Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hahavita Hanafoana ny Aretina ve ny Mpahay Siansa?

Hahavita Hanafoana ny Aretina ve ny Mpahay Siansa?

Hahavita Hanafoana ny Aretina ve ny Mpahay Siansa?

HAHAVITA hanafoana ny aretina ve ny mpahay siansa? Nilaza mialoha ve ny bokin’i Isaia sy ny Apokalypsy, fa ny olombelona no hahavita hanafoana ny aretina? Misy mihevitra fa mety hitranga tokoa izany, rehefa jerena ny zavatra maro efa vitan’ny olona teo amin’ny sehatry ny fitsaboana.

Miara-miasa izao ny fitondram-panjakana maro sy ny mpanao asa soa ary ny Firenena Mikambana, mba hiadiana amin’ny aretina. Mbola tsy nisy nanao toy izany mihitsy taloha. Miezaka mafy izy ireo manentana ny tany an-dalam-pandrosoana mba hanao vaksiny ny ankizy. Resahin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, fa raha tratra izany tanjona izany, dia ‘ankizy 70 tapitrisa mahery any amin’ny tany faran’izay mahantra no ho vita vaksiny isan-taona, manomboka amin’ny taona 2015. Ho voaro amin’ireto aretina mahafaty ireto izy ireo: tioberkilaozy, difiteria, tetanosy, kohadavareny, kitrotro, bonibony, tazo vony, aretin-tsofina, hepatita B, lefakozatra, aretin’ny vavony sy tsinay, pnemonia, menenzita, ary ilay aretina fahita any Japon, izay mpahazo ny atidoha.’ Ankoatra izany, dia atao izao izay hahazoan’ny olona ny zavatra tena ilainy mba hahasalama azy, toy ny rano fisotro madio sy sakafo tsara kokoa. Ampianarina hitandro fahadiovana koa izy ireo.

Te hanao zavatra bebe kokoa noho ireo anefa ny mpahay siansa. Tena mihatsara izao ny fitsaboana, noho ny teknolojia farany indrindra. Voalaza fa mitombo avo roa heny ny zava-baovao momba ny fitsaboana fantatry ny mpahay siansa, isaky ny valo taona eo ho eo. Andeha isika hijery santionany amin’ireo zava-baovao farany indrindra noforonin’izy ireo sy ny tanjona tiany hotratrarina, mba hiadiana amin’ny aretina.

Fakana sary amin’ny alalan’ny taratra X Efa 30 taona mahery izao no nampiasan’ny dokotera sy ny hopitaly an’ilay fitaovana atao hoe skanera (scanner), izay misy ordinatera. Natao hakana sary ny ao anatintsika izy io. Taratra X no ampiasaina, ary toy ny tena izy izay sary azo. Manampy hamantarana aretina sy handinihana izay zavatra hafa tsy metimety ao anatintsika ireny sary ireny.

Marina fa somary miteraka adihevitra ny fampiasana ny taratra X, noho ny loza aterany. Manantena anefa ny manam-pahaizana, fa hahasoa kokoa ny skanera amin’ny hoavy noho izy io mihatsara hatrany. Hoy i Michael Vannier, mpampianatra momba ny taratra fampiasa amin’ny fitsaboana, any amin’ny Oniversiten’ny Hopitalin’i Chicago: “Tato anatin’ny taona vitsy monja, dia nisy fandrosoana be teo amin’io fitaovana io, ka mila tsy hampino.”

Haingana kokoa izao ny skanera, tsy andaniam-bola be intsony, ary mazava kokoa ny sary azo avy aminy. Haingam-piasa tokoa ny skanera nivoaka farany, ary tena tsara izany, indrindra rehefa ny fo no alaina sary. Tsy mitsahatra mitepo mantsy ny fo, ka nanjavozavo foana taloha ny sarin’izy io nalaina tamin’ny alalan’ny taratra X. Sarotra àry ny nandinika tsara azy ireny. Resahin’ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy) anefa fa mazava kokoa ny sary azo avy amin’ny skanera nivoaka farany. “Ampahatelon-tsegondra monja” mantsy dia “azo sary ny vatana manontolo. Haingana kokoa noho ny fidoboky ny fo izany.”

Afaka mahita tsara ny firafitry ny zava-drehetra ao anatintsika àry ny dokotera. Tsy vitan’izay fa afaka mandinika ny fiasan’ny zavatra simika ao amin’ny faritra iray amin’ny vatana koa izy ireo. Noho izany, dia mety ho hita aloha be ny kansera ao amin’ny olona iray.

