Ho Avotra ve ny Karazam-biby?
Ho Avotra ve ny Karazam-biby?
“MADIVA ho lany tamingana, noho ny afitsoky ny olombelona, ireo karazam-biby manomboka amin’ny rajako ka hatramin’ny lohovava sy ny angidina, hany ka tandindomin-doza hatramin’ny aintsika”, hoy ny Gilaoby sy Taratasy, gazety any Kanada. Nohazavain’ilay gazety ny Lisitry ny IUCN Momba Ireo Karazam-biby Tandindomin-doza, Taona 2000. Ny IUCN dia Fikambanana Iraisam-pirenena Miahy ny Natiora, any Genève, Soisa. Mampitandrina ilay Lisitra fa karazam-biby sy zavamaniry maherin’ny 11 000 no efa ho lany tamingana, ka ny biby mampinono no voalohany amin’izany. “Efa ho ny ampahefatra, na 24 isan-jaton’ny biby mampinono velona eto an-tany no atahorana ho lany tamingana”, hoy ny Gilaoby.
Inona no mahatonga izany? Milaza ny mpahay siansa fa ny varotra biby ompiana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fampiasana harato lava feno loham-pintana ary ny fahapotehan’ny fonenan’ireo karazam-biby, no antony manafaingana ny fanjavonan’izy ireny. Mihabetsaka koa ireo lalana vakina any anaty ala mba hitondrana hazo, “hany ka manjary mora kokoa amin’ny olona ny mahita bibidia. Avy eo dia vonoiny sy haniny ireny. Ho lany tamingana ny karazam-biby raha mitohy izany”.
Milaza ny mpahay siansa fa mety hitera-doza ho an’ny olombelona koa izany. “Manimba ny zavatra iankinan’ny aintsika isika rehefa manao izay hahalany tamingana ny karazam-biby”, hoy i David Brackett, mpitarika fikambanana iraisam-pirenena iray miaro ny karazam-biby. “Ho simba ny tanintsika raha ny toeram-pijerem-biby fotsiny no asiana ireo karazam-biby.”
Mampirisika ny rehetra hanao zavatra ny tatitry ny IUCN, ary nilaza fa “tsy maintsy ampiasaina avo folo heny ka hatramin’ny zato heny ny olona sy ny vola, mba hiadiana amin’io zava-manahirana io”. Mampalahelo anefa fa manakana ny ezaka amim-pahatsorana hiarovana ny haren’ny tanintsika ny fitiavam-bola.
Ho avotra ve ny karazam-biby eto an-tany? Nasaina nikarakara ny karazan-javaboary teto an-tany ilay mpivady olombelona voalohany sy ny zanany. Hoy ny Baiboly: “Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.” (Genesisy 2:15) Na dia tsy nahatanteraka ny andraikiny aza ny olona, dia tsy miova ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany. Mikarakara ny tanintsika izy, ary tsy hamela azy io hosimban’ireo tsy miraharaha na tia vola. (Apokalypsy 11:18) Mampanantena toy izao ny Teniny: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:29.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./J.D. Pittillo