Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toy ny Ando ve ny Hafatra Torinao?

Toy ny Ando ve ny Hafatra Torinao?

TENA ilaina ny fitoriana ataontsika. Tsy ny olona rehetra anefa no mahafantatra an’izany. Mety ho liana amin’izay lazain’ny Baiboly ihany izy ireny, nefa tsy azony hoe nahoana izy io no tokony hianarana.

Tsy nanaiky hianatra Baiboly, ohatra, i Gavin nefa efa nivory. Hoy izy: ‘Tsy te hitsotra aho hoe zara raha nahay Baiboly. Tsy te ho voafitaky ny fivavahana mantsy aho sady tsy te ho voafatopatotra.’ Ahoana ny hevitrao? Mety tsy hiova intsony ve i Gavin? Tsia! Mety hisy vokany tsara amin’ny olona ny zavatra ampianarin’ny Baiboly. Hoy mantsy i Jehovah: “Hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, eny, tahaka ny erika eny amin’ny ahitra.” (Deot. 31:19, 30; 32:2) Azo oharina amin’ny ando ny hafatra torintsika. Hodinihintsika àry ny zavatra mampiavaka ny ando, satria hanampy antsika hahay hitory amin’ny karazan’olona rehetra izany.—1 Tim. 2:3, 4.

TOY NY ANDO NY HAFATRA TORINTSIKA

Malefaka ny ando. Piti-drano avy amin’ny hamandoana eny amin’ny rivotra ny ando, ary milatsaka tsikelikely. Tsy nasiaka sady nalemy fanahy i Jehovah rehefa niresaka tamin’ny vahoakany, ka ‘nilatsaka tahaka ny ando’ ny teniny. Manahaka azy isika raha manaja ny hevitry ny olona. Ampirisihintsika handinika tsara ilay olona, ary avy eo izy ihany no hanapa-kevitra. Handaitra kokoa amin’izay ny zavatra lazaintsika sady ho mora amin’ny olona ny hanaiky azy.

Mahafinaritra ny ando. Hahafinaritra ny olona ny hafatra torintsika raha saintsainintsika mialoha izay azo atao mba ho liana kokoa izy. Rahalahy iray atao hoe Chris no nampirisika an’i Gavin hianatra Baiboly. Tsy nanery azy anefa i Chris, fa nataony izay hahatonga azy hazoto kokoa hiresaka momba ny Baiboly. Nohazavainy tamin’i Gavin fa hevi-dehibe iray ihany no asongadina ao, ary ho azony tsara ny zavatra ianarana any am-pivoriana raha fantany ilay izy. Nolazainy tamin’i Gavin koa hoe resy lahatra izy fa marina ny Baiboly rehefa hitany hoe tanteraka ny faminaniana voalaza ao. Nifampiresaka imbetsaka momba izany àry izy roa lahy. Nahafinaritra an’i Gavin ilay resaka, ka nanaiky hianatra Baiboly ihany izy.

Mamelona ny zavamaniry ny ando. Tsy misy orana any Israely mandritra ny volana maromaro, ka mafana be sady maina. Malazo sy maty àry ny zavamaniry raha tsy misy ando. Misy hain-tany ara-panahy koa ankehitriny, araka ny efa nolazain’i Jehovah. Tsy mahafantatra ny Teniny mantsy ny olona ka te handre izany. (Amosa 8:11) Nampanantena anefa i Jehovah fa ho ‘toy ny ando avy aminy’ ny voahosotra, satria hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Hanampy azy ireo amin’izany ny “ondry hafa.” (Mika 5:7; Jaona 10:16) Manampy ny olona hahazo fiainana mandrakizay io vaovao tsara io. Mihevitra azy io ho zava-dehibe àry ve ianao?

Fitahiana avy amin’i Jehovah ny ando. (Deot. 33:13) Hahazo fitahiana izay mihaino antsika rehefa mitory isika. Voavaly daholo, ohatra, ny fanontanian’i Gavin rehefa nianatra Baiboly izy. Vetivety izy dia natao batisa, ary mahafinaritra azy sy Joyce vadiny izao ny mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.

Rakotra ando ny tany satria mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah

ATAOVY TSARA NY FANOMPOANAO

Hazoto hitory koa isika raha mitadidy hoe tena zava-dehibe ny fanompoana ataontsika tsirairay. Nahoana? Tsy misy vokany firy ny piti-drano iray. Mahamando tsara ny tany kosa izy ireny rehefa mitambatambatra. Mety hieritreritra koa isika hoe tsy dia misy dikany ny zavatra vitantsika eo amin’ny fanompoana. Hahare ny vaovao tsara anefa ny “firenena rehetra” rehefa miara-mitory azy io daholo ny mpanompon’i Jehovah. (Mat. 24:14) Ataovy toy ny ando àry ny zavatra torinao, izany hoe malefaka sy mahafinaritra ary manampy ny olona hahazo fiainana mandrakizay. Hotahin’i Jehovah amin’izay ny olona itorianao.