Hijery ny anatiny

Mahasoa ny Fiaraha-monina ve Ireny Efitrano Fanjakana Ireny?

Mahasoa ny Fiaraha-monina ve Ireny Efitrano Fanjakana Ireny?

Efa zato taona mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah no nanorina ny trano hivorian’izy ireo. Antsoina hoe Efitrano Fanjakana izy ireny. Misy Efitrano Fanjakana ve eny an-tanànanareo? Tena mahasoa ny fiaraha-monina ve ireny Efitrano Fanjakana ireny?

Flowery Branch, any Etazonia.

‘Manome endrika ny tanàna ny Efitrano Fanjakana’

Natao hanintona ny manodidina ny Efitrano Fanjakana. Hoy i Jason, anisan’ny mpiandraikitra ny fanorenana Efitrano Fanjakana any Etazonia: “Ny tanjonay dia hoe mba ho anisan’ny trano tsara tarehy indrindra sy mendrika indrindra eny amin’ilay toerana ireny Efitrano Fanjakana ireny.” Hoy koa ny Vavolombelon’i Jehovah iray mpanao planin’ny trano sady miara-miasa amin’ny ekipan’ny mpanao mari-trano: “Tianay raha hoe lasa manome endrika ny tanàna ilay Efitrano Fanjakana rehefa vita, sady mba mahatsara endrika ny trano hafa rehetra eny amin’ny manodidina.”

Vavolombelon’i Jehovah no manorina ny Efitrano Fanjakana. Miezaka izy ireo mba hoe ho vita tsara ireny Efitrano Fanjakana ireny. Matetika no voamariky ny olona izany fomba fiasan-dry zareo izany. Vao haingana izao, ohatra, no nisy Efitrano Fanjakana naorina tany Richmond, any Texas, any Etazonia. Nilaza ilay mpiasam-panjakana manara-maso momba ny fanorenana fa ny tafon’ilay Efitrano Fanjakana no anisan’ny tafo tsara tarehy indrindra hitany hatramin’izay. Nisy mpanara-maso momba ny fanorenana koa tonga nijery Efitrano Fanjakana iray naorintsika any Jamaika. Nitondra mpanara-maso momba ny fanorenana maromaro vao nanomboka niofana izy, tamin’izay. Hoy izy tamin’ireo mpiasa namany ireo: “Raha ny Vavolombelon’i Jehovah indray dia tsy misy atahoranareo. Arahin-dry zareo tsara daholo mantsy ny planina. Mihoatra an’izay takin’ny lalàn’ny fanorenana mihitsy aza no ataon-dry zareo.” Hoy koa ny mpanara-maso momba ny fanorenana any Floride, any Etazonia: “Efa be dia be ny hopitaly sy tetikasa ngezabe hafa nataon’ny fanjakana notsidihiko, fa tsy mbola nisy voalamina be hoatr’ity. Tena tsara be ny asa ataonareo!”

Concession, any Zimbabwe

Mahasoa ny fiaraha-monina

Mihatsara ny fiainan’ny olona rehefa mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo. Raha raim-pianakaviana ianao na renim-pianakaviana na ankizy, dia samy ampiana daholo mba ho lasa olona mahafinaritra kokoa. Hoy i Rod, miara-miasa amin’ny ekipa mpanao mari-trano: “Ny Efitrano Fanjakana tsirairay, dia toerana hampianarana ny olona ho tsara fitondran-tena, ary tena mahasoa ny fiaraha-monina izany. Misy afaka manampy anao koa any, rehefa misy olana ianao. Sariaka sady mahafinaritra be daholo ny olona any, ary tena ilain’izay mila fampiononana sy te hahafantatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra izany.”

Tia manampy ny mpiray tanàna aminy ny olona mivory any amin’ireny Efitrano Fanjakana ireny, ary tonga ry zareo dia manao zavatra rehefa misy loza mitranga. Taorian’ny Rivo-doza Matthew tany Bahamas, tamin’ny 2016, ohatra, dia trano 254 no namboarin’izy ireo. Nisy vehivavy atao hoe Violet, tany amin’izay tanàna iray izay. Valopolo taona izy ary tratran’ny tondra-drano ny tranony. Nanatona an’ireo Vavolombelon’i Jehovah tonga nanampy ny tra-boina izy. Nanontaniany ry zareo sao dia mba afaka manamboatra ny tranony koa. Nampanantena izy fa handoa ny karaman-dry zareo. Tsy nety nandray vola anefa ireo mpiasa ireo. Nosoloan-dry zareo daholo kosa izay tafon’i Violet nentin’ny rivotra, amin’izay tsy mitete intsony ny tranony. Simba koa ny valin-drihana tao amin’ny efitra fandraisam-bahininy, dia nasian-dry zareo plakôplatra vaovao. Nofihinin’i Violet tsirairay ry zareo rehefa vita ny asa sady hoy izy: “Tena mpanompon’Andriamanitra marina ianareo!”

Bad Oeynhausen, any Alemaina

‘Faly isika fa misy Efitrano Fanjakana etỳ amin’ny amin’ny tanànantsika’

Tian’ny Vavolombelon’i Jehovah ho tsara tarehy sy hahafinaritra foana ireny Efitrano Fanjakana ireny, dia nanao fandaharana ry zareo mba hampiofanana ny mpivory hahay hikojakoja tsara azy ireny. Tena nisy vokany tsara ilay izy. Nisy vehivavy iray izay izao, ohatra, tany Arizona, any Etazonia. Nasain’ny olona hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy dia nandeha. Notantarainy hoe tena voakojakoja tsara ilay Efitrano Fanjakana. Gaga be koa izy rehefa naheno hoe misy fandaharana atao mihitsy mba hikojakojana an’ireny Efitrano Fanjakana ireny, na dia mbola tsy misy simba aza ilay izy. Ny tanjon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia hoe mba ho tsara tarehy foana ireny trano ireny. Mpanao gazety io vehivavy io, ary mpanoratra lahatsoratra ao amin’ny gazety anankiray ao amin’ilay tanàna izy. Niresaka momba an’ilay Efitrano Fanjakana voakojakoja tsara io gazety io, tatỳ aoriana. Izao no namaranany an’ilay lahatsoratra: “Faly isika hoe ... misy Efitrano Fanjakana etỳ amin’ny tanànantsika.”

Misy Efitrano Fanjakana daholo any amin’ny toerana samihafa maneran-tany. Asainay àry ianao mba hitsidika an’izy ireny. Matokia fa ho raisina tsara ianao rehefa tonga any.