Fandidiana amin’ny alalan’ny milina azo baikoina Tanteraka izao ny zavatra sarotra inoana hita ao amin’ny filma sasany. Efa mampiasa milina ary fomba sy azo baikoina mantsy ny dokotera. Efa an’arivony ny fandidiana natao tamin’ny alalan’izy ireny. Tsy voatery mankeo amin’ilay marary ny mpandidy indraindray, fa ilay milina fotsiny no baikoiny avy lavitra. Ahitana fitaovana maromaro miendrika tanana eo amin’izy io. Efa misy fitaovana ilaina amin’ny fandidiana mipetaka amin’ireo tanana. Anisan’izany ny antsy, hety, fakan-tsary, ary fitaovana elektrika fandoroana sela. Mahavita fandidiana faran’izay sarotra ny dokotera noho io zava-baovao io, ary mahavariana fa tsy misy mivaona mihitsy izay ataony. Hoy ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy): “Hitan’ny mpandidy mampiasa io fomba fandidiana io, fa tsy very ra be ny marary, tsy manaintaina firy, tsy atahorana ho tratran’ny aretina hafa vokatry ny fandidiana, tsy mijanona ela any amin’ny hopitaly, ary malaky sitrana. Tsy toy izany kosa ny marary ampiasana fomba fandidiana mahazatra.”

Fampiasana milina faran’izay bitika Mino ny mpanohana an’io teknolojia vaovao io fa tsy ho ela ny mpahay siansa dia hahavita milina faran’izay bitika azo atsofoka ao anatintsika, mba hitsabo izay tsy metimety ao. Hahitana ordinatera faran’izay bitika efa misy toromarika mazava tsara ao anatin’ilay milina. Hahavariana tokoa io milina tena ary fomba io. Bitika dia bitika tokoa mantsy ny fitaovana ao anatiny, ka na milina 1 000 aza no indray alahatra, dia mbola manify kokoa noho ity taratasy vakinao ity!

Manantena àry ny mpahay siansa fa ho afaka handehandeha any anaty lalan-dra faran’izay bitika io milina io indray andro any, mba hitondra oksizenina ho an’ny sela tsy ampy liomena. Ho vitan’izy io koa ny hanala izay zavatra manentsina ny lalan-dra na miraikitra amin’ny selan’ny atidoha. Hahavita hanenjika virosy sy bakteria ary mikraoba hafa mihitsy aza izy io, ka hanapotika izany. Mety hampiasaina hitondra fanafody any amin’izay sela tena mila izany koa ilay milina.

Milaza ny mpahay siansa fa tsy ho sarotra intsony ny hahita ny kansera, noho ilay milina faran’izay bitika. Hoy ny Dr. Samuel Wickline, mpampianatra momba ny fitsaboana sy fizika ary ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny fitsaboana: “Tena azo inoana fa ho hita aloha be noho ny taloha ny kansera, na dia vao manomboka fotsiny aza. Ho azo atao koa ny hitsabo azy ireny amin’ny fanafody mahery, eo amin’ny faritra misy azy fotsiny. Hihena koa ny voka-dratsy ateraky ny fitsaboana azy.”

Toa sarotra inoana izany rehetra izany. Tena mino anefa ny mpahay siansa sasany, fa hahavita an’ilay milina faran’izay bitika natao hitsaboana izy ireo. Manantena ny mpikaroka tompon’andraikitra amin’io tetikasa io, fa ato anatin’ny folo taona dia efa hisy milina faran’izay bitika, afaka hanasitrana sy hamerina amin’ny laoniny ny ao anatin’ny sela. Hoy ny iray amin’izy ireo: “Noho io milina faran’izay bitika io, dia tsy hisy intsony ny ankamaroan’ny aretina mpitranga tamin’ny taonjato faha-20. Tsy hisy firy intsony koa ny fanaintainana sy ny fijaliana. Hitombo kosa ny zava-bitan’ny olona.” Efa nisy mpahay siansa nilaza mihitsy aza fa nahita vokatra tsara, rehefa nampiasa an’ilay milina faran’izay bitika tamin’ny biby.

