Lasa Kristianina Ilay Mpitolona Nafana Fo
Lasa Kristianina Ilay Mpitolona Nafana Fo
NOTANTARAIN’I LADISLAV ŠMEJKAL
Nomelohina aho, ary naverina tany amin’ny efitra figadrana. Nipaipaika ny rindrina avy hatrany aho mba ho famantarana ho an’ilay namako tany ambony rihana. Efa niandry izy, te hahafantatra hoe inona ny saziko.
Nipaipaika aho hoe “14 taona.”
Tsy nino izy ka nanontany hoe: “Efatra ambin’ny folo volana?”
“An, an, an. Efatra ambin’ny folo taona”, hoy aho namaly azy.
NY TAONA 1953 tamin’izay, tany Liberec, Tsekoslovakia (Repoblika Tseky ankehitriny). Sivy ambin’ny folo taona aho ary mpitolona nafana fo, nitady fiovana ara-politika. Nanao fampielezan-kevitra izahay, ka nizara trakta fanaratsiana ny Antoko Kominista nanjaka tamin’izany fotoana izany. Nomelohina ho namadika tanindrazana izahay, noho ny tolona nataonay, ka izany no nahatonga ahy higadra ela be.
Efa nogadraina vonjimaika herintaona teo ho eo aho, vao nivoaka ny didim-pitsarana. Natao roa isaky ny efitra izahay tao am-pigadrana, talohan’ny hivoahan’ny didim-pitsarana. Nofehezina ny maso ary nalaina am-bavany tsindraindray ireo voafonja. Tsy nahazo niteny izahay tao amin’ny efitra figadrana. Nifampibitsibitsika àry izahay na nifanome famantarana tamin’ny paipaika.
Tsy ela dia fantatro fa betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo voafonja. Soloana isaky ny iray na roa volana ny mpiray efitra tao amin’ny fonja nisy anay. Tia Baiboly aho, ka faly rehefa niray efitra tamin’ny Vavolombelona. Nanomboka nianatra Baiboly izahay, rehefa nandeha ny fotoana.
Marina fa tsy nanana Baiboly na boky ara-baiboly izahay, nefa heveriko fa azo lazaina hoe fianarana Baiboly ny resakay. Raha ny marina, dia mbola tsy nahita Baiboly mihitsy aho hatrizay niainako. Niresaka anefa izahay ka nanazava izay foto-kevitra ara-baiboly tadidiny ilay Vavolombelona, ary nosoratako izay nolazainy. Nipetraka nifanakaiky kely izahay ary nifampibitsibitsika, nandritra izany fotoana rehetra izany.
Fihogo sy taratasy fitondra any an-kabine no mba nanananay. Ilay fihogo no nanoratako tamin’ilay taratasy. Nianarako tsianjery ny ankamaroan’ny andininy noresahinay. Nampianatra ahy hiran’ilay Fanjakana koa ireo Vavolombelona niara-nianatra tamiko.
Nilaza tamiko ny Vavolombelona iray hoe: “Gadra politika ianao izao, fa amin’ny hoavy kosa ianao mety higadra satria Vavolombelon’i Jehovah.”Nalaina am-bavany imbetsaka aho ary voaheloka tamin’ny farany, ka nentina tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona, tany akaikin’ny tanànan’i Jáchymov. Fantatro tamin’izay, fa tsy maintsy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah aho indray andro any.
Nigadra nandritra ny taona maro
Nitady Vavolombelona no nataoko voalohany, raha vao tonga tany amin’ny toby fitrandrahana ioraniôma aho. Tsy ela anefa dia fantatro fa efa nentina tany an-toeran-kafa ny Vavolombelona. Nisy Vavolombelona iray tavela anefa tao, satria mpahandro no asany. Baiboly tonta be, efa nafenina hatraiza hatraiza izay no nampindraminy ahy. Afaka namaky ireo andininy haiko tsianjery aho. Isaky ny namaky azy ireny aho dia niteny irery foana hoe ‘Ity mihitsy ilay nampianarin’ireo rahalahy ahy.’
Nafindra toby aho rehefa afaka iray volana, ka nalefa tany amin’ny toby nantsoina hoe Bytiz, any akaikin’ny tanàn-dehiben’i Příbram. Nahita Vavolombelona hafa indray aho tany. Nahazo an-tsokosoko boky ara-baiboly tsy tapaka izahay, tany Bytiz. Niezaka namantatra ny fomba nahazoanay an’ireny boky ireny ny tompon’andraikitry ny toby, fa tsy nahafantatra mihitsy. Vavolombelona 14 be izao no voafonja tao, ary nazoto nitory. Efa vita batisa ny antsasany ary nitovy tamiko kosa ny antsasany. Tao am-ponja mantsy izahay no lasa nanaiky ny fampianaran’ny Vavolombelona.
