Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nobeazina mba Hanana Fiainana Misy Tanjona Aho

Nobeazina mba Hanana Fiainana Misy Tanjona Aho

Nobeazina mba Hanana Fiainana Misy Tanjona Aho

NOTANTARAIN’I ERNEST PANDACHUK

Tany amin’ny tanety rakotr’ahitr’i Saskatchewan, eto Kanada, aho no teraka. Nankany Afrika aho rehefa 23 taona, ary finaritra nanao misionera tany nandritra ny 35 taona. Ahoana no nahatonga ny fiainako ho toy izany? Tsy noho ny kisendrasendra akory, fa aleo hohazavaiko.

TRANO tany no tranonay voalohany, ka zara raha afaka niaro anay mianakavy tamin’ny ririnina mamirifiry tany amin’ny tanety nisy anay. Nandray boky ara-baiboly avy tamin’ny olona nitsidika anay i Dada sy Neny, tamin’ny 1928. Mbola tsy teraka akory ny ankamaroanay sivy mianadahy tamin’izany. Ireny boky ireny no nianaran’izy mivady Baiboly nandritra ny ririnina nanaraka. Volana vitsivitsy taorian’izay dia nino izy ireo fa nahita ny fahamarinana, ka niresaka izany tamin’ny fianakaviana, namana sy mpiara-monina, ary indrindra fa ny zanany.

Teraka tamin’ny 1931 aho, ary teraka koa ireo zandriko dimy tsy ela taorian’izay. Anisan’ny fahazaranay mianakavy ny namaky sy nianatra ny Baiboly. Mbola faly aho mahatsiaro ny zavatra fanaonay isa-maraina. Nitarika ny fiaraha-nandinika andinin-teny i Dada, na dia rehefa nanam-bahiny aza izahay. Nifandimby namaky mafy avy tao amin’ny boky na gazety ara-baiboly i Dada sy Neny ary ireo ankizy efa lehibe.

Sady nampianatra anay namaky teny sy nanoratra i Dada, no nampianatra anay hampiasa fizahan-teny ara-baiboly koa mba hanaovana fikarohana. Vetivety dia nahay nampiasa Baiboly izahay mba hanazavana ny zavatra inoanay. Nanampy ahy hamakafaka foto-kevitra ara-baiboly ireny fiaraha-midinika nahafinaritra ireny. Haiko ny nampiasa Baiboly mba hanoherana fampianaran-diso, rehefa nandeha ny fotoana. Haiko ny nanaporofo fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, tsy misy ny afobe, ary tsy mitovy i Jehovah sy Jesosy, sady tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray izy ireo.​—Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4; Jaona 14:28.

Namela ohatra tsara koa i Dada sy Neny, ka nampirisika anay hitondra tena amim-pahitsiana foana, na dia ho lasa tsy tian’ny olona aza. Tsy nifoka sigara izy ireo, ary nilaza taminay fa mandoto ny sigara, nefa hanery anay hifoka ny mpiara-mianatra. Tsaroako ny tenin’i Dada hoe: “Mety hantsoin’ny ankizy hoe sarim-bavy ianareo raha tsy mety hifoka sigara. Anontanio anefa izy hoe: ‘Iza no tena lehilahy, izay andevozin’ny sigara sa izay tsy manaiky handevoziny?’”

Notsapaina koa ny fifikirako tamin’ny fanabeazana ara-baiboly azoko, tamin’izaho 11 taona. Efa nanomboka ny Ady Lehibe II tamin’izay, ary nasaina hanangan-tsaina ny ankizy rehetra tany am-pianarana. Tsy nety nanao izany aho, satria fantatro tamin’ny fianarako Baiboly fa fanompoan-tsampy izany. Voaroaka tany an-tsekoly nandritra ny enim-bolana àry aho.

Vitako ihany anefa ny fianarako, ary nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa aho, tamin’ny Martsa 1947. Lasa mpisava lalana, na mpitory manontolo andro ny vaovao tsara aho, enim-bolana tatỳ aoriana. Tany amin’ny faritra atsimon’i Saskatchewan no niasako voalohany, ka mpamboly sy mpiompy no nitoriako tany amin’io faritra midadasika io. Nitaingina soavaly aho tamin’ny vanin-taona nafana, ary kalesy nitafo notarihin-tsoavaly (nantsoinay hoe trano bongo) kosa no nampiasaiko nandritra ny ririnina. Tsy maintsy nitandrina tsara aho mba tsy hivadika ilay kalesy, satria fatan’arina no nanafana ilay izy.

