Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Nahatafitan’ilay Boky Hatramin’izao Andro Izao?

Ahoana no Nahatafitan’ilay Boky Hatramin’izao Andro Izao?

Ahoana no Nahatafitan’ilay Boky Hatramin’izao Andro Izao?

Ireo asa soratra tranainy dia nanana fahavalo voajanahary: ny afo, ny hamandoana, ny bobongolo. Tsy vita fanefitra tamin’ireo loza ireo ny Baiboly. Ny nahafahany ho tafita hatramin’izao, na dia teo aza ny fanimban’ny fotoana, ka nahatongavany ho ny boky mora azo indrindra eto ambonin’ny tany, dia mahagaga indrindra eo amin’ireo asa soratra tranainy. Mendrika ny hanehoana mihoatra noho ny fahalianana mihelina fotsiny izany tantarany izany.

IREO nanoratra ny Baiboly dia tsy nanao sokitra ny teniny teo amin’ny vato, no sady tsy nanoratra azy ireo teo amin’ny takelaka tanimanga naharitra. Miharihary kosa fa nirakitra an-tsoratra ny teniny teo amin-javatra mora simba izy ireo—teo amin’ny taratasy papyrus (vita tamin’ny karazan-jozoro ejipsianina mitondra io anarana io koa) sy teo amin’ny taratasy parchemin (vita tamin’ny hodi-biby).

Inona no niafaran’ireo soratra tany am-boalohany? Azo inoana fa levona efa ela be izy ireo, ka ny ankamaroany dia tany Israely fahiny. Hoy ny nohazavain’i Oscar Paret, manam-pahaizana iray: “Ireo fitaovana nanoratana ireo [ny karazan-jozoro sy ny hoditra] dia samy mora voan’ny hamandoana sy ny bobongolo ary ny olitra maro samihafa. Fantatsika avy amin’ny fiainana andavanandro fa ny taratasy, ary na dia ny hoditra mafy koa aza, dia mihasimba rehefa mijanona eny ivelany na ao anaty efitra mando.”1

Raha tsy eo intsony ireo soratra voalohany, ahoana no nahatafitan’ny tenin’ireo nanoratra ny Baiboly hatramin’izao androntsika izao?

Voatsimbina noho ireo mpanao kopia mpikaly fatratra

Tsy ela taorian’ny nanoratana ireo soratra voalohany, dia nanomboka nisy kopia natao tanana. Ny fanaovana kopia ny Soratra Masina, raha ny tena izy, dia nanjary raharahan’ny matihanina teo amin’ny Israely fahiny. (Ezra 7:6, NW; Salamo 45:1, NW) Noraketina teo amin-javatra mora simba koa anefa ireny kopia ireny. Tamin’ny farany, dia voatery nosoloana kopia natao tanana hafa izy ireny. Rehefa tsy hita intsony ireo soratra voalohany, dia ireto kopia ireto no nanjary fototr’ireo sora-tanana nanaraka. Nitohy nandritra ny taonjato maro ny fanaovana kopia toy izany. Moa ve nanova be ny soratra tao amin’ny Baiboly ny diso nataon’ireo mpanao kopia arakaraka ny fandehan’ireo taonjato? Ny porofo dia mamaly hoe tsia.

Tena be fandavan-tena ireo mpanao kopia matihanina. Nanana fanajana lalina an’ireo teny nataony kopia izy ireny. Mpikaly fatratra koa izy ireny. Ny teny hebreo nadika hoe “mpanao kopia” dia hoe so·pherʹ, izay manana ny hevitra hoe manisa sy mirakitra an-tsoratra. Mba hampisehoana fa araka ny marina tsara ny asan’ireo mpanao kopia, dia diniho ny ohatr’ireo Masoreta. * Momba azy ireo, dia hoy ny nohazavain’i Thomas Hartwell Horne, manam-pahaizana iray: “Nijery tsara izy ireo ... hoe iza no litera afovoany indrindra amin’ny Pentateuque [ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly], sy hoe iza no fehezanteny afovoany indrindra ao amin’ny boky tsirairay, ary hoe impiry ny litera tsirairay amin’ny abidy [hebreo] no miseho ao amin’ireo Soratra Hebreo manontolo.”3

Araka izany, ireo mpanao kopia kinga dia nampiasa fomba fanamarinana maromaro. Mba tsy hanadinoana litera na dia iray monja aza tao amin’ny soratry ny Baiboly, dia tonga hatramin’ny fanisana, tsy ireo teny nataony kopia ihany, izy ireo, fa ireo litera koa. Hevero ilay fanehoam-pitandremana mafy tafiditra tamin’izany: Voalaza fa nahavita nanisa litera 815 140 samy hafa tao amin’ny Soratra Hebreo izy ireo!4 Ny ezaka natao tamim-pitandremana toy izany dia nanome antoka fa tena araka ny marina ireo kopia.

Na dia izany aza, dia tsy hoe tsy nety diso akory ireo mpanao kopia. Misy porofo ve fa, na dia teo aza ny fanaovana kopia imbetsaka tao anatin’ireo taonjato maro, dia azo itokiana ny soratra ao amin’ny Baiboly tafita hatramin’izao?

