Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Izy Ireo no Tandindomin-doza?

Nahoana Izy Ireo no Tandindomin-doza?

Nahoana Izy Ireo no Tandindomin-doza?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY INDE

NY TIGRA tsara tarehin’i Bengale, ny alikadia, ny vano, ny sokatra efa nisy hatry ny ela, ny elefanta aziatika, dia sasany amin’ireo karazam-biby efa ho lany tamingana eto Inde. Diniho, ohatra, ny elefanta, ilay lehibe indrindra amin’ny biby mampinono velona an-tanety.

Tena be mpitady ny vangin’elefanta. Anisan’ny mampiasa betsaka indrindra an’io ivoara io i Japon sy Chine, satria mbola be mpitia any ny bagety fihinanana vita amin’ny ivoara. Nahoana no tena misy voka-dratsiny eo amin’ny elefanta aziatika izany fitadiavana ivoara izany?

Hoy Ny Gazetin’i Inde (anglisy), vao tsy ela izay: “Vitsivitsy ihany amin’ny elefanta lahy atỳ Azia no misy vangy, fa tsy toy ny elefanta afrikanina. Ny elefanta lahy lehibe efa misy vangy àry no tena lasibatra. Zato eo ho eo ny elefanta [lahy] vonoina isan-taona eto Inde, araka ny tarehimarika ofisialy. Lasa maro kokoa àry ny elefanta vavy.” Noho izany fandripahana izany, dia atahorana ho lany tamingana io karazam-biby io.

Noho ny tandrony

Diniho koa ny tokantandroka. Raha jerena ny habeny, dia izy io no faharoa amin’ireo biby mampinono velona an-tanety, izay mbola misy ankehitriny. Eto Inde sy Népal sisa no misy toerana iarovana io bibidia io. Misy iray amin’izany any avaratratsinanan’ny fanjakan’i Assam, ka mirefy 38 kilaometatra toradroa monja ny velarany. Kely ihany izany faritra izany ho an’ny tokantandroka. Mirenireny eny amin’ny toeram-pambolena manodidina àry izy ireo, ka mety hisy hitifitra na hanapoizina.

Namorona fomba mahomby hamonoana ny tokantandroka ny olona. Misy kabla roa mitondra herinaratra faran’izay mahery, mandalo eo ambonin’ilay toeram-piarovana. Mampiasa volotsangana lava be ny mpihaza tsy ara-dalàna, mba hanantonana tariby eny amin’ireny kabla ireny. Ataony mikiraviravy mila hikasika ny tany ilay tariby. Izao no mitranga rehefa mahakasika ilay tariby ny tokantandroka, araka ny fanazavan’i Vivek Menon, manam-pahaizana momba ny fiainan’ny bibidia: “Mitrena indroa ilay biby, satria tratran’ilay herinaratra faran’izay mahery, ary midaraboka avy hatrany ... Tsy ampy iray segondra akory dia maty ilay biby goavana.”

Mampalahelo fa noho ny tandrony kely tsy ampy iray kilao akory, no amonoana ilay biby goavana! Fitambarana volo izay lasa mafy toy ny hohon’olombelona no manome an’io tandrony io. Tena lafo be izy io, ka izany no mahatonga ny tokantandroka hotandindomin-doza.

Noho ny fitiavana saly shahtoosh

Ahazoana karazan-damba antsoina hoe shahtoosh ny antilopa tibetanina. Tena manify kely io lamba io, ka tafiditra ao anaty peratra ny saly vita avy aminy. Mety hahatratra 16 000 dolara (na 160 000 000 FMG) ny vidiny, ary anisan’ny saly lafo indrindra maneran-tany izy io. Inona anefa no vokatr’izany eo amin’ireo antilopa ahazoana io karazan-damba io?

Milaza ny gazety indianina iray fa ‘antilopa dimy, fara fahakeliny, no tsy maintsy vonoina, vao mahavita saly iray.’ Misy milaza koa fa antilopa 20 000 eo ho eo, avy any amin’ny lembalemban’i Tibet, no vonoin’ireo mpihaza tsy ara-dalàna, isan-taona. Mbola mitranga ihany izany, na dia lazaina aza fa anisan’ireo karazam-biby mety ho lany tamingana izay arovan’ny lalàna, ny antilopa. Norarana koa ny fivarotana lamba shahtoosh, nanomboka tamin’ny 1979. Mbola mihena hatrany anefa ny isan’ny antilopa taorian’izay.

Noho ny hodiny sy ny taolany

Tandindomin-doza koa ny tigra sy ny sakadia hafa eto Inde. Heverina fa efa lany tamingana ny karazana tigra sasany, toy ny any amin’ny faritra manodidina ny Ranomasina Caspienne sy Java ary Bali. Tigra 40 000 teo ho eo no niriaria tatỳ amin’ny alan’i Inde, teo am-piandohan’ny taonjato faha-20. Nihena anefa io isa io rehefa nandeha ny taona, satria nisy nanimba tsikelikely ny fonenan’izy ireo. Nohazaina koa izy ireo mba hakana ny hodiny sy ny taolany sasany, izay noheverina ho fanafody tamin’ny fitsaboan’ny Sinoa.

Misy boky iray momba ny fiainan’ny tigra, miresaka ny vokatry ny tsy fisian’ny toerana sahaza azy ireo. Hoy izy io: “Tsy mitombo isa ny tigra, raha tsy mihamalalaka ny ala fonenany. Izy ihany no mahatonga ny isany hihena raha tery ny fonenany, satria miady sakafo sy faritany izy ireo.”

Manahoana kosa ny sakadia hafa? Nahita tranom-biby tsy nisy na inona na inona ny mpitsidika iray tany amin’ny toeram-pijerem-biby any Junagadh, Gujarat. Nisy sarina kary be aziatika sy soratra tamin’ny teny goujrati, teo ivelan’io tranom-biby io. Izao no voasoratra teo: “Lany tamingana teto Inde ny kary be, tamin’ireo taona 1950.”

Hanao ahoana ny hoavy?

Tsy misy antenaina loatra ny hoavin’ireo biby tandindomin-doza ireo. Be dia be ny porofo ahitana fa ny fitiavan-tena no nahatonga ny olombelona hanimba ny tany, ka handripaka ny ankamaroan’ireo bibidia eo aminy. Inona no hitranga? Milaza ny tenin’Andriamanitra fa efa akaiky ny fotoana hahatanterahan’ity faminaniana ity: ‘Tezitra ireo firenena. Ary tonga ny [fahatezeran’Andriamanitra] sy ny fotoana voatondro handringanana izay manimba ny tany.’Apokalypsy 11:18.

Inona no hitranga rehefa tsy ho eo intsony izay rehetra manimba ny tany sy mamono ireo bibidia mahatalanjona eo aminy? Fotoana tena hahafinaritra tokoa re izany! Tsy hampidi-doza ny biby intsony ny olombelona. Izany no hitranga rehefa hanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra, izay nasain’i Jesosy Kristy hangatahina amim-bavaka.—Isaia 11:6-9; Matio 6:10.

[Sary, pejy 24]

Bibidia sasany tandindomin-doza eto Inde

Karazana vano

Tigra any Bengale

Elefanta aziatika

Tokantandroka

Antilopa tibetanina

[Sary nahazoan-dalana]

Vano: Cortesía del Zoo de la Casa de Campo, Madrid; antilopa: © Xi Zhi Nong/naturepl.com