Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te ho Salama Daholo Isika!

Te ho Salama Daholo Isika!

Te ho Salama Daholo Isika!

MAHERIN’NY 2 700 taona lasa izay, dia nilaza i Isaia mpaminany fa ho avy ny fotoana tsy hisian’ny aretina intsony. Tsy hisy hitaraina intsony hoe: “Marary aho.” Voatahiry hatramin’izao io faminaniana io, ary hita ao amin’ilay boky tranainy mitondra ny anarany. Hoy koa izy: “Hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” (Isaia 33:24; 35:5, 6) Mbola misy faminaniana hafa toy izany koa ao amin’ny Baiboly. Resahin’ny Apokalypsy, ohatra, fa ho avy ny fotoana hanafoanan’Andriamanitra ny fanaintainana.—Apokalypsy 21:4.

Ho tanteraka ve ireo fampanantenana ireo? Ho salama daholo ve ny olona indray andro any, ary tsy hisy intsony ny aretina? Ekena aloha fa salama kokoa noho ny olona fahiny ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Mbola tsy misy anefa ny fahasalamana tonga lafatra. Mbola mampijaly olona maro ihany ny aretina. Ny tahotra azy io fotsiny dia efa mampitebiteby mafy antsika. Ary izao no mampalahelo: Efa mandroso be ny teknolojia, nefa mbola tsy misy afa-miala tanteraka amin’ny aretina isika, na aretin-tsaina izany na aretina ara-batana.

Ny voka-dratsiny eo aminao

Misy voka-dratsiny isan-karazany ny aretina. Miteraka fatiantoka sy mandany vola be, ohatra, izy io. Tsy mitsaha-mitombo izany, ka tena manahy ny olona. Vao haingana, dia nahatratra 500 tapitrisa ny andro fiasana very tany Eoropa, noho ny aretina. Toy izany koa no mitranga any an-tany hafa. Mihena ny asa vita, ary mihamidangana hatrany ny saram-pitsaboana. Samy mizaka ny vokany àry ny rehetra. Matiantoka ny orinasa. Lany vola koa ny fanjakana. Noho izany, dia ampiakarin’ny orinasa ny vidin’ny entany mba hanentsenana ny fatiantoka. Ampiakarin’ny fanjakana koa ny hetra. Iza no tena lany vola amin’ny farany? Isika mpanjifa!

Mampalahelo fa zara raha voatsabo na tsy voatsabo mihitsy ny mahantra matetika. An-tapitrisany no ianjadian’izany atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Matetika izy ireo no tsy mba afaka manatona mpitsabo mahay. Na ny olona sasany any amin’ny tany manankarena koa aza anefa dia sahirana vao voatsabo tsara. Olona 46 tapitrisa, ohatra, any Etazonia no tsy manana fikambanana hiantoka azy, ka miady mafy ny maro aminy vao mahazo fitsaboana tsara.

Tsy hoe matiantoka sy lany vola fotsiny ny olona, rehefa misy marary. Miteraka voka-dratsy hafa izy io, ka ny fijaliana entiny no mafy indrindra amin’izany. Ory isika rehefa mahalala fa efa ho faty noho ny aretina mahazo antsika. Mijaly mafy isika rehefa manaintaina lava. Malahelo isika rehefa mahita olona marary mafy, ary kivy tanteraka rehefa maty havana na namana.

Tena irintsika tsy hisy intsony ny aretina, indray andro any. Te ho salama daholo mantsy isika! Maro no mihevitra fa tena hitranga izany, na dia sarotra inoana aza. Matoky, ohatra, ny olona sasany fa handroso be ny zava-bitan’ny olombelona any aoriana any, ka ho foana ny ankamaroan’ny aretina. Ireo matoky izay lazain’ny Baiboly kosa mino fa Andriamanitra no hanafoana ny aretina, araka ny fampanantenany. Ny olombelona àry ve no hahavita hanafoana ny aretina? Sa Andriamanitra? Inona no havoakan’ny ampitso?