Naniry hampiseho ny fanoloran-tenanay ho an’Andriamanitra tamin’ny batisa anaty rano ny ankamaroanay. Sarotra anefa izany satria tsy nisy rano, na raha ny marina kokoa, dia tsy nisy fitoeran-drano lehibe azo nandrobohana. Betsaka àry no voatery niandry ho afaka tao am-ponja vao natao batisa. Maromaro taminay anefa no natao batisa tao amin’ireo dobo nanangonan-drano nifandray tamin’ireo tranobe fampangatsiahana tao amin’ny toeram-pitrandrahana, teo antenatenan’ireo taona 1950.
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny Martsa 1960, dia nampiantso ahy ny polisy mpiandraikitra ny gadra politika. Niteny tamiko izy hoe hahenany ny saziko raha nolazaiko taminy izay zavatra nataon’ireo mpigadra hafa. Tsy nety nilaza aho, ka nivazavaza nanompa ahy izy, ary nikiakiaka hoe: “Tsy mahay manararaotra ialahy. Ho hitan’ialahy fa ataoko tsy tafody any an-trano intsony ialahy! Ho faty atỳ ialahy.” Nahazo famotsoran-keloka anefa aho, roa volana taorian’izay. Nody tany an-trano aho, rehefa avy nigadra valo taona tamin’ny fitambarany.
Fahafahana vetivety
Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekoslovakia, nanomboka tamin’ny Aprily 1949. Tsy ela àry dia tsapako fa na dia azo nolazaina hoe afaka aza aho, dia nitovitovy tamin’izany ihany ny nanompo an’Andriamanitra tany am-ponja. Olana hafa indray no natrehiko izao, taorian’ny nanafahana ahy. Noterena hiasa tao amin’ny tafika nandritra ny roa taona ny lehilahy rehetra, teto amin’ny taninay.
Navela tsy hanao raharaha miaramila anefa ireo lehilahy efa niasa ho an’ny Fanjakana. Anisan’ny nafahana tamin’izany ireo niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana arintany. Efa mpitrandraka aho taloha, ka nahazo
asa tany amin’ny iray tamin’ireo toeram-pitrandrahana. Noraisina tsara aho rehefa tonga tany. Nisy niteny tamiko hoe: “Aza matahotra fa tsy alefa any amin’ny tafika ianao. Tsy olana aminay ny miaro anao tsy ho any.”Nahazo taratasy fisoratana ho miaramila anefa aho, roa volana tatỳ aoriana. Nanome toky ahy ireo tompon’andraikitra tao amin’ny toeram-pitrandrahana hoe: “Aza matahotra fa fahadisoana no nahatonga an’iny. Hanoratra any amin’ny tafika mihitsy izahay izao, dia hilamina ny momba an’io.” Tsy nilamina anefa ilay izy, ka nanatona ahy ny tompon’andraikitra iray tamin’ny farany, ary niala tsiny hoe: “Mbola tsy nisy ohatran’ity hatramin’izay, tsy maintsy mankany amin’ny tafika ianao.” Tsy neken’ny feon’ny fieritreretako ny hiady, ka tsy nanaiky ho any amin’ny tafika aho. Nosamborina àry aho ary nalefa tany amin’ny toby miaramila akaiky indrindra.—Isaia 2:4.
Niatrika fitsarana
Noresena lahatra hanao raharaha miaramila aho, rehefa avy nampidirina am-ponja tany Kladno, tamin’ny Janoary 1961. Nandamina fivoriana iray ny tompon’andraikitry ny tafika. Nalaina aho, ary nentina tao amin’ny efitra lehibe iray fanaovana fivoriana, nisy latabatra boribory voahodidin’ny seza hoditra. Tonga ireo miaramila manamboninahitra, rehefa afaka kelikely, ary nipetraka nanodidina ilay latabatra. Nisy iray tamin’izy ireo nampahafantatra ahy ireo olona nanatrika teo. Nipetraka izy avy eo, ary nilaza hoe: “Lazao aminay amin’izay ny momba an’izany fivavahanao izany.”
Nivavaka mangina haingana aho, ary nanomboka niresaka tamin’ireo olona vonona hihaino tsara ireo. Tsy ela dia nivadika ho evolisiona ny resaka, ary nisy nilaza fa mifandray amin’ny siansa ny evolisiona. Gaga ry zareo fa haiko ny nanaporofo fa tsy marim-pototra ny teoria momba ny evolisiona. Efa nianarako tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona nisy ahy taloha mantsy ilay bokikely hoe Mifanohitra Amin’ny Tontolo Vaovao ny Evolisiona. a
Niditra tamin’ilay resaka koa ny lehilahy katolika iray, komandà tao amin’ny tafika. “Ahoana ny fiheveranareo an’i Maria Virjiny?”, hoy izy. “Ary ahoana ny fandraisanareo ny Lamesa masina?” Novaliako ny fanontaniany, ary hoy aho taminy: “Hitako, tompoko, fa tena mpino ianao satria hafa noho ny an’ny sasany ny fanontanianao.”
