Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ny Antony Andinihana ny Asa Mahatalanjon’Andriamanitra”

“Ny Antony Andinihana ny Asa Mahatalanjon’Andriamanitra”

Tongava hihaino ilay lahateny tsy hisy vidim-pidirana hoe

Ny Antony Andinihana ny Asa Mahatalanjon’Andriamanitra”

MANOMBOKA amin’ny volana Jolay, dia ho anisan’ny lahateny hasongadina any amin’ireo Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”, haharitra telo andro, izay hatao eto Madagasikara, io lahateny voalaza etsy ambony io. Hisy 13 ireo fivoriambe ireo, ary hatao amin’ny teny frantsay ny iray amin’izy ireo. Hasongadina any amin’ny fivoriambe toy izany maherin’ny 2 000, hatao any amin’ny tany maherin’ny 150 maneran-tany, ilay foto-kevitra etsy ambony.

Nandritra ny taonjato faha-20, dia nahavita zavatra mahazendana ny olombelona, ary tsy isalasalana fa hahavita maro kokoa amin’ity taonjato faha-21 ity. Tsinontsinona mihitsy anefa ireny asa vitan’olombelona ireny rehefa ampitahaina amin’ny zava-bitan’Andriamanitra! Tsy mahagaga raha nampirisika toy izao ny olon-kendry fahiny iray: “Mijanòna, ka mba diniho ny [asa mahatalanjon’Andriamanitra, NW]”! — Joba 37:14.

Inona avy no lesona azontsika tsoahina avy amin’ireo zavaboary manodidina antsika, toy ny fisondrotan’ny ranon’ny ranomasina sy ny fisintonany, ny orana, ny orampanala, ary ny rivotra? Amin’ny ahoana no tokony hanan-kery eo amin’ny fiainantsika ankehitriny ny loharanon’ireny zavatra ireny? Hovaliana ao amin’io lahateny io ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.

Anontanio ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana na manorata any amin’ny mpampanonta ity gazety ity, raha tianao ho fantatra ny toerana hanaovana ny fivoriamben’ny distrika akaiky indrindra aminao. Misy ny lisitr’ireo toerana rehetra hanaovana ireo fivoriambe eto Madagasikara Ny Tilikambo Fiambenana, gazety naman’ny Mifohaza!, mitondra ny datin’ny 15 Febroary.