Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy
Hahafantatra kokoa an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra sady Mpamonjy ny olombelona ianao amin’ity video mifampitohy ity.
Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy—Topy Maso
Hoatran’ny hoe iainanao mihitsy ny tantaran’i Jesosy Kristy ao amin’ny Filazantsara rehefa mijery an’ilay video mifampitohy ianao.
FIZARANA 1
Ilay Tena Hazavana ho An’izao Tontolo Izao
Nahazo tombontsoa hitaiza an’i Jesosy i Josefa sy Maria. Niavaka tamin’ny zaza rehetra mantsy izy.
FIZARANA 2
“Io no Zanako”
Nanambara i Jaona Mpanao Batisa hoe ho avy ny Mesia. Nanomboka ny fanompoany i Jesosy.
FIZARANA 3
‘Izaho no Izy’
Nampianatra an’i Nikodemosy, ilay vehivavy samaritanina, ary ny olona tao Nazareta i Jesosy. Tsy nitovy anefa ny nataon-dry zareo taorian’izay.
FIZARANA 4
“Izany no Antony Nahatongavako”
Nanasitrana marary i Jesosy, namoaka demonia, nampianatra, ary nifidy ny apostoliny 12.
FIZARANA 5
‘Nahagaga ny Fomba Fampianany’
Nanao an’ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra i Jesosy rehefa avy nanasitrana vahoaka.
FIZARANA 6
“Ianao ve Ilay ho Avy?”
Nanangana ny maty i Jesosy, nampianatra sady nampiasa fanoharana tsotra, ary nampiharihary ny tao am-pon’ny mpihaino azy.
Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy—Fampahafantarana An’ilay Video Mifampitohy
Hoatran’ny hoe iainanao mihitsy ny fanompoan’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara rehefa mijery an’ilay video mifampitohy ianao. Jereo ato ange ny fampahafantarana an’ilay izy e!