Sariaka sady tia nandray vahiny ny olona tany ambanivohitra. Nasain’izy ireo hijanona hatory aho matetika, rehefa nitsidika azy ireo harivariva. Tena nankamamiko ireo dinidinika ara-baiboly nafana nataonay tamin’izany! Anisan’ny fianakaviana nanaiky ny fahamarinana ry Peterson, rehefa avy nifanakalo hevitra nandritra ny alina manontolo izahay. Lasa Vavolombelon’i Jehovah mafana fo i Earl sy ny reniny.

Nanompo tany Québec

Nanaiky aho rehefa nisy fangatahana mpisava lalana hanampy hitory tany amin’ny provansin’i Québec, tamin’ny 1949. Mpisava lalana 200 teo ho eo avy tany amin’ny faritra andrefan’i Kanada no nanaiky. Tonga tao Montréal izy ireo ny Septambra, vonona handeha tany amin’izay hanendrena azy. I Maurice Duplessis, izay nivoady fa hanaisotra ny Vavolombelona tao amin’io provansy io, no Praiminisitr’i Québec tamin’izany.

Betsaka sady nahafinaritra ny zavatra natao tamin’izay, nefa betsaka koa ny zava-nanahirana. Sahirana izahay, ohatra, nianatra niteny frantsay. Nosamborina sy norotahin’ny olona koa anefa izahay. Teo koa ireo mpanakorontana nafana fo nandrava ireo fivoriambe. Tsy nampahatahotra ahy anefa izany, ary tsy nampihemotra ahy tamin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra nofidiko hatao. Efa nalentiky ny ray aman-dreniko tato an-tsaiko ny fitiavana ny fahitsiana sy ny fiekena fa ho tontosa ny asa fitoriana eran-tany araka ny voalazan’i Jesosy, na eo aza ny fanenjehana.​—Matio 24:9, 14.

Tamin’izaho tany Québec no nifankahalala tamin’i Emily Hawrysh, mpisava lalana mahatoky, avy any Saskatchewan. Nivady izahay tamin’ny 27 Janoary 1951, ary nanjary mpiara-miasa mahatoky sy vady mampahery ahy i Emily, nanomboka teo. Nitovy ny tanjonay, dia ny handray anjara feno amin’ny fanompoana. Nangataka hianatra tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana àry izahay, ary nekena hanaraka an’io fanomanana mpitory ho amin’ny asa misionera io. Naharitra volana maromaro ilay fianarana. Nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasy faha-20 tamin’ny Sekolin’i Gileada izahay, tamin’ny Febroary 1953.

Nasaina hanampy ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny provansin’i Alberta sy Ontario, eto Kanada, izahay, mandra-piandry ireo taratasy fahazoan-dalana hiditra tany Afrika. Fitateram-bahoaka no nampiasainay tamin’izany. Nianatra nanatsotra ny fiainanay àry izahay, ary nentinay tao anaty valizy ny entanay rehetra. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niainga nankany Rodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny) izahay rehefa voakarakara ny dianay, ary vonona ireo taratasy nilaina.

Nizatra tamin’ny fiainana tany Afrika

Tao anatin’ny dimy volana nahatongavanay, dia nasaina izahay hitsidika antokona Vavolombelon’i Jehovah tany Zimbabwe sy Botswana ary faritra vitsivitsy tamin’i Rodezia Avaratra (Zambia). Nampirisihina tsy hampitaha ny toerana hanendrena anay amin’ny toerana niavianay izahay, tany amin’ny Sekolin’i Gileada. Nampirisihina koa izahay hitadidy fa handraisanay fianarana ny toe-javatra hiainanay. Nanampy anay hanitsy ny fisainanay izany teny feno fahendrena izany. Mbola manaiky ny fahamarinan’ity teny ity foana izahay sy Emily hatramin’izao: “Mahaiza manararaotra ny toe-javatra rehetra, fa mety tsy hiverina intsony izany.”