Fandinihana ny fototarazo Ahitana zavatra maro tena ilaina amin’ny fiainana ao anatin’ny sela tsirairay. Iray amin’izany ny fototarazo. Manana fototarazo 35 000 eo ho eo isika tsirairay. Amin’ny alalan’izy ireo no ahalalana ny loko sy ny endrikendriky ny volo, ny lokon’ny hoditra sy ny maso, ny halavana, ary ny zavatra hafa mampiavaka antsika tsirairay. Amin’ny alalan’ny fototarazo koa no ahalalana raha tsara na ratsy ny taovantsika.

Mety harary isika, rehefa simba ny fototarazontsika. Mino àry ny mpikaroka sasany fa fototarazo tsy miasa tsara no mahatonga ny aretina rehetra. Avy amin’ny ray aman-drenintsika koa indraindray no ahazoantsika fototarazo efa simba. Ny hafa kosa simba noho ny zavatra mampidi-doza eo amin’ny tontolo iainana.

Manantena ny mpahay siansa fa tsy ho ela dia ho hitan’izy ireo ny fototarazo mahatonga antsika ho mora harary. Hazava amin’ny dokotera àry hoe nahoana, ohatra, ny olona sasany no mora voan’ny kansera noho ny hafa, na hoe nahoana no mihombo haingana kokoa ny kansera ao amin’ny olona sasany noho ny ao amin’ny hafa. Mety ho hita koa hoe nahoana no misy fanafody mandaitra amin’ny marary sasany, nefa tsy mandaitra amin’ny hafa.

Inona no soa mety ho azonao avy amin’izany zava-baovao izany? Mety ho azo ampifanarahina amin’izay zavatra hita ao amin’ny fototarazonao ny fitsaboana anao. Raha efa hita, ohatra, fa mety ho mora voan’ny aretina iray ianao, dia mety ho tsikaritry ny dokotera aloha be ilay aretina, na dia mbola tsy misy soritr’aretina miseho akory aza. Milaza ny mpanohana an’io teknolojia io, fa mety ho voasoroka mihitsy aza ilay aretina, raha mitsabo tena mialoha sy mihinana sakafo mahasalama ary manova ny fomba fiainany ilay olona.

Mety ho hita avy amin’ny fandinihana ny fototarazonao koa fa mety tsy hahazaka fanafody sasany ianao. Hanampy ny dokotera izany, ka izay fanafody tena mety aminao sy ny fatrany tena ilainao no homeny anao. Hoy ny gazety Ny Gilaobin’i Boston (anglisy): “Hisy vokany lehibe lavitra noho izay mety hoeritreretintsika ankehitriny [io fitsaboana io] amin’ny taona 2020. Efa hisy amin’izany ny fanafody mifanaraka amin’ny zavatra hita ao amin’ny fototarazon’ny olona tsirairay. Natao hiadiana amin’ny diabeta, aretim-po, aretin’i Alzheimer, aretin-tsaina, ary ny aretina maro hafa mampijaly olona maro ankehitriny, izany fanafody izany.”

Santionany fotsiny amin’ny zavatra ampanantenain’ny mpahay siansa ireo. Mihamandroso mbola tsy nisy toy izany ny fahalalana momba ny fitsaboana. Tsy manantena anefa ny mpahay siansa hoe tsy ho ela izy ireo dia hahavita hanafoana tanteraka ny aretina. Mbola be dia be ny vato misakana, ary toa tsy ho resy mihitsy izany.

Vato misakana toa tsy ho resy mihitsy

Mety ho ela vao ho foana ny aretina, noho ny afitsoky ny olona. Mino, ohatra, ny mpahay siansa fa ny fanimban’ny olona ny tontolo iainana, no miteraka ireo aretina vaovao sy mampidi-doza ankehitriny. Hoy i Mary Pearl, filohan’ny fikambanana iray miaro ny zavamiaina any an’ala, tao amin’ny gazety Herinandrom-baovao: “Nisy aretina vaovao 30 mahery nipoitra nanomboka tamin’ny taona 1975 tany ho any, ka anisan’izany ny SIDA, Ebola, aretin’i Lyme, ary pnemonia atipìka (SRAS). Voalaza fa avy amin’ny zavamiaina any an’ala ny ankamaroan’izy ireo no nifindra tamin’ny olona.”

