalaza momba an’i Lemoela, mpanjaka tanora, izay nahazo “teny mavesa-danja” ho ‘fananarana’ avy tamin’ny reniny, ny Ohabolana, boky ao amin’ny Baiboly. Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Ohabolana toko faha-31 ireo teny ireo, ary isika koa dia afaka mandray soa avy amin’io torohevitra feno fahendrena nomen’ny reny io.​—Ohabolana 31:1.

Torohevitra mendrika ho an’ny mpanjaka iray

Nanomboka tamin’ny fanontaniana maromaro, izay mampitombo ny fahalianantsika, ny renin’i Lemoela: “Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?” Ny famerenany intelo ny fiangaviany dia mampiseho fa tena zava-dehibe taminy ny hihainoan’ilay zanany lahy tsara ny teniny. (Ohabolana 31:2). Ny fiahiany ny amin’izay hahasoa ny zanany teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia ohatra tsara dia tsara ho an’ny ray aman-dreny kristianina amin’izao andro izao.

Raha ny amin’izay hahasoa ny zanany lahy, inona no afaka mampanahy ny reny mihoatra noho ny korana anaranam-po sy ny filibana hita ao amin’ilay oha-pitenenana hoe migoka, mifoka, mijangajanga? Tsy niolakolaka ny renin’i Lemoela nilaza hoe: “Aza omena ny vehivavy ny herinao”. Nolazalazainy ho “manimba mpanjaka” ny fitondran-tena maloto.​—Ohabolana 31:3.

Tsy tokony hodian-tsy hita ny fisotroana tafahoatra. “Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela, eny, tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay”, hoy izy nampitandrina. Ahoana no ahafahan’ny mpanjaka hamoaka didim-pitsarana marim-pototra sy mampiseho fahazavan-tsaina, ka tsy ‘hanadino ny lalàna sy hamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana’, raha mamo foana izy?​—Ohabolana 31:4-7.

Mifanohitra amin’izany, fa ho afaka ‘hitsara marina, ary hanome rariny ny ory sy ny malahelo’ ny mpanjaka, amin’ny fitoerana ho afaka amin’ny fahazaran-dratsy toy izany.​—Ohabolana 31:8, 9.

Na dia mety tsy ho “mpanjaka” aza ny tanora kristianina amin’izao andro izao, dia tena tonga amin’ny fotoana ilana azy, na mihoatra noho izany aza, ny torohevitra nomen’ny renin’i Lemoela. Fatra-piely eo amin’ny tanora ankehitriny ny fisotroana tafahoatra, ny fampiasana sigara na paraky, ary ny fahalotoam-pitondran-tena, ka tena iankinan’ny aina, ho an’ny tanora kristianina, ny hihainoany tsara, rehefa manome “teny mavesa-danja” ho azy ireo ny ray aman-dreniny.

Vehivavy mahay

Rariny raha manahy ny amin’izay ho vadin’ny zanany lahy, izay efa ho tonga olon-dehibe, ny reny. Izao dia nampitodika ny sainy ho amin’ireo toetra tsaran’ny vehivavy vady filamatra, ny renin’i Lemoela. Tsy isalasalana fa handray soa be dia be ny tovolahy iray amin’ny fandinihana ny fomba fijerin’ny vehivavy an’io raharaha lehibe io.

Eo amin’ny andininy faha-10 (fanamarihana ambany pejy), ny “vehivavy mahay” dia toy ny perla sarobidy tsy fahita firy, izay tsy azo raha tsy nanaovana fiezahana be, tamin’ny andron’ny Baiboly. Mitovy amin’izany koa fa mitaky fiezahana ny fahitana vehivavy mahay. Haneho fahendrena ny tovolahy iray raha maka fotoana ampy mba hifantenana, toy izay hirotoroto ho amin’ny fanambadiana. Amin’izay dia ho azo antoka kokoa fa hihevitra ho tena sarobidy izay nofidiny izy.

Momba ny vehivavy mahay, dia izao no nambara tamin’i Lemoela: “Matoky azy ny fon’ny lahy”. (Andininy faha-11). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe tsy tokony hanizingizina izy fa tsy maintsy mahazo ny fanekeny amin’ny zava-drehetra ilay vehivavy vadiny. Mazava ho azy fa tokony hiara-midinika ny mpivady, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe, toy ny fividianana zavatra lafo vidy, na ny fitaizana ny ankizy. Mandray anjara amin’ny fifandraisan’izy mivady am-po ny fifampiresahana eo amin’ireo lafiny ireo.

