Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Voa Lehibe Indrindra Eran-tany

Ilay Voa Lehibe Indrindra Eran-tany

Ilay Voa Lehibe Indrindra Eran-tany

Nahaliana olona maro ilay voa lehibe nentin’ny ranomasina ho eo amin’ireo nosin’i Maldives sy Indonezia, taona maro be lasa izay. Maro ny resa-be momba azy io. Nisy nilaza hoe voan’ny hazo any ambany ranomasina ilay izy. Nantsoina hoe coco de mer, na voanihon-dranomasina, àry ilay izy. Nisy mihitsy aza nilaza fa io ilay voankazo voarara, nohanin’i Adama tany amin’ny saha Edena. Fantatra tany antenatenan’ny taonjato faha-18 anefa, fa izy io dia voan’ilay karazana voaniho tsy hita afa-tsy any Seychelles, vondro-nosy atỳ amin’ny Oseana Indianina.

Any amin’ny Vallée de Mai, eo amin’ny nosy Praslin, no betsaka coco de mer indrindra. Mety hahatratra 30 metatra ny haavon’ilay hazo, ary tombanana ho afaka miaina mandritra ny 200 ka hatramin’ny 400 taona izy io. Anisan’ny mahaliana amin’ny coco de mer koa ny hoe misy hazo lahy sy vavy izy io. Tsy maintsy mamindra vovobony amin’ilay hazo vavy ilay hazo lahy, vao mamoa ilay hazo vavy. Tsy maintsy misy hazo lahy sy vavy lehibe mifanakaiky àry, izay vao afaka ny ho velona hatrany ny coco de mer.

Tena hafakely ny voan’ilay coco de mer vavy. Sahala amin’ny fo lehibe miloko maitso ny fijery an’ilay izy avy etỳ ambany. Mizara roa anefa ny ao anatiny, ary mety hilanja hatramin’ny 20 kilao izy io. Mihoatra ny iray ny voan’ny sasany aminy. Tsy mahagaga raha tafiditra tao amin’ny Boky Guinness Momba ny Zavatra Niavaka Indrindra (anglisy) ny coco de mer, noho izy manana voa lehibe indrindra.

Gaga mihitsy izay mijery ny tangozan’io voankazo be io. Mety hampidi-doza koa anefa ny miandrandra mijery azy io. Mety hilanja hatramin’ny 180 kilao mantsy ny tangozany iray aminy. Mahagaga anefa fa mbola tsy voalaza hoe nisy maty nianjeran’ilay voankazo. Tsara kokoa, na izany aza, ny tsy mandeha any amin’ny Vallée de Mai, rehefa mandrivotra be ny andro. Rehefa tsy dia misy rivotra loatra vao mety kokoa ny mandinika an’io voankazo hafakely io.