Nanohitra mafy izy hoe: “An, an, an. Tsy mpino izany aho!” Raha nisy mantsy olona nitonona ho Kristianina tatỳ amin’ny Fanjakana Kominista, dia tsy nohajaina mihitsy izy sady tsy nomena andraikitra, na nomena ihany fa kely. Tsy niteny intsony àry io komandà io rehefa voavaliko ny fanontaniany. Tena velom-pankasitrahana aho, fa afaka nanazava tamin’ireo lehilahy ireo ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Fahafahana hafa hitory
Nentina tany amin’ny tranon’ny miaramila tany Prague aho, rehefa afaka andro vitsivitsy, ary nasaina nambenan’ny miaramila. Gaga ny miaramila nitam-piadiana nasaina niambina ahy voalohany, satria nambenana manokana mihitsy aho. Hoy izy: “Vao voalohany izao no nisy olona nasaina nambenanay manokana ohatran’izao.” Nohazavaiko taminy àry ny antony nampidirana ahy
am-ponja. Tena nahaliana azy izany, ka nipetraka izy, nataony teo anelanelan’ny lohaliny ny basy, ary nihaino ahy izy. Nangataka fanazavana toy izany koa ny miaramila hafa nandimby azy, rehefa afaka adiny roa, ary nanao dinidinika ara-baiboly izahay.Afaka niresaka tamin’ireo mpiambina aho ny andro nanaraka, sady afaka niresaka tamin’ireo voafonja hafa rehefa navelan’ny mpiambina. Nosokafan’ny mpiambina mihitsy aza ny efitra figadrana ary navelany hitangorona ireo voafonja hiara-manao dinidinika ara-baiboly! Natahotra aho tatỳ aoriana, sao hanahirana raha nisy nahafantatra hoe navelan’ny mpiambina hiresaka tamin’ny voafonja hafa aho. Tsy nisy nahafantatra ny momba izany mihitsy anefa.
Tamin’ny farany, dia nampahery ahy ireo olona niresahako momba ny fivavahako, rehefa nentina notsaraina aho. Roa taona ny saziko, ary nampiana an’ireo enin-taona tsy nefaiko tamin’ny saziko voalohany noho ilay famotsoran-keloka. Mbola higadra valo taona eo ho eo aho izany.
Nahatsapa ny fanampian’Andriamanitra
Tsapako matetika fa nanampy ahy Andriamanitra, tamin’izaho nifindrafindra toby sy fonja teto Tsekoslovakia. Rehefa tonga tany amin’ny fonjan’i Valdice aho, dia nanontany ny antony nigadrako ny lehiben’ny fonja. Namaly aho hoe: “Tsy nety hanao raharaha miaramila aho satria mifanohitra amin’ny finoako ny fandraisana anjara amin’ny ady.”
Tsara fanahy erỳ izy namaly hoe: “Tsara raha mitovy amin’izany daholo ny toe-tsain’ny olona.” Nisaina kely anefa izy, dia nilaza hoe: “Tsy toy izany anefa ny fisainan’ny olona ankehitriny, ka tsy maintsy hofaizinay ianao, ary hofaizinay mafy mihitsy!”
Nalefa tao amin’ny sampan-draharaha mpandidy fitaratra aho; tao mantsy ny sampana ho an’ireo voasazy. Hitanareo amin’izany àry fa mbola gadra politika foana no niheverana ahy, ka nampanaovina asa mafy be aho. Ny fandavako tsy hanao raharaha miaramila noho izaho Vavolombelon’i Jehovah anefa no nanamelohana ahy. Tena asa sarotra ny nandidy fitaratra fanaovana fitoeran-jiro sy zava-tsarobidy hafa, satria tokony hatao tsy misy tomika mihitsy izy ireny. Nahazatra an’ireo voafonja ny nanatitra ny asa vita sy ny nahita ny antsasaky ny asany niverim-potsiny ny ampitso, satria nisy tsy nety. Tena sarotra àry ny nanenjika ny isa tokony hovitaina.
Tsy maintsy niandry ny tompon’andraikitra aho, tamin’ny andro voalohany nahatongavako tao amin’io sampan-draharaha io. Vao tonga izy, dia nivazavaza tamin’ireo voafonja, satria hoe tsy niasa tsara izy ireo. Noteteziny ireo voafonja ary nanatona ahy izy avy eo, ka nilaza hoe: “Ary ahoana ialahy? Nahoana ialahy no tsy miasa?”