Manan-javatra maro atao, mazava ho azy, ny vehivavy mahay. Tanisaina eo amin’ny andininy faha-13 ka hatramin’ny faha-27 ny torohevitra sy ny foto-pitsipika azon’ny vehivavy vady, na taloha na ankehitriny, arahina, mba ho tombontsoan’ny fianakaviany. Ohatra, noho ny fisondrotan’ny vidin’ny fitafiana sy ny kojakojany, ny vehivavy mahay dia mianatra ny hiasa amin’ny tanany sy hahay hitsitsy, mba ho ampy sy tsara ny fitafian’ny fianakaviany. (Andininy faha-13, 19, 21, 22). Mba hampihenana ny vola lanin’ny fianakaviana amin’ny sakafo, dia mamboly izay azony ambolena sy miantsena amim-pitandremana izy.​—Andininy faha-14, 16.

Miharihary fa “tsy homana ny mofon’ny fahalainana” io vehivavy io. Miasa mafy izy, ary mandamina amim-pahombiazana ny raharaha ao an-tokantranony. (Andininy faha-27). “Misikina hery izy”, izany hoe miomana hanao asa mitaky herim-batana. (Andininy faha-17). Mifoha alohan’ny hiposahan’ny masoandro izy mba hanombohany ny andro fiasany, ary miasa amim-pahazotoana mandra-pahalin’ny andro. Toy ny hoe mirehitra foana ny jiro manazava ny asany.​—Andininy faha-15, 18.

Ambonin’ny zava-drehetra, dia olona araka ny fanahy ny vehivavy mahay. Matahotra an’Andriamanitra izy, sady manompo azy amim-panajana lalina sy amin-tahotra mahasoa. (Andininy faha-30). Manampy ny vadiny hampiofana ny zanak’izy ireo mba hanao toy izany koa izy. Ny andininy faha-26 dia milaza izao: “Amin’ny fahendrena” no ampianarany ny zanany, ary “ny lalàn’ny famindrampo no eo amin’ny lelany”.

Lehilahy mahay

Mba hanintonana vehivavy mahay iray, dia hila ny hiantsoroka ireo andraikitry ny lehilahy mahay i Lemoela. Nampahatsiahy azy ny maromaro tamin’ireny ny renin’i Lemoela.

Nahazo tatitra tsara avy tamin’ireo “loholona” tao an-tanàna ny lehilahy mahay. (Ohabolana 31:23). Midika izany fa izy dia olona mahavita zavatra, milaza ny marina, mendri-pitokisana, ary matahotra an’Andriamanitra. (Eksodosy 18:21; Deoteronomia 16:18-20). Tamin’ny naha toy izany azy, dia ho “fantatra eo am-bavahady” (NW ) izy, toerana izay nivorian’ireo lehilahy mitana toerana ambony mba hikarakarana ny raharaha tao an-tanàna. Noho izy “fantatra” ho lehilahy natahotra an’Andriamanitra, dia tsy maintsy ho nahalala ny antonony izy, ary niara-niasa tamim-pirindrana tamin’ireo loholona tao “an-tanàna” (NW ), izay nety hidika hoe distrika na faritra.

Tsy isalasalana fa avy tamin’ny zavatra niainany manokana no nampahatsiahivan’ny renin’i Lemoela ny zanany lahy ny amin’ny maha zava-dehibe ny hanehoany fankasitrahana ilay ho vadiny. Tsy hisy olona eto ambonin’ny tany holalainy toa azy. Alao sary an-tsaina àry ny fihetseham-pony lalina, hita taratra teo amin’ny toe-peony, rehefa niaiky teo anatrehan’ny rehetra izy hoe: “Maro no zazavavy nanao soa, fa hianao manoatra noho izy rehetra.”​—Ohabolana 31:29.

Miharihary fa nankasitraka ny torohevitra feno fahendrena nomen-dreniny i Lemoela. Marihintsika, ohatra, fa eo amin’ny andininy voalohany izy dia manondro ny tenin-dreniny ho toy ny teniny ihany. Noho izany, dia noraisiny am-po ny ‘fananarana’ nomeny, ary nandraisany soa ny torohevitra avy taminy. Enga anie isika koa mba handray soa avy amin’io “teny mavesa-danja” io, amin’ny fampiharantsika ireo foto-pitsipiny eo amin’ny fiainantsika.

[Sary, pejy 31]

Tsy mihinana “ny mofon’ny fahalainana” ny vehivavy mahay