Nampiasainay na fiarandalamby, na bisy, na kamiao, na bisikileta, eny izay rehetra azonay nampiasaina, mba hitetezana ireo toerana. Tena nandreraka izany, nefa nisy zavatra hafa koa nisedra anay, ka nanjary sarotra kokoa taminay ny ‘hanararaotra ny toe-javatra rehetra.’ Noho ny fameperana araka ny lalàna, dia tsy nahazo niaraka tamiko tany amin’ny tanànan’ireo foko i Emily, nandritra ny roa taona. Tsy maintsy nijanona tany amin’izay tanàna nifaranan’ny lalamby àry izy, nefa vao taona vitsivitsy monja no nivadianay. Matetika koa no tsy nisy Vavolombelona akory tamin’ireny tanàna ireny. Nanana finoana sy herim-po ary fahatapahan-kevitra anefa i Emily. Vao mainka nahatonga ahy hankasitraka sy ho tia azy bebe kokoa izany toetrany izany, ary nahatonga ny voan’ilay Fanjakana hotorina tany amin’ireny tanàna kely ireny.

Raha vao nahita trano nohofana i Emily, dia nitory teo amin’ny manodidina mandra-piveriko avy tany amin’ny tanànan’ireo foko. Nitory irery nandritra ny iray volana izy indraindray. Niantehitra tamin’ny tanana maherin’i Jehovah izy mba hahazoana hery sy fiarovana, ary namokatra ny fanompoany. Nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly, ohatra, i Rita Hancock, ary nanao toy izany koa ny vadiny tatỳ aoriana. Lasa rahalahy nahatoky izy io ary anti-panahy mandra-pahafatiny. Misy fiangonana mandroso be izao any amin’ny tanàna sasany namafazan’i Emily ny voan’ny fahamarinana.

Tia mandray vahiny sy mahay mamoron-kevitra ny Afrikanina

Hitako ary nampihetsi-po ahy ny fahaiza-mankasitraka nasehon’ireo Vavolombelona afrikanina tany amin’ny tanànan’ireo foko. Tena mankasitraka ny fandaminan’i Jehovah sy ireo solontenany mpitety faritany izy ireo. Nokarakarain’ireny rahalahy be fitiavana ireny tsara tokoa aho. Nandeha tany amin’izay toerana hanaovana ny fivoriambe manaraka aho isaky ny alatsinainy. Tranokely tany vao namboarina no nametrahan’izy ireo ahy. Nampahatsiaro ahy an’ilay tranonay tany Saskatchewan ilay izy. Bozaka 30 santimetatra ny hateviny no kidoro novelarina tamin’ny tany ho ahy, ary norakofana lambam-pandriana.

Tany anaty ala matetika no nanaovana ny fivoriambe tany amin’ny tanànan’ireo foko. Nokapain’ireo mpanatrika ny kirihitra, fa navelany mba hialokalofana kosa ireo hazo be raviny. Antontam-bozaka voafatotra sy voalamina nilahatra tsara no nipetrahana. Bozaka ihany koa no natao fefin’ilay toerana. Tsy hay hadinoina ny fahaizan’ireo rahalahy sy anabavy afrikanina nampiara-peo, rehefa nihira fiderana an’i Jehovah tany amin’izany toerana an-kalamanjana izany. Nanohina ny foko foana izany.

Zavatra niainana tsy hay hadinoina

Nandritra ny fanompoana no nifankahalalako tamin’i Gideon Zenda, tompon’andraikitra ambony tao amin’ireo sekoly anglikanina. Ny Anglikanina foana no nampianatra an’i Gideon, hatramin’ny fiofanana narahiny tany amin’ny oniversite. Tsy nahazoany valiny nahafa-po anefa ny ankamaroan’ireo fanontaniany momba ny Baiboly. Nangataka ahy àry izy mba hihaona taminy sy ireo mpiara-miasa taminy, ka hamaly ireo fanontaniana ireo. Nisy 50 no tonga, anisan’izany ireo mpanara-mason’ny sekoly sy tale ary mpampianatra. I Gideon no nitarika ny fotoana. Nasesinay ny fandinihana ireo fanontaniana izay nanomezako fanazavana nandritra ny fahefatr’adiny avy. Nodinihinay indray avy eo izay fanontaniana hafa nipoitra. Naharitra ora maromaro ilay dinidinika.