Lasa tsy dia tia voankazo sy legioma koa ny olona, fa mihatia siramamy sy sira ary menaka saro-devonina. Tsy manao fanatanjahan-tena firy intsony koa izy ireo, ary manao zavatra tsy mahasalama, ka mihabetsaka ny aretina mahazo ny fo sy ny lalan-dra. Mihamitombo ny isan’ny olona mifoka sigara, ka an-tapitrisany no marary mafy na maty eran-tany. Olona 20 tapitrisa eo ho eo no maratra mafy na maty, isan-taona, noho ny lozam-piarakodia. Tsy tambo isaina ny olona maty na lasa kilemaina noho ny ady sy ny herisetra hafa. An-tapitrisany no mararin’ny toaka na ny zava-mahadomelina.

Mbola misy aretina mampijaly olona maro, na inona na inona antony, ary na dia eo aza ny fandrosoana rehetra eo amin’ny fitsaboana. ‘Olona 150 tapitrisa mahery no ketraka lava, 25 tapitrisa eo ho eo no marary saina, ary 38 tapitrisa no voan’ny androbe’, araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). An-tapitrisany no voan’ny VIH/SIDA, aretin-kibo, tazomoka, kitrotro, pnemonia, ary tioberkilaozy, hany ka tsy tambo isaina ny zaza sy tanora maty.

Mbola misy vato misakana hafa koa toa tsy mety resy. Anisan’ny lehibe amin’izany ny fahantrana sy ny tsy rariny ataon’ny fanjakana. Vao haingana, dia nilaza ny OMS fa nety ho voavonjy ireo olona an-tapitrisany matin’ny areti-mifindra, raha niasa tsara ny fanjakana, ary ampy ny hoenti-manana.

Hanampy handresena ireo vato misakana ireo ve ny fahalalana ananan’ny mpahay siansa sy ny fandrosoana be eo amin’ny fitsaboana? Tsy hisy intsony ve ny aretina tsy ho ela? Tsy tena ho fantatsika ny valin’izany, raha tsy mijery afa-tsy ireo zavatra voaresaka eo aloha ireo isika. Misy valin’io fanontaniana io anefa ao amin’ny Baiboly. Andeha hojerentsika izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro/​Sary, pejy 7]

Fakana sary amin’ny alalan’ny taratra X

Mazava kokoa sy toy ny tena izy kokoa ny sarin’ny vatan’ny olombelona, ka mety ho hita aloha be ny aretina

[Sary nahazoan-dalana]

© Philips

Siemens AG

Fandidiana amin’ny alalan’ny milina azo baikoina

Efa miaraka amin’ny fitaovana fandidiana ilay milina. Manampy ny dokotera hanao fandidiana faran’izay sarotra izy io, ary tsy misy mivaona mihitsy izay ataony

[Sary nahazoan-dalana]

© 2006 Intuitive Surgical, Inc.

Fampiasana milina faran’izay bitika

Mety hanampy ny dokotera hitsabo aretina any anatin’ny sela io milina io. Aseho io ambony io ny milina faran’izay bitika, eritreretin’ny mpahay siansa iray fa ho afaka hanao ny asan’ny liomena

[Sary nahazoan-dalana]

Mpahay siansa: Vik Olliver (vik@diamondage.co.nz)/ Nanao ny sary: Robert Freitas

Fandinihana ny fototarazo

Mandinika ny fototarazo ny mpahay siansa, satria manantena fa hanampy azy hahita sy hitsabo ny aretina izany na dia mbola tsy miseho aza ny soritr’aretina

[Sary nahazoan-dalana]

Krômôzôma: © Phanie/Photo Researchers, Inc.

[Efajoro, pejy 8, 9]

Fahavalo Enina Tsy Mety Resy

Mihamandroso mbola tsy nisy toy izany ny fahalalana momba ny fitsaboana sy ny teknolojia mifandray aminy. Mbola misy areti-mifindra tsy mitsahatra miely anefa eran-tany, ary mahafaty olona. Mbola tsy resy mihitsy ireto aretina ireto:

VIH/SIDA

Olona 60 tapitrisa eo ho eo no mitondra ny tsimokaretina VIH, ary 20 tapitrisa eo ho eo no efa matin’ny SIDA. Olona dimy tapitrisa no voan’ny SIDA, tamin’ny 2005, ary telo tapitrisa mahery no matin’ny aretina hafa nihombo vokatry ny SIDA. Ankizy ny 500 000 mahery amin’ireo maty. Tsy afaka mitsabo tena tsara ny ankamaroan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH.