Fototra mafy orina hananana toky

Misy antony tsara inoana fa araka ny marina ilay Baiboly tonga hatramin’izao androntsika izao. Ny porofon’izany dia ireo sora-tanana mbola eo—6 000 eo ho eo amin’ny Soratra Hebreo manontolo na ampahany aminy, sy 5 000 eo ho eo amin’ny Soratra Kristianina amin’ny teny grika. Anisan’ireo ny sora-tanana iray amin’ny Soratra Hebreo hita tamin’ny 1947, izay porofo mampiseho fa araka ny marina tsara ny fanaovana kopia ny Soratra Masina. Hatramin’izay izy io dia nantsoina hoe “ny sora-tanana lehibe indrindra hita tamin’ny andro maoderina.”5

Fony niandry ny ondriny tany am-piandohan’io taona io ny Arabo kely iray mpiandry ondry, dia nahita zohy iray teo akaikin’ny Ranomasina Maty. Tao izy dia nahita siny tany maromaro, ka foana ny ankamaroan’izy ireo. Kanefa, tao amin’ny iray tamin’ireo siny ireo, izay nihidy mafy, dia nahita horonana hoditra iray voafono lamba tsara ary nirakitra ny bokin’i Isaia manontolo, izy. Io horonana voatahiry tsara nefa tonta io dia hita fa nisy simba namboarina taminy. Tsy azon’ilay mpiandry ondry an-tsaina velively fa iny horonana tranainy teny an-tanany iny dia hisarika ny fahalianan’ny olona maneran-tany tamin’ny farany.

Inona no naha-zava-dehibe aoka izany an’io sora-tanana io? Ny sora-tanana hebreo manontolo tranainy indrindra nisy tamin’ny 1947, dia vita tokony ho tamin’ny taonjato fahafolo A.K. Ity horonana ity anefa dia vita tamin’ny taonjato faharoa T.K. *—maherin’ny arivo taona talohany. * Tena liana ny hahita ny vokatry ny fampitahana io horonana io tamin’ireo sora-tanana natao ela be kokoa tatỳ aoriana, ireo manam-pahaizana.

Tao amin’ny fandinihana iray, ireo manam-pahaizana dia nampitaha ny toko faha-53 ao amin’ny Isaia ao amin’ilay Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty tamin’ny soratra masoretika vita arivo taona tatỳ aoriana. Ny boky hoe A General Introduction to the Bible dia manazava ireo vokatr’ilay fandinihana, toy izao: “Amin’ireo teny 166 ao amin’ny Isaia 53, dia litera fito ambin’ny folo monja no mampisalasala. Ny folo amin’ireo litera ireo dia noho ny tsipelin-teny fotsiny, izay tsy manova ny heviny. Ny litera efatra hafa dia noho ny fiovana madinika eo amin’ny fomba fanoratra, toy ny teny mampitohy. Ireo litera telo farany dia ny teny hoe ‘fahazavana’, izay nampidirina eo amin’ny andininy faha-11, nefa tsy manova loatra ny heviny. ... Araka izany, ao anatin’ny toko iray misy teny 166, dia teny iray (misy litera telo) monja no mampisalasala, aorian’ny fampitana soratra naharitra arivo taona—ary tsy manova firy ny hevitr’ilay andalan-teny akory io teny io.”7

Ny Profesora Millar Burrows, izay namakafaka ny raketin’ireo horonana ireo nandritra ny taona maro, dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra nitovy tamin’izany hoe: “Maro amin’ireo fahasamihafana ao amin’ny horonam-bokin’i Isaia ... sy ny soratra masoretika no azo hazavaina ho fahadisoana teo am-panaovana kopia. Ankoatra ireo, dia misy fitoviana mahavariana, amin’ny ankapobeny, amin’ny soratra hita ao amin’ireo sora-tanana tamin’ny Moyen Âge. Izany fitoviana izany, hita ao amin’ny sora-tanana iray izay tranainy lavitra aoka izany, dia porofo manome toky ny maha araka ny marina ny soratra avy tamin’ny lovantsofina ankapobe.”8

Misy “porofo manome toky” koa azo omena momba ny fanaovana kopia an’ireo Soratra Grika Kristianina. Ohatra, ny fahitana ny Codex Sinaiticus tamin’ny taonjato faha-19, izay sora-tanana hodi-biby vita tamin’ny taonjato fahefatra, dia nanamafy ny maha araka ny marina ireo sora-tanana amin’ny Soratra Grika Kristianina natao taonjato maro tatỳ aoriana. Ny sombin-taratasy papyrus amin’ny Filazantsaran’i Jaona, hita tao amin’ny faritanin’i Faiyūm, any Ejipta, dia vita tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faharoa, latsaka ny 50 taona taorian’ny nanoratana ilay soratra voalohany. Notahirizina nandritra ny taonjato maro tao anaty fasika maina izy io. Mifanaraka amin’izay hita ao amin’ny sora-tanana vita ela be tatỳ aoriana ny soratra ao.9

Ny porofo àry dia manamafy fa araka ny marina tsara ny asan’ireo mpanao kopia, raha ny tena izy. Na dia izany aza, dia nanao diso koa izy ireo. Tsy misy sora-tanana tsy misy tsininy, tafiditra amin’izany ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia. Na dia izany aza, ireo manam-pahaizana dia afaka nahita sy nanitsy ireny fihatahana tamin’ilay soratra voalohany ireny.