Vokatr’izany, dia nanjary mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa i Gideon sy ny fianakaviany ary maro be tamin’ireo mpiara-miasa taminy. Noroahin’ny eveka anglikanina tamin’ny asany izy ireo, nefa tsy nitakemotra fa nanohy foana ny fanompoana an’i Jehovah. Nisy aza lasa mpisava lalana.

Sarimihetsika tena tian’ny olona

Namoaka ny sarimihetsika Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa (frantsay) ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1954. Nesorina ilay fameperana araka ny lalàna tsy namela ny vehivavy hanaraka ny vadiny tany amin’ny tanànan’ireo foko, herintaona taorian’izay. Afaka niaraka tamiko àry i Emily. Nomena fiara sy fitaovana nanome elektrisite ary fandefasana sarimihetsika izahay, mba handefasana ilay sarimihetsika tany amin’ny tanàna kelin’ireo foko. Maro no mbola tsy nahita sarimihetsika mihitsy, ka tena nahasarika olona ny fampisehoana nataonay. Naseho tao ny dingana tsirairay amin’ny fomba fanaovana pirinty Baiboly, boky sy gazety ara-baiboly, tao amin’ny trano fanontam-pirinty lehibe any Brooklyn, any New York.

Hita tao amin’io sarimihetsika io koa ny fivoriambe iraisam-pirenena niarahan’ireo Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny Yankee Stadium, any New York, tamin’ny 1953. Mbola tsy nahita porofon’ny firaisan-tsaina sy fitiavana toy izany mihitsy teo amin’ny olona samy hafa firazanana ireo Afrikanina ireo. Maro ny fianakaviana tany Zimbabwe voatosika hianatra Baiboly sy hiaraka tamin’ny Vavolombelona, noho io sarimihetsika io. Nangataka mba hampisehoana azy io indray ny talen-tsekoly maro nanerana an’i Zimbabwe. Tsapan’izy ireny mantsy fa tena mandaitra mba hampianarana ny ankizy ny zavatra hitan’ny masony.

Indray alina izay, dia nisy Vavolombelona namoha ahy, ary nangataka ahy handefa ilay sarimihetsika. Gaga aho nahita olona 500 teo ho eo, nandeha an-tongotra nandritra ny ora maro mba hijery ilay izy. Ren’izy ireo mantsy fa tao amin’ilay tanàna aho mba handefa azy io. Efa nisy 300 hafa koa tonga, raha vao niparitaka ilay vahoaka teo, ka nalefa indray ilay sarimihetsika. Tamin’ny telo maraina vao lasa ny mpijery farany! Iray tapitrisa mahery ny olona nahita an’io sarimihetsika malaza io, tany Zambia fotsiny, nandritra ny 17 taona!

Fanendrena vaovao

Nalefa tany Afrika Atsimo izahay rehefa avy nanompo dimy taona sy tapany tany Zimbabwe. Tsy maintsy nianatra teny afrikaans àry izahay, ary nianatra teny sesotho sy zoloa koa tatỳ aoriana. Nihanamokatra ny fanompoanay ka afa-po kokoa izahay, satria nahay nampianatra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fiteny maromaro.

Notendrena hanao ny asa fitetezam-paritany tany amin’ny faritra atsimon’i Afrika izahay, tany am-piandohan’ny 1960. Nandehandeha be izahay nandritra ireo 27 taona nanaraka, nanerana an’i Afrika Atsimo, Lesotho, Namibia, ary Soazilandy. Tonga hatrany amin’ireo nosy Ascension sy Sainte-Hélène any amin’ny Oseana Atlantika koa izahay. Raha atambatra, dia ana hetsy kilaometatra no vitanay, nitsidihana an’ireo rahalahy sy anabavy. Nampirisika anay handroso hatrany ny fahitana ny porofon’ny finoana sy tsy fivadihan’izy ireo tao anatin’ny toe-javatra sarotra.

Tany Soazilandy, ohatra, dia nisy Vavolombelona fantatro tsara, izay tsy nampandefitra ny finoany, rehefa maty ny Mpanjaka Sobhuza II. Noroahina tamin’ny asany izy ireo ary noverezin-jo, satria tsy nety nandray anjara tamin’ireo fombafomba tsy araka ny Soratra Masina fanao rehefa maty ny olona ambony toy izany. Tsy nivadika mihitsy izy ireo na dia nahantra sy sahirana mafy nandritra ny taona maro aza. Tombontsoa lehibe ny nahafantatra an’ireny rahalahy sy anabavy nahatoky ireny sy niresaka taminy, ary isaorako an’i Jehovah foana izany.

