Fantatrao ve?
Fantatrao ve?
(Hita ao amin’ny teny nalaina tao amin’ny Baiboly omena eo akaiky ny valin’izao fanontaniana izao, ary ao amin’ny pejy 27 ny lisitra feno misy ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Étude perspicace des Écritures”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)
1. Inona no niantsoana ny fitsarana avo jiosy? (Asan’ny Apostoly 5:27)
2. Araka ny noresahin’ny apostoly Jaona, mandritra ny fe-potoana inona i Jesosy no hamarana amim-pahombiazana ny zavatra sasany mifandray amin’ny fikasan’Andriamanitra? (Apokalypsy 1:10)
3. Fitaovam-piadiana telo inona avy no nananan’i Goliata fony izy nifanandrina tamin’i Davida? (1 Samoela 17:45)
4. Iza no vadin’i Hosea? (Hosea 1:3)
5. Iza no nahita fa nandositra ny Syrianina izay nanao fahirano an’i Samaria? (2 Mpanjaka 7:3-5)
6. Nanendry inona teo amin’ny fanjakany rehetra i Ahasoerosy mpanjaka persanina tamin’ny fotoana nanaovany an’i Estera ho mpanjakavavy? (Estera 2:18)
7. Tsy ela taorian’ny namoronana an’i Adama, inona no nolazain’i Jehovah fa tsy tsara ho azy? (Genesisy 2:18)
8. Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Josoa tamin’ny soavalin’ny fahavalon’ny Isiraely, ka nampirisika ny Isiraely hiantehitra tamin’i Jehovah mba hahazoana fiarovana? (Josoa 11:6)
9. Inona no afaka mampianina ny fahatezerana mafy? (Ohabolana 15:1)
10. Nahoana no natao teo alohan’ny ankamaroan’ireo salamo ny teny mampiditra azy? (Salamo 3-9)
11. Teny inona no niharihary fa nampiasain’i Joba mba hilazana fa nandositra tsy nitondra saika na inona na inona izy? (Joba 19:20)
12. Tao an-tranon’iza i Jesosy fony niampanga azy ho niara-nihinana sy nisotro tamin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ny mpanora-dalana sy ny Fariseo? (Lioka 5:29, 30)
13. Nandrara ny fihinanana inona amin’ny biby natao sorona ny Lalàn’i Mosesy? (Levitikosy 7:23-25)
[Efajoro, pejy 27]
Valin’ny Fanontaniana
1. Ny Synedriona
2. “Ny Andron’ny Tompo”
3. Sabatra sy lefona ary lefompohy
4. Gomera
5. Boka efa-dahy
6. Andro fifaliana
7. “Raha irery”
8. Mba hitraingo ny soavaly sy handoro ny kalesy
9. Ny famaliana mora
10. Mba hamantarana ny mpanoratra sy hanomezana toromarika momba ny mozika ary hanomezana fanazavana ara-tantara na ny zava-kendren’ilay salamo
11. “Akanjo-nifiko”
12. Tao an-tranon’i Levy, na i Matio
13. Ny sabora