Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Velona Indray ve ny Maty?

Ho Velona Indray ve ny Maty?

 Ho Velona Indray ve ny Maty?

TAMIN’NY Febroary 1987, dia tapa-kevitra ny rangahy iray 85 taona fa tsy hanao dializy intsony. Fitsaboana natao hanadiovana ny rany izy io, ary io no nitana ny ainy. Niala aina moramora izy, tapa-bolana tatỳ aoriana. Teo akaikiny foana ny zanany lahitokana, mandra-pahafatiny.

Nisy zavatra tsy nampitovy hevitra azy mianaka taloha, ary noresahiny indray ilay izy tamin’ny fotoana faramparany niarahany. Niady hevitra ry zareo hoe ho velona indray ve ny maty. Nanao fianarana ambony ilay rangahy. Nianatra momba ny evolisiona izy, ka nisalasala raha misy Andriamanitra na tsia. Tsy tia maizina fivavahana koa izy, satria mihatsaravelatsihy, hono, ny mpivavaka. Tsy tena nino àry izy hoe ho velona indray ny maty.

Ilay zanany kosa nanazava, fa tena ho velona indray ny maty. Te hampionona sy hampahery an-drainy mantsy izy. Niaiky ihany ilay rangahy, taloha kelin’ny nahafatesany, fa te ho velona indray izy raha matanjaka sy salama.

Fampiononana ho antsika

Tiantsika ny ho velona indray aorian’ny hahafatesantsika, raha matanjaka sy salama isika amin’izay, ary tontolo milamina no hisy antsika. Tsy toy ny biby isika. “Tsy misaina” mantsy izy ireny. (2 Petera 2:12) Isika kosa mandevina ny maty, ary mieritreritra ny hoavy. Tsy te ho antitra sy harary ary ho faty isika. Zavatra tsy azo ialana anefa ireo.

Mampalahelo antsika ny mieritreritra hoe tsy maintsy ho faty isika na ny havantsika. Milaza amintsika anefa ny Baiboly mba tsy hatahotra ny fahafatesana. Hoy izy io: “Aleo mankany amin’ny trano misy fisaonana toy izay mankany amin’ny trano misy fanasana.” Mampirisika antsika “hisaintsaina” mihitsy aza ny Baiboly, rehefa misy maty. (Mpitoriteny 7:2) Nahoana?

Te ho velona foana mantsy isika, ary te ho sambatra. Voajanahary izany. Tsy misy te ho faty isika, ka tena mafy ny manaiky hoe tsy maintsy ho faty. Nahoana? Hoy ny Baiboly: ‘Ny mandrakizay dia efa nataon’Andriamanitra tao am-pon’ny olona.’ (Mpitoriteny 3:11, Fandikan-teny Protestanta) Nahoana àry isika no maniry mafy ny ho velona foana? Satria efa fikasan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny hiainantsika mandrakizay. Mbola hovelominy indray àry ve ny maty? Ary ho salama sy ho sambatra ve izy ireo?

Nahoana isika no afaka mino an’izany?

Tamin’ny herintaona, dia namoaka lahatsoratra hoe “Ho Velona Indray ve ny Maty?”, ny Fikambanan’ny Zokiolona Amerikanina. Nanadinadina olona 50 taona mahery io fikambanana io, ka ‘efa ho 73 isan-jato no nilaza hoe mino fa ho velona indray ny maty.’ Efa ho 25 isan-jato kosa no nilaza fa tsy mino an’izany. Tena izay ve anefa no ao an-tsain’izy ireo?

Resahin’ilay lahatsoratra fa niteny toy izao i Tom, Katolika any New York: ‘Marina aloha fa milaza ny mpitondra fivavahana hoe ho velona indray ny maty e! Fa izao fotsiny no teniko: Samy milaza izay tiany holazaina daholo ny olona, fa ianao ihany no mila manapa-kevitra hoe inona no hinoanao. Lazaiko aminareo fa mandeha mivavaka foana aho. Mety hieritreritra àry ny olona fa mino aho hoe ho velona indray ny maty. Tsy mino an’izany anefa aho. Kanefa... hoatran’ny ho tsara ihany raha tena hisy izany!’

 Maro àry no tsy tena mino fa ho velona indray ny maty. Toa zava-mahagaga loatra izany aminy. Imbetsaka, ohatra, ilay rangahy voaresaka teny aloha no nilaza tamin’ilay zanany hoe: “Izay tsy mahazaka ny fahoriana vokatry ny fahafatesana ihany no mino izay lazain’ny fivavahana.” Nandinika ny zavaboary anefa izy sy ny olon-kafa toa azy, ka tsy maintsy niaiky fa tena misy Andriamanitra iray faran’izay mahery, ary mahavita zava-mahagaga.

Ity misy ohatra: Vao feno roatokombolana ny zaza ao am-bohoka, dia efa miforona ny selan’ny atidohany. Mitombo haingana ny isan’ireo sela ireo, ka mahatratra 250 000 isa-minitra indraindray! Teraka ilay zaza, sivy volana atỳ aoriana, ary mahavita miana-javatra be dia be sady tsy voafetra mihitsy ny atidohany. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe James Watson, momba ny atidohantsika: “Mbola tsy nahita zavatra be pitsiny noho ny atidoha ny olona hatramin’izao.”

Talanjona ny ankamaroan’ny olona, rehefa mieritreritra ny zava-mahagaga toy izany. Ary ianao? Azo inoana àry fa hainao ny mamaly an’ity fanontanian’ny lehilahy iray fahiny ity: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?” Izy ihany avy eo no namaly ny fanontaniany. Tsy nisalasala izy nilaza tamin’Andriamanitra hoe: “Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.”—Joba 14:14, 15.

Inona àry no porofo fa tena ho velona indray ny maty?