Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Lazain’ny Olona?

Ahoana no Lazain’ny Olona?

Frantsa

“Manaja ny lalàna eto amin’ny tanintsika ny Vavolombelon’i Jehovah. ... Tsy atahorana hanakorontana ny filaminam-bahoaka izy ireo, tia miasa, mandoa hetra, mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toe-karena, ary manao fanomezana ho an’ireo fikambanana mpanao asa soa. Mahafinaritra ny mahita an’ireo olona samy hafa firazanana sy fiaviana ireo miara-mivory amim-pilaminana. ... Raha Vavolombelon’i Jehovah daholo ny olona, dia tsy hanana asa izahay polisy.”—Mpitondra tenin’ny fikambanan’ny polisy frantsay.

Ukraine

“Mampianatra ny zanany hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fitondran-tena ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampianatra azy ireo izy mba hanalavitra an’izay fanao sy toe-tsaina heverin’ny olona ho ara-dalàna nefa mety hanimba azy sy ny olon-kafa. Mampitandrina ny zanany àry izy ireo hoe mampidi-doza ny fifohana sigara sy zava-mahadomelina ary ny fibobohana toaka. Eken’izy ireo koa fa tena ilaina ny manao ny marina sy miasa mafy. ... Mampianatra ny zanany hanana toetra tsara koa izy ireo, hankatò lalàna, hanaja ny manam-pahefana sy ny olon-kafa sady hanaja ny fananan’izy ireo.”—Ny Tantaran’ny Fivavahana any Ukraine (anglisy), boky navoakan’i Petro Yarotskyi.

Italia

“Olona 30 000 no tao amin’ny Kianja Olympika omaly. ... Tsy nisy fako tetsy sy teroa. Tsy nisy tabataba koa na olona nikiakiaka. ... Tsy nisy nanao fihetsika hafahafa. Tsy nisy sigara tao, na tavoahangy nariariana tetsy sy teroa. Olona nanokatra Baiboly sy nanoratra ihany no hitanao. Ny ankizy koa nipetraka tsara, tsy nitabataba.”—Gazety L’Unità, tatitra momba ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Roma.

‘Mampianatra ny zanany mba hanana toetra tsara sy hankatò lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah’

Grande-Bretagne

“Nilaza ny mpitondra fivavahana ambony iray any Cheltenham fa nila antokon’olona mazoto mandeha mitory tahaka ny Vavolombelon’i Jehovah [ny Eglizy Anglikanina].”—Ny Gazety (anglisy), navoakan’ny Diosezin’i Gloucester.

 Holandy

Nanoratra toy izao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Leeuwarden ny olona mipetraka eny akaikin’ny efitrano fivorian’izy ireo: “Te hidera anareo izahay, satria lasa mahafinaritra eto Noorderweg noho ny zavatra tsara ataonareo. Maotina foana ny fiakanjonareo ary tena mahalala fomba ianareo. Hendry tsara koa ny ankizy. Tsy mametraka ny fiaranareo eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany ianareo, ary tsy manary fako eny an-dalana. Madio sy milamina foana ny manodidina ny toeram-pivorianareo. Tena faly izahay manana anareo, ka manantena fa ho mpiray tanàna foana isika.”

Meksika

Nilaza ny mpikaroka atao hoe Elio Masferrer fa nanampy an’ireo olona ‘mijaly noho ny ataon’ny mpianakaviny’, ny Vavolombelon’i Jehovah. “Anisan’izany ny fametavetana, fampijaliana vady aman-janaka, fahazarana misotro toaka, ary ny fidorohana zava-mahadomelina.” Nilaza koa izy hoe “lasa mahatsiaro ho misy vidiny ny olona ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady tsy manana olana lehibe intsony satria manao zavatra ankasitrahan’Andriamanitra.”—Gazety Excélsior.

‘Olona samy hafa firazanana sy fiaviana miara-mivory amim-pilaminana’

Brezila

Nilaza ny gazety iray fa “tena miavaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Madio foana ny toerana ivoriany. Voalamina tsara ny zava-drehetra. ... Lasa madio kokoa noho ny taloha ny toerana nohofan’izy ireo hanaovana fivoriana. Tsy misy mitabataba mihitsy mandritra ny lahateny. Tsy mifanosika izy ireo. Mahalala fomba ny rehetra. ... Milamina tokoa izany raha fivavahana. Hain’izy ireo tsara ny atao hoe mivavaka amin’Andriamanitra.”—Gazetiboky Comércio da Franca.

Tena mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Mpamorona no tena mahalala ny toro lalana tokony harahin’ny olombelona noforoniny. (Isaia 48:17, 18) Ny Mpamorona àry no omen’izy ireo voninahitra, rehefa misy midera azy ireo noho ny fitondran-tenany. Hoy mantsy i Jesosy: ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’—Matio 5:16.