Fanitsiana ireo fahadisoana nataon’ireo mpanao kopia

Alao sary an-tsaina ny olona 100 nangatahina hanao kopia tanana lahatsoratra lava be iray. Tsy isalasalana fa ny sasany amin’ireo mpanao kopia ireo, fara faharatsiny, dia hanao diso. Kanefa, tsy hanao diso mitovy avokoa akory izy rehetra ireo. Raha raisinao ireo kopia 100 rehetra, ka ampitahainao amim-pitandremana, dia ho afaka hanavaka ireo fahadisoana ianao, ka hamaritra hoe inona ilay tena soratra tao amin’ilay lahatsoratra voalohany, na dia mbola tsy nahita azy io mihitsy aza ianao.

Mitovy amin’izany koa, ireo mpanao kopia ny Baiboly dia tsy nanao diso nitovy avokoa. Misy an’arivony maro ara-bakiteny ankehitriny ireo sora-tanana amin’ny Baiboly azo anaovana fampitahana. Nampiasa azy ireny ireo manam-pahaizana momba ny soratra, ka afaka nanavaka ireo diso, sy namaritra ilay soratra voalohany, ary nampiditra ireo fanitsiana nilaina. Ho vokatry ny fandinihana tamim-pitandremana toy izany, ireo manam-pahaizana momba ny soratra dia namoaka soratra fototra hiorenana, tamin’ireo fiteny tany am-boalohany. Ireny fanontana nohatsaraina amin’ny soratra hebreo sy grika ireny dia mampiasa ireo teny eken’ny besinimaro ho ny teny voalohany nampiasaina, ka manamarika eny ambany pejy ireo teny na soratra hafa na solony, izay mety ho hita ao amin’ny sora-tanana sasany. Ireo fanontana nohatsaraina nataon’ireo manam-pahaizana momba ny soratra no ampiasain’ireo mpandika ny Baiboly amin’ny fiteny maoderina.

Koa rehefa maka fandikan-tenin’ny Baiboly maoderina iray àry ianao, dia misy antony tsara itokiana fa ireo soratra hebreo sy grika niorenan’izy io dia mandika amim-pahatokiana mahavariana ireo tenin’ireo nanoratra ny Baiboly voalohany. * Tena mahatalanjona marina ny nahatafitan’ny Baiboly hatramin’izao, na dia teo aza ny fanaovana kopia tanana nandritra ny an’arivony taona maro. Noho izany, dia afaka nanambara i Sir Frederic Kenyon, mpikarakara ny British Museum nandritra ny ela be, hoe: ‘Tsy ho tafahoatra ny filazana fa azo antoka ny tena hevitra fototry ny soratra ao amin’ny Baiboly. Tsy marina izany raha ny amin’ny boky tranainy hafa rehetra eto an-tany.’10

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Ireo Masoreta (midika hoe “ireo Mpampianatra Lovantsofina”) dia mpanao kopia ny Soratra Hebreo, niaina teo anelanelan’ny taonjato fahenina sy fahafolo. Ireo sora-tanana nataon’izy ireo kopia dia antsoina hoe soratra masoretika.2

^ feh. 14 Ny hoe T.K. dia midika hoe “Talohan’ny Kristy”, ary ny hoe A.K. “Aorian’ny Kristy.”

^ feh. 14 Hoy ny ambaran’ny Textual Criticism of the Hebrew Bible, nataon’i Emanuel Tov: “Tamin’ny alalan’ny carbone 14, dia hita izao fa ny 1QIsaa [ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia] dia vita teo anelanelan’ny 202 sy ny 107 T.K. (daty paleôgrafika: 125-100 T.K.) ... Ny fomba paleôgrafika voalaza eo, izay nohatsaraina tato anatin’ireo taona faramparany, ka mamela ny hanomezana daty marina, miorina amin’ny fampitahana ny endrika sy ny toeran’ireo litera amin’ny zavatra avy any ivelany, toy ny vola vy sy soratra misy daty, dia voaporofo ho fomba azo itokiana ihany.”6

^ feh. 22 Mazava ho azy fa ireo mpandika teny isam-batan’olona dia mety ho sarotiny na tsy ho sarotiny loatra raha ny amin’ny fanarahana ireo soratra hebreo sy grika voalohany.

[Sary, pejy 8]

Voatsimbina ny Baiboly, noho ireo mpanao kopia kinga

[Sary, pejy 9]

Ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia (aseho eto ny kopia iray) dia saika mitovy tanteraka amin’ilay soratra masoretika natao arivo taona tatỳ aoriana