Teo koa i Philemon Mafereka, mpisava lalana avy any Mokhotlong, any Lesotho. Any an-tendrombohitra, any amin’ny 3 000 metatra any, no misy an’io tanàna kely io. Tsy nisy fitaterana tany, ka nandeha an-tongotra 100 kilaometatra izy mivady sy ny zanany mianadahy ary mpilatsaka hatao batisa efatra, mba hanatrika fivoriambe. Tany amin’ny tendrombohitra 1 000 metatra no nanaovana ilay fivoriambe, sady fiakarana mideza ny ankamaroan’ny lalana. Tsy maintsy nandady àry izy ireo rehefa niakatra sy nidina, ary tsy maintsy niampita sakelidrano sy renirano maro.

Nitondra boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay an-jato izy ireo rehefa nody. Nentiny ho an’ny olona tany Mokhotlong ireo boky ireo. Maro anefa ny olona hitan’izy ireo teny an-dalana no liana tamin’ny boky ara-baiboly, ka tsy tonga tany an-tanàna akory, dia tapitra ireo boky. Mbola maminay sy Emily hatramin’izao ny tombontsoa nahita ny zotom-po sy fandavan-tenan’ireo rahalahy sy anabavy toa an-dry Philemon mivady.

Sendra bibilava nisy poizina, toy ny kôbrà, izahay indraindray. Teo koa ny ranotrambo sy ny loza hafa. Nampahatahotra izy ireny, nefa tsinontsinona raha oharina amin’ireo valisoa sy fifaliana entin’ny fiainana atokana hanompoana an’i Jehovah. Hitanay fa tsy afoiny mihitsy ireo tsy mivadika aminy.

Nomen’i Jehovah fahendrena izahay hiatrehana ny toe-javatra, rehefa narary mafy i Emily. Nanamora ny fahasitranany ny fanovana ny sakafo sy fitandremana bebe kokoa ny fahadiovana. Nasianay trano kely mba hiarovana tsara an’i Emily ny fiaranay rehefa nandeha izahay, ka sitrana izy rehefa nandeha ny fotoana.

Niverina teto Kanada

Notendrena hiverina teto Kanada izahay tamin’ny 1988, rehefa avy nanao ny asa misionera nandritra ny 35 taona tany Afrika, izay kontinanta tena mahaliana. Nanomboka ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany indray aho tamin’ny 1991. Tapaka lalandra aho, valo taona tatỳ aoriana. Tena voafetra ny asa vitako nanomboka teo, nefa mbola faly aho satria anti-panahy eo anivon’ny fiangonana iray eto London, Ontario.

Afa-po aho ankehitriny rehefa manao jery todika ny fotoana nanombohako ny asan’ny mpisava lalana, nitaingina soavaly tany amin’ny faritra atsimon’i Saskatchewan, 56 taona lasa izay. Tena isaorako i Dada noho izy naharitra nampianatra anay ho tia zavatra ara-panahy, ka tsy hatahotra mihitsy hiaro ny fahamarinana sy ny fahitsiana! Nampianatra ahy ny Tenin’Andriamanitra izy, ka nahatonga ny fiainako hisy tanjona. Nahasoa ahy foana io lova io. Tsy misy na inona na inona atolotr’ity tontolo ity hatakaloko ny fiainako nanompoana an’i Jehovah.

[Sary, pejy 13]

Ny fianakavianay misy ankizy sivy tamin’ny 1949, i Neny mitrotro ny zandriny indrindra. Izaho ilay mijoro eo aoriany

[Sary, pejy 14]

Nanamboatra ity “trano bongo” ity aho mba hampiasaiko tamin’ny fanompoana

[Sary, pejy 14]

Nosamborina ireto vehivavy tany Québec ireto satria nitory

[Sary, pejy 16, 17]

Anisan’ny nampianatra an’ireto mpiandraikitra mpitety faritany tany Zimbabwe ireto aho

[Sary, pejy 17]

Nasianay an’ity trano kely ity ny fiaranay mba hahasitrana an’i Emily

[Sary, pejy 17]

Sary vao haingana miaraka amin’i Emily