Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mampahatahotra Ve?

Tena Mampahatahotra Ve?

Tena Mampahatahotra Ve?

NARARY sofina i Hollie Mullin, zazavavy kely vao roatokombolana, tamin’ny Oktobra 1997. Tsy nihatsara ny fahasalamany rehefa afaka andro vitsivitsy, ka nomen’ny dokotera antibiotika izy. Noheverina ho aretina mora tsaboina ilay izy, nefa tsy izay no nitranga. Niverina foana ilay aretina, isaky ny avy notsaboina tamin’ny antibiotika.

Efa 17 ny karazana antibiotika nitsaboana an’i Hollie, raha vao herintaona izy. Tena nihombo be anefa ny aretiny, tamin’izy handray roa taona. Sitrana ihany izy tamin’io farany io, rehefa notsindronina antibiotika mahery be, nandritra ny tapa-bolana.

Lasa mateti-pitranga ny toe-javatra toy izany, ary tsy eo amin’ny zazakely na ny antitra ihany. Mety harary na ho faty mihitsy aza ny rehetra, vokatry ny aretina mora sitran’ny antibiotika taloha. Lasa zava-nanahirana ny hopitaly sasany ny mikraoba mahery, nanomboka tamin’ireo taona 1950. Nanomboka niparitaka teny ivelan’ny hopitaly koa izy ireny nandritra ireo taona 1960 sy 1970.

Nilaza ireo mpikaroka momba ny fitsaboana, rehefa nandeha ny fotoana, fa tsaboina matetika loatra amin’ny antibiotika ny olona sy ny biby, ka izay no tena mahatonga ny mikraoba hahery. Nilaza ny iray tamin’ireo mpikaroka ireo tamin’ny 1978, fa “tena tsy voafehy intsony” ny fahazarana mampiasa antibiotika. Hita

naneran-tany àry, tamin’ireo taona 1990, ny lohatenin-gazety toy ny hoe: “Tonga eto Amintsika Izao ny Mikraoba Mahery”, “Manjaka ny Mikraoba Mahery”, “Mahatohitra Antibiotika ny Mikraoba, Satria Zatra Fanafody Mahery ny Olona.”

Fampitahorana fotsiny ve izany? Tsia, hoy ireo fikambanana ara-pitsaboana malaza. Niresaka momba ny areti-mifindra ny tale jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), tamin’ny 2000. Hoy izy: “Miatrika olana hafa ny olombelona amin’izao fiandohan’ny taonarivo vaovao izao. Lasa mihamahery hatrany sy mahatohitra fanafody mpamono mikraoba ... ireo aretina mora tsaboina taloha.”

Tena mampahatahotra tokoa ve ny zava-misy? Hoy ny OMS: “Lasa tsy ho azo tsaboina intsony ny aretina satria mitombo be ny [mikraoba mahery].” Nisy aza manam-pahaizana momba ny fahasalamana nilaza fa niverina ho toy ny tamin’ny andro mbola tsy nisy antibiotika ny fiainan’ny olombelona.

Nahoana no mandrahona an’izao tontolo izao ny mikraoba mahery, na dia eo aza ny fandrosoan’ny siansa? Misy azon’ny tsirairay atao ve mba hiarovana ny tenany sy ny olon-kafa? Misy vahaolana manangasanga ve mba hiadiana amin’ny mikraoba mahatohitra antibiotika? Manome valiny vitsivitsy ho an’ireo ny lahatsoratra manaraka.