Aretim-pivalanana

Io no voalaza fa tena mahafaty ny mahantra. Efatra arivo tapitrisa eo ho eo no matiny isan-taona. Aretina isan-karazany no mahatonga azy io. Azo avy amin’ny rano na sakafo maloto izy ireo, na noho ny havoretrana. Olona roa tapitrisa mahery no matin’ireo aretina ireo isan-taona.

Tazomoka

Olona 300 tapitrisa eo ho eo isan-taona no voan’ny tazomoka. Iray tapitrisa eo ho eo no maty isan-taona, ka ankizy ny maro aminy. Ankizy iray isaky ny 30 segondra eo ho eo no matin’ny tazomoka, atỳ Afrika. Milaza ny OMS fa “mbola tsy mahita fanafody mahasitrana tanteraka sy haingana ny tazomoka ny mpahay siansa, ary maro no tsy mino hoe hisy izany any aoriana any.”

Kitrotro

Olona 500 000 mahery no matin’ny kitrotro, tamin’ny 2003. Tena mora mifindra izy io, ary anisan’ny antony lehibe mahafaty ny ankizy. Olona 30 tapitrisa eo ho eo no voan’ny kitrotro, isan-taona. Efa 40 taona anefa izao no misy vaksiny mety tsara hiadiana amin’izy io, sady tsy lafo.

Pnemonia

Milaza ny OMS fa maro kokoa ny ankizy matin’ny pnemonia, noho ny ankizy matin’ny areti-mifindra hafa. Roa tapitrisa eo ho eo ny ankizy latsaka ny dimy taona matin’izy io, isan-taona. Atỳ Afrika sy any Azia Atsimoatsinanana ny ankamaroany. Tsy dia afaka mankany amin’ny hopitaly mantsy ny olona any amin’ny tany maro, mba hamonjena ny ainy.

Tioberkilaozy

Olona 1 700 000 mahery no matin’ny tioberkilaozy (BK), tamin’ny 2003. Manahy mafy ny mpitsabo, satria misy otrikaretina BK vaovao mahatohitra fanafody. Tsy mandaitra amin’ny sasany amin’izy ireny intsony, na dia ny fanafody faran’izay mahery rehetra natao hiadiana aminy aza. Ny marary tsy voara-maso tsara na tsy nitsabo tena hatramin’ny farany no ahitana an’ireo otrikaretina mahatohitra fanafody ireo.

[Efajoro/​Sary, pejy 9]

Karazam-pitsaboana Mihamalaza

Be dia be ny karazam-pitsaboana tsy eken’ny dokotera. Anisan’izany ny fampiasana raokandro sy ny fitsaboana hafa toy ny otra na fampiasana tsindrona volamena. Mampiasa raokandro ny ankamaroan’ny olona atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Tsy manam-bola handehanana any amin’ny dokotera mantsy izy ireo, na mifidy tsotra izao ny hampiasa raokandro.

Mihamaro koa ny olona tia an’ireny fitsaboana hafa noho ny mahazatra ireny, na dia any amin’ny tany manankarena aza. Anisan’ny be mpitia indrindra ny tsindrona volamena, fanitsiana hazon-damosina, raokandro, ary ny fitsaboana tsy ampiasana fanafody fa zavatra voajanahary sy otra. Efa nisy tamin’izy ireny nodinihin’ny mpahay siansa, ka voaporofo fa mandaitra amin’ny aretina sasany. Ny hafa kosa mbola tsy azo antoka raha mandaitra na tsia. Mihabe mpitia anefa izy ireny. Misy manontany tena àry raha mahasoa tokoa izy ireny na mampidi-doza. Tsy misy lalàna mifehy mantsy ireny karazam-pitsaboana ireny any amin’ny tany maro, ka azon’ny marary andramana na dia tsy manatona dokotera aza izy. Idiran-doza anefa izy avy eo. Ny olon-kafa indray manamboatra fanafody sandoka, na misandoka ho mpitsabo mihitsy. Matetika no misy olona te hanampy ny namany na ny havany, ka lasa mpanoro hevitra momba ny fitsaboana, na dia tsy ampy traikefa akory aza. Tsy mety amin’ilay marary avy eo ilay fitsaboana, ka ahitany loza.

Efa misy lalàna mifehy kosa ny karazam-pitsaboana toy ireny any amin’ny tany maromaro, ka eken’ny dokotera, ary asainy arahin’ny marary. Na izany aza, dia toa mbola tsy misy sahy milaza fa hanafoana ny aretina izy ireny.