Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) APRILY 2016

Zavatra Tsara Foana ve no Saintsaininao?

Zavatra Tsara Foana ve no Saintsaininao?

INONA àry izany? Iray kilao mahery eo ho eo monja ny lanjany, nefa izy io no lazain’ny manam-pahaizana fa ‘be pitsiny indrindra amin’ny zavatra rehetra hitan’izy ireo hatramin’izay.’ Tsy inona izany fa ny atidohan’ny olombelona. Tena mahavariana izy io! Raha miezaka mamantatra azy io isika, dia vao mainka hahita fa tena ‘mahatalanjona ny asan’i Jehovah.’ (Sal. 139:14) Maro ny zavatra vitan’ny atidoha, fa iray amin’izany ihany no hodinihintsika ato.

Vitan’ny atidohantsika ny maka sary an-tsaina zavatra mbola tsy nisy, na zavatra mahafinaritra, na zavatra mbola tsy hitantsika na niainantsika mihitsy. Efa fanaontsika mihitsy àry ny maka sary an-tsaina. Misy toerana mbola tsy nalehanao ve, ohatra, nefa naheno momba azy io ianao na namaky lahatsoratra momba azy io? Azo antoka fa tonga dia naka sary an-tsaina an’ilay izy ianao. Efa maka sary an-tsaina ianao rehefa mieritreritra zavatra mbola tsy hitanao, na renao, na nohaninao, na nokasihinao, na nofofoninao.

Milaza ny Baiboly fa nanao antsika araka ny endriny Andriamanitra. (Gen. 1:26, 27) Midika izany fa mahay maka sary an-tsaina hoatr’antsika izy. Matoa koa isika nataony manana an’izany fahaizana izany, dia tiany hampiasaintsika mba hamantarana ny sitrapony izy io. (Mpito. 3:11) Inona anefa no tsy tokony hataontsika, ary inona no tokony hosaintsainintsika?

INONA NO TSY TOKONY HATAO?

1) Manonofinofy amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana an’izany na manonofinofy zava-dratsy.

Tsy ratsy ny manonofinofy. Na ny manam-pahaizana aza mahita fa mahasoa izany. Milaza anefa ny Mpitoriteny 3:1 fa “misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra.” Midika izany fa mety hisy olona hanao zavatra iray amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana an’izany. Andeha hatao hoe mivory ianao na mianatra samirery. Ahoana anefa raha variana manonofinofy ianao amin’izay? Hahasoa anao ve izany sa tsia? Nampitandrina koa i Jesosy fa mety ho loza ny vokany raha variana mieritreri-dratsy isika, ohatra hoe mieritreritra zavatra vetaveta. (Mat. 5:28) Mety ho zavatra tena tsy tian’i Jehovah no alaintsika sary an-tsaina. Tadidio fa mety hijangajanga ianao amin’ny farany, raha zatra manonofinofy zavatra vetaveta. Esory avy hatrany àry izay eritreri-dratsy tonga ao an-tsainao, satria mety hahatonga anao hivadika amin’i Jehovah izany.

2) Mieritreritra hoe ny harena no mahasambatra.

Mahasoa sady ilaina ny vola na ny fananana hafa. Tena ho diso fanantenana anefa isika raha mieritreritra hoe ireo no tena miaro ny aintsika sady mahasambatra. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Amin’ny mpanana dia toy ny tanàna voaro mafy ny harenany. Heveriny fa manda  fiarovana izany.” (Ohab. 18:11) Eritrereto, ohatra, izay nitranga rehefa nisy tondra-drano be tany Manille, any Philippines, tamin’ny Septambra 2009. Tsy naninona ve ny mpanankarena tamin’izay? Potika ny ankamaroan’ny fananan’ny lehilahy iray mpanankarena. Nilaza izy fa ‘voa daholo na ny mahantra na ny manankarena. Samy nijaly sy nahita olana daholo izy rehetra.’ Diso àry isika raha mieritreritra fa ny vola aman-karena no tena mahasambatra sy miaro antsika.

3) Manahy be loatra momba ny zavatra mety tsy hitranga akory.

Nilaza i Jesosy fa tsy tokony hanahy be loatra isika. (Mat. 6:34) Lasa miasa be ny saintsika rehefa manahy foana isika. Ho reraka fotsiny anefa isika raha olana mbola tsy nitranga akory na mety tsy hitranga mihitsy no mampanahy be antsika. Milaza ny Baiboly fa mahakivy izany, ary mety hankarary mihitsy aza. (Ohab. 12:25) Aleo àry manaraka an’ilay torohevitr’i Jesosy hoe aza manahy be loatra fa ny androany ihany aloha atrehina.

INONA NO TOKONY HOSAINTSAININA?

1) Misaintsaina ny mety ho voka-dratsin’ny zavatra tianao hatao sy ny fomba hialana amin’ilay izy.

