Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! 2010-08

Fanontaniana Fametraky ny Olona

Fanontaniana Fametraky ny Olona

Nahoana no misy manaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy mahalala ny tena marina fotsiny ny ankamaroan’ny olona. Ny hafa kosa mety ho tsy tia ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fitiavana ny mpiara-belona anefa, raha ny marina, no mahatonga azy ireo hitory, satria fantany fa “izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”—Romanina 10:13.

Inona ny Vavolombelon’i Jehovah? Sekta ve?

Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy Protestanta anefa izy ireo na Katolika. Hitan’izy ireo mantsy fa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny sasany amin’ny fampianaran’ireo fivavahana ireo. Tsy milaza, ohatra, ny Baiboly hoe mampijaly olona mandrakizay ao amin’ny afobe ilay Andriamanitra fitiavana. Tsy voalaza ao koa hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona.—Salamo 146:3, 4; Romanina 6:23. *

Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah, satria manahaka an’i Kristy izy ireo eo amin’ny fiainany isan’andro. Tsy nitsabaka tamin’ny politika, ohatra, i Kristy sy ny Kristianina voalohany, ary nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 4:43; Jaona 15:19; 17:14) Tsy manao politika koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Miresaka amin’ny olona tsirairay izy ireo rehefa mitory, ary mampisaintsaina sy manome porofo marim-pototra tahaka ny Kristianina voalohany.—Asan’ny Apostoly 19:8

Antokom-pivavahana niala tamin’ny fivavahana lehibe iray no atao hoe sekta. Tsy antokom-pivavahana niala tamin’ny fivavahana lehibe anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka noho izany dia tsy sekta izy.

Inona no ataon’izy ireo rehefa mivory?

Mianatra Baiboly no tena ataon’izy ireo any. Azon’ny olona rehetra atrehina ireny fivoriana ireny, ary matetika no afaka mandray anjara ny mpanatrika. Anisan’ny fivoriana fanaon’izy ireo isan-kerinandro, ohatra, ny Sekolin’ny Fanompoana. Manampy azy ireo izy io mba hahay hampianatra sy hamaky teny ary hanao fikarohana. Eo koa ny lahateny ara-baiboly antsasak’adiny, izay iresahana foto-kevitra mety hahaliana ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah. Misy fianarana Baiboly amin’ny alalan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana  aorian’izay. Atomboka sy faranana amin’ny hira sy ny vavaka ny fivoriana. Tsy misy fangataham-bola na fanantazan-drakitra any.—2 Korintianina 8:12.

Ahoana no ahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah vola?

Fanomezana ara-bola atao an-tsitrapo no mampandeha ny asan’izy ireo. Tsy andoavam-bola ny fotoam-pivavahana ataon’izy ireo amin’ny batisa, na fampakaram-bady, na fandevenana, na amin’ny toe-javatra hafa. Tsy asaina mandoa ampahafolon-karena koa izy ireo. Izay te hanome vola kosa dia afaka mandrotsaka izany ao amin’ny boaty iray tsy dia miharihary, ao amin’ny efitrano fivorian’izy ireo. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no manamboatra ny boky sy gazety ara-baiboly ampiasainy, ka mampihena ny fandaniana izany. Mpiasa an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo manorina ny efitrano fivoriany sy manorina ny biraon’ny sampany.

Manaiky hotsaboina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Eny. Miezaka hahazo ny fitsaboana tsara indrindra izy ireo, na ho an’ny tenany izany na ho an’ny mpianakaviny. Maro amin’izy ireo no dokotera, mpandidy, na mpitsabo mpanampy. Tsy manaiky hampidiran-dra anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, satria milaza ny Baiboly hoe: ‘Fadio ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Mihabetsaka koa ny mpitsabo mihevitra fa ny fitsaboana tsy ampiasana ra no tsara indrindra. Ahafahana misoroka aretina maro azo avy amin’ny ra mantsy izany.

^ feh. 5 Misy fanazavana ara-baiboly momba an’ireo foto-kevitra ireo sy ny maro hafa ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.