Hijery ny anatiny

18 AOGOSITRA 2023
MOZAMBIKA

Nivoaka Tamin’ny Teny Phimbi ny Bokin’i Matio

Nivoaka Tamin’ny Teny Phimbi ny Bokin’i Matio

Navoakan’ny Rahalahy Charles Fonseca, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika, Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio amin’ny teny phimbi, tamin’ny 13 Aogositra 2023. Io no boky voalohany ao amin’ny Baiboly navoaka tamin’ny teny phimbi. Nandritra an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2023 hoe “Manàna Faharetana”!, tao amin’ny tanànan’i Fingoe, no navoaka io boky io. Nisy 3 055 ny mpanatrika ary nahazo vita pirinty tamin’io boky io ry zareo. Efa azo nalaina tamin’io fotoana io koa ny endrika elektronika.

Any atsinanan’ny faritanin’i Tete, izany hoe any akaikin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Mozambika sy Zambia, no tena be mpampiasa ny teny phimbi. Tombanana ho 100 000 ny isan’ny olona mampiasa an’io fiteny io. Mpitory 897 no manompo any amin’ny fiangonana 20 miteny phimbi ary antoko-mpitory 2, any Mozambika. Hoy ny rahalahy iray solontenan’ny sampan’i Mozambika: “Tena faly be izahay izao hoe manana ny bokin’i Matio amin’ny fiteniny ny rahalahy sy anabavy miteny phimbi.”

Miara-paly amin’ireo rahalahy sy anabavintsika miteny phimbi isika noho izy ireo nahazo an’io fanomezana tsara be io. Manome toky mantsy ilay izy fa hotahina araka ny nampanantenain’i Jesosy ny olona “malemy fanahy.”​—Matio 5:5.