Mampirisika antsika ho malina sy hitsinjo lavitra ny Baiboly. (Ohab. 22:3) Azontsika alaina sary an-tsaina hoe inona no mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra tiantsika horaisina. Ahoana, ohatra, raha nisy nanasa anao hiara-mikorana aminy? Inona no hanampy anao hanapa-kevitra hoe ho any sa tsia? Eritrereto aloha hoe iza avy no voasa, firy ny olona ho any, aiza ilay izy no hatao, ary rahoviana. Mieritrereta avy eo hoe: ‘Inona no mety hitranga any? Tsy hisy zava-dratsy ve any na zavatra mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly?’ Raha manao an’izany ianao, dia ho azonao an-tsaina ny zavatra mety hitranga any amin’ilay fiaraha-mikorana. Tsy hanao zavatra mety hahatonga anao hivadika amin’i Jehovah ianao, raha mieritreritra tsara vao manapa-kevitra.

2) Mamerimberina ao an-tsaina hoe ahoana no handaminana olana.

Mahay miatrika olana sy mandamina an’izany ny olona rehefa mahay mampiasa ny sainy. Andeha hatao hoe misy mpiara-manompo tsy mifankahazo aminao, ka te hamitram-pihavanana ianao. Ahoana no hataonao? Saintsaino aloha ireto: ‘Manao ahoana ny fomba firesany? Rahoviana no fotoana mety indrindra hiresahana aminy? Inona avy no holazaiko, ary tokony  hanao ahoana ny feoko rehefa miteny an’ilay izy aho?’ Raha mieritreritra tsara ianao, dia hahita fomba isan-karazany handaminana an’ilay olana, ary ho afaka hamerimberina an’izany ao an-tsainao. Ho hitanao avy eo hoe inona no hevitra mety indrindra nefa tsy hampahatezitra azy. (Ohab. 15:28) Hampiray saina ny fiangonana ianao, raha misaintsaina hoatr’izany alohan’ny handaminana olana. Tsy aleo ve zavatra tsara toy izany no ampiasana ny saina?

3) Misaintsaina an’izay zavatra ianaranao ao amin’ny Baiboly, mba ho betsaka kokoa ny soa ho azonao.

Tena ilaina ny mamaky Baiboly isan’andro. Tsy ampy anefa ny hoe mamaky pejy maromaro fotsiny, fa mila mandinika isika hoe inona no lesona azontsika raisina. Tokony ho vonona hampihatra an’ilay izy isika avy eo. Tokony hataontsika koa izay hahatonga antsika hankasitraka kokoa an’i Jehovah. Hahavita izany isika raha misaintsaina tsara. Ahoana izany? Diniho, ohatra, ireo tantara ao amin’ny boky Tahafo ny Finoan’izy Ireo. Manampy antsika haka sary an-tsaina ny zavatra niainan’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny ny tantara ao. Ampirisihina isika ao mba haka sary an-tsaina ny fihetseham-pon’izy ireo, ny feo reny, ny fofona henony, ary ny zava-nitranga tamin’izany. Inona no vokatr’izany? Mahita lesona tsara sy hevitra mampahery isika, na dia ao amin’ireo tantara heverintsika hoe efa haintsika tsara aza. Miezaha àry mba hisaintsaina toy izany rehefa mamaky na mianatra Baiboly, dia handray soa betsaka kokoa ianao.

4) Misaintsaina hoe ahoana no hatao mba hahaizana miara-ory amin’olona.

Ny hoe miara-ory, dia mangoraka olona mijaly, ka toy ny hoe mihatra amintsika mihitsy ny zavatra mahazo azy. Mangoraka an’izay mijaly i Jehovah sy Jesosy, ka tokony hanahaka azy ireo isika. (Eks. 3:7; Sal. 72:13) Ahoana no hahavitantsika an’izany? Mila mahay maka sary an-tsaina an’izay manjo ny hafa isika, na dia mbola tsy nanjo antsika mihitsy aza ilay izy. Saintsaino, ohatra, hoe: ‘Inona re no ho tsapako raha izaho no tratran’izany e? Inona no mety ho nilaiko?’ Hahay hiara-ory amin’ny hafa isika raha misaintsaina an’ireo. Mahasoa antsika foana io toetra io, ohatra hoe rehefa manompo isika na rehefa mifandray amin’ny Kristianina hafa.

5) Misaintsaina ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao.

Resahina amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Baiboly ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. (Isaia 35:5-7; 65:21-25; Apok. 21:3, 4) Feno sary tsara tarehy mampiseho an’izany koa ao amin’ireo bokintsika. Mahasoa antsika ireny sary ireny, satria manampy antsika haka sary an-tsaina ny fiainantsika ao amin’ny tontolo vaovao. I Jehovah no namorona ny atidoha, ka izy no tena mahafantatra hoe misy vokany be amintsika ny zavatra saintsainintsika. Raha misaintsaina ny fampanantenany àry isika, dia hatoky hoe tsy maintsy ho tanteraka izy ireny. Hanampy antsika tsy hivadika mihitsy izany, na dia miaritra ny mafy aza isika.

Tia antsika i Jehovah ka nataony mahay maka sary an-tsaina isika. Manampy antsika hahavita tsara ny fanompoana azy io fahaizana hafakely io. Enga anie isika hahay hankasitraka an’i Jehovah, ka hampiasa tsara azy io isan’andro.