FIZARANA 4
“Izany no Antony Nahatongavako”
(Faharetany: 54:56)
Nanasitrana marary i Jesosy, namoaka demonia, nampianatra, ary nifidy ny apostoliny 12. Ireto avy no hita ato amin’ity fizarana ity:
I Jesosy mampianatra ao amin’ny Synagoga any Kapernaomy sy mamoaka fanahy maloto (Marka 1:21-29; Lioka 4:31-37)
I Jesosy manasitrana ny rafozambavin’i Petera (Lioka 4:38, 39; Matio 8:14, 15; Marka 1:30, 31)
I Jesosy manasitrana marary hafa be dia be (Lioka 4:40, 41; Matio 8:16, 17; Marka 1:32-34)
I Jesosy mivavaka any amin’ny toerana mitokana (Marka 1:35-38; Lioka 4:42, 43)
I Jesosy mitory sy mampianatra ary manasitrana (Matio 4:23-25; Marka 1:39)
I Jesosy manasitrana boka iray (Marka 1:40-45; Matio 8:1-4; Lioka 5:12-15)
I Jesosy mitady toerana mitokana mba hivavahana (Lioka 5:16)
I Jesosy any Kapernaomy, mamela ny heloky ny malemy iray sady manasitrana azy (Marka 2:1-12; Matio 9:1-8; Lioka 5:17-26)
I Jesosy manasa an’i Matio mba hanara-dia azy (Marka 2:13, 14; Matio 9:9; Lioka 5:27, 28)
I Jesosy miara-misakafo amin’ny mpamory hetra ao an-tranon’i Matio (Marka 2:15-17; Matio 9:10-13; Lioka 5:29-32)
Fanontaniana momba ny fifadian-kanina (Matio 9:14-17; Lioka 5:33-39; Marka 2:18-22)
I Jesosy mitory ao amin’ireo synagoga any Jodia (Lioka 4:44)
I Jesosy manasitrana lehilahy iray amin’ny Sabata eo amin’ny dobon’i Betizata (Jaona 5:1-9)
Miresaka amin’ilay lehilahy sitrana ny Jiosy (Jaona 5:10-13)
Hitan’i Jesosy ao amin’ny tempoly ilay lehilahy sitrana (Jaona 5:14, 15)
I Jesosy miresaka ny fahefana nomen’ny Rainy azy (Jaona 5:16-24)
Ho velona izay maty ara-panahy rehefa mihaino ny feon’i Jesosy (Jaona 5:25-27)
Hatsangana izay rehetra maty any am-pasana (Jaona 5:28-30)
Mijoro ho vavolombelona manamarina an’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa, ny asa ataon’i Jesosy, ny Ray, ary ny Soratra Masina (Jaona 5:31-47)
I Jesosy, “Tompon’ny Sabata” (Marka 2:23-28; Matio 12:1-8; Lioka 6:1-5)
I Jesosy manasitrana lehilahy iray maty tanana amin’ny Sabata (Lioka 6:6-11; Matio 12:9-14; Marka 3:1-6)
Vahoaka be eo amoron-dranomasina. I Jesosy, mpanompo malalan’Andriamanitra. Be dia be no sitrana (Marka 3:7-12; Matio 12:15-21)
Ny apostoly 12 voafidy (Lioka 6:12-16; Marka 3:13-19a)

