Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanànan’i Astana

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Kazakhstan

Fitsidihana An’i Kazakhstan

MPIFINDRAFINDRA monina ny mponin’i Kazakhstan, taloha. Na hatramin’izao aza any mbola misy mpiompy mitondra ny bibiny mitety kijana, arakaraka ny fizaran-taona. Mankeny amin’ny havoana mangatsiatsiaka izy ireo rehefa vanin-taona mafana. Rehefa ho avy kosa ny ririnina ka hirotsaka ny lanezy, dia mankeny amin’ny tany lemaka izy ireo satria mafana kokoa eny.

Mipetraka any an-tanàn-dehibe ny mponina sasany. Hita amin’ny fomba amam-panao sy ny asa tanana ary ny sakafo any anefa hoe mpifindrafindra monina ny razambeny. Betsaka ny poezia sy ny hira amin’ny teny kazakh. Eo koa ny mozika lalaovina amin’ny zavamaneno eo an-toerana.

Nipetraka tamin’ny tranolay antsoina hoe yourte ireo mpifindrafindra monina. Hita hoe nanaja ny tontolo iainana izy ireo, ka tena fakan-tahaka. Mbola tian’ny mpiandry ondry any ny tranolay yourte, ary matetika izy ireny no ampiasain’ny mponina any an-drenivohitra rehefa fotoan-dehibe. Ao amin’izy ireny ny vehivavy no mampiranty ny asa tanany, toy ny peta-kofehy sy lamba voatenona ary môkety. Mety tsara ho an’ny mpizaha tany koa io tranolay io.

Ao anatin’ny tranolay yourte

Tena tian’ny fianakaviana any ambanivohitra ny miompy soavaly. Misy 21, fara fahakeliny, ny teny iantsoana azy ireny, ary samy manana ny heviny ny teny tsirairay. Teny sy fomba fiteny 30 mahery no entina ilazana ny lokon’ny soavaly. Fanomezana lafo vidy sy be mpitia ny soavaly tsara tarehy. Mbola kely ny ankizilahy any ambanivohitra dia efa mianatra mitaingin-tsoavaly.

Misy hena foana ny sakafo kazakh, ary tsy misy zava-manitra. Anisan’ny zava-pisotro be mpankafy ny koumis, izay vita avy amin’ny rononon-tsoavaly. Voalaza fa mahasalama izy io. Eo koa ny shubat, izay vita avy amin’ny rononon-drameva. Be otrikaina izy io sady marikivikivy.

Misy biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Almaty. Azon’ny rehetra tsidihina izy io.

Any an-tendrombohitr’i Kazakhstan ny leopara mahatanty lanezy no mipetraka rehefa vanin-taona mafana