Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandeha Miady?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandeha Miady?

Tsy mandeha miady ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ireto antony ireto:

  1. Mankatò an’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa “hanefy ny sabany ho angadinomby” ny mpanompon’Andriamanitra, sady “tsy hianatra ady intsony.”—Isaia 2:4.

  2. Mankatò an’i Jesosy. Hoy i Jesosy tamin’ny apostoly Petera: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Matio 26:52) Nasehon’i Jesosy àry fa tsy tokony handray fitaovam-piadiana ny mpanara-dia azy.

    Nandidy ny mpianany koa i Jesosy hoe tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” izy ireo. Ankatoavin’izy ireo izany ka tsy midikiditra amin’ny politika izy ireo. (Jaona 17:16) Tsy toherin’izy ireo koa ny zavatra ataon’ny miaramila, ary tsy sakanan’izy ireo izay te hanao miaramila.

  3. Tia ny mpiara-belona. Nandidy ny mpianany mba ‘hifankatia’ i Jesosy. (Jaona 13:34, 35) Lasa toy ny fianakaviana iray maneran-tany àry izy ireo, ka tsy mandeha miady mba hamonoana ny rahalahiny sy ny anabaviny.—1 Jaona 3:10-12.

  4. Manahaka an’ireo Kristianina voalohany. Hoy Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana sy ny Ady (anglisy): ‘Tsy nety nandeha niady sy nanao miaramila ny mpianatr’i Jesosy voalohany, satria nampianariny hifankatia sy ho tia ny fahavalony.’ Nilaza ilay teolojianina alemà atao hoe Peter Meinhold fa tamin’ny mpianatr’i Jesosy voalohany, dia “tsy nety mihitsy ny hoe sady Kristianina no miaramila.”

Manasoa ny fiaraha-monina

Tena mahasoa ny fiaraha-monina ao amin’ny tany misy azy ny Vavolombelon’i Jehovah, sady tsy mampidi-doza. Manaja ny manam-pahefana izahay, satria mankatò an’ireto toro lalan’ny Baiboly ireto:

  • ‘Ekeo ny manam-pahefana.’—Romanina 13:1.

  • “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”—Matio 22:21.

Mankatò lalàna àry izahay, mandoa hetra, ary manaiky ny ezaka ataon’ny manam-pahefana mba hanasoavana ny vahoaka.

 

Fanampim-panazavana

Manaja ny Zon’ireo Tsy Mety Hanao Miaramila ny Fitsarana Eoropeanina

Namoaka didim-pitsarana miavaka ny Fitsarana Eoropeanina, ary misy vokany be any amin’ny firenena eoropeanina rehetra izany.