Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanehoana Fitandremana eo Amin’ny Fampiasana Televiziona

Fanehoana Fitandremana eo Amin’ny Fampiasana Televiziona

Fanehoana Fitandremana eo Amin’ny Fampiasana Televiziona

TOY ny hoe ny lehibe indrindra amin’ny “mpilaza tantara sy mpiambin-jaza ary mpamolavola saim-bahoaka” ny televiziona, araka ny fanamarihan’ny Not in the Public Interest—Local TV News in America (Tsy Mahaliana ny Vahoaka — Vaovao An-tsary eto Amerika), tatitra iray nangonin’ny fikambanana iray mpanara-maso ny fampitam-baovao any Etazonia. “Hita hatraiza hatraiza manodidina antsika ny tele (...). Toy ny setroka avoakan’ny mpifoka sigara, dia miely patrana koa izy io.” Manimba ny fitrohana ny setroka avoakan’ny mpifoka sigara. Tsy misy hafa amin’izany koa fa manimba, indrindra fa ny ankizy, ny fijerena ny fandaharana tsy misy an-kanavaka ao amin’ny tele, mandritra ny ora maro.

Rehefa miresaka momba ny heloka bevava sy ny herisetra ao amin’ny tele ilay tatitra, dia manamarika fa “nasehon’ny fandinihana an-jatony maro nataon’ny mpikaroka fa misy heriny ratsy eo amin’ny fianaran’ny ankizy sy ny fitiavany ady ary ny fahaizany miombom-pihetseham-po amin’ny hafa ny fijerena sary feno herisetra”. Nilaza ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana tamin’ny 1992 fa “anton-javatra mety hahatandindomin-doza ny fahasalaman’ny tanora, ny herisetra ao amin’ny televiziona”.

Ahoana no hifehezanao ny herin’ny fandaharana manimba ao amin’ny tele eo amin’ny zanakao? Ahitana lisitry ny torohevitra sasany, nampifanarahina tamin’ireo fanoloran-kevitry ny fikambanana maromaro momba ny fahasalamam-bahoaka, ao amin’ilay tatitra, mahakasika ny fomba hanehoana fitandremana kokoa rehefa mampiasa televiziona. Indreto ny sasany amin’ireo torohevitra ireo.

[Efajoro, pejy 18]

◼ Fero mialoha ny fijerenao tele. Fero ny andro ahafahan’ny ankizy mijery. Aza asiana tele ao amin’ny efitranon’ny ankizy.

◼ Asio gilaoby bolan-tany eo akaikin’ny tele mba hahafahan’ny ankizy hijery hoe aiza ny toerana hitany ao amin’ireo fandaharana.

◼ Miaraha mijery tele amin’ireo zanakao mba hahafahanao hanazava ny fahasamihafan’ny zavatra noforonin’ny saina sy ny tena izy. Tsy mahay manavaka izany foana ny ankizy latsaka ny folo taona.

◼ Esory tsy ho eo amin’ny toerana talaky maso ao an-tranonao ny televiziona, ka ataovy ao amin’ny toerana mihidy. Ho sarotra kokoa amin’izay ny handefa azy io sy ny hikarokaroka fandaharana.