Nohazavaiko taminy fa voafonja vao tonga aho. Nentiny tany amin’ny biraony aho ary nametrahany an’ireo fanontaniana mahazatra, anisan’izany ny antony nigadrako. Nohazavaiko taminy ny momba ahy, ka hoy izy: “Vavolombelon’i Jehovah izany ialahy?”
“Ia”, hoy aho.
Niova avy hatrany ny fihetsiny. “Aza matahotra”, hoy izy. “Efa nisy Vavolombelon’i Jehovah maro tato. Manaja azy ireny izahay, satria miasa mafy izy ireo sady olo-mendrika. Hataoko izay hanomezana anao asa antonony araka izay vitanao.”
Tsy nampoiziko hiova toy izany ny fihetsiny! Velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy ireo mpiray finoana tamiko aho, satria izy ireo no nahatsara ny lazan’ny Vavolombelona tao amin’io fonja io. Tena tsapako fa nanampy ahy tamim-pitiavana i Jehovah nandritra ny fotoana rehetra naha tany am-ponja ahy.
Na dia nihasarotra aza ny zavatra niainako, dia natoky foana aho fa tsy maintsy hifankahita tamin’ireo rahalahiko kristianina. Hahita ny tsikin’izy ireo mahafinaritra aho amin’izay, ary hahazo fampaherezana avy aminy. Ho sarotra be tamiko ny niaritra ny fiainana tany am-ponja, raha tsy nisy azy ireo.
Toa tsy nieritreritra afa-tsy ny hamaly faty ny ankamaroan’ireo voafonja, noho izy ireo natao ratsy fitondra. Tsy mba nieritreritra toy izany mihitsy anefa aho. Takatro fa ny fankatoavana ny toro lalana marin’Andriamanitra no nahatonga ahy hijaly. Fantatro àry fa hanonitra ny andro tsirairay laniko tany am-ponja Salamo 37:29; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.
i Jehovah, ka hanome ahy andro mahafinaritra tsy tambo isaina, ao amin’ny Paradisa any amin’ny tany vaovao.—Mankasitraka ny fitahiana ankehitriny
Afaka ihany aho tamin’ny Mey 1968, rehefa avy nigadra 15 taona mahery. Sadaikatra ny hitory aho teo am-boalohany. Tsy nahazatra anay mantsy izany, satria tany am-ponja ny androatokom-piainanay ary ny voafonja sy ny mpiambina foana no nanodidina anay. Nanampy ahy haingana handray anjara tamin’ny asa fitoriana anefa ireo rahalahiko kristianina, na dia mbola voarara aza ny asa.
Nifankahita tamin’i Eva aho, herinandro vitsivitsy taorian’ny nanafahana ahy. Nanohitra mafy ny fianakaviany, kanefa nanana herim-po izy sy ny anadahiny niandany tamin’ny fahamarinana ara-baiboly, telo taona teo ho eo talohan’izay. Tsy ela izahay dia niara-nitory sy niara-niasa tamin’ny famokarana boky sy gazety ara-baiboly. Natao an-tsokosoko tany amin’ny toerana fanaovana pirinty miafina izany. Nivady izahay tamin’ny Novambra 1969.
Teraka i Jana, zanakay voalohany, tamin’ny 1970. Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, taoriana kely, ka nitsidika fiangonana isaky ny faran’ny herinandro mba hanome azy ireo fampaherezana ara-panahy. Teo am-panaovana an’io asa io aho no nosamborina, tamin’ny 1975, ary nampidirina am-ponja indray. Volana vitsivitsy monja aho no tany, tamin’io indray mandeha io. Teraka i Štěpán zanakay lahy tamin’ny 1977.
Neken’ny Repoblika Tseky ho ara-dalàna ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny farany, ny 1 Septambra 1993. Nanambady an’i Dalibor Dražan anti-panahy i Jana zanakay vavy, ny taona nanaraka an’io. Mpanampy amin’ny fanompoana i Štěpán zanakay lahy, ary nanambady an’i Blanka mpanompo manontolo andro izy, tamin’ny 1999. Mpikambana ao amin’ny fiangonana eto Prague izao izahay mianakavy. Miandrandra fatratra ny fotoana hahatongavan’ny tontolo vaovao izahay rehetra. Ny tsy andriko indrindra anefa, dia ny fotoana tsy hisian’ny fonja intsony na aiza na aiza.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny teny anglisy, tamin’ny 1950.
[Sary, pejy 20]
Fihogo no nampiasaiko hanoratana andininy ara-baiboly
[Sary, pejy 21]
Ny tobin’i Bytiz nigadrako sy nanaovana batisa ahy
[Sary, pejy 23]
Ny mariazinay
[Sary, pejy 23]
Izaho sy Eva, miaraka amin’i Štěpán sy Blanka eo ankavia ary i Jana sy Dalibor eo ankavanana