Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 13

Vavaka Fisaorana

Vavaka Fisaorana

(Salamo 95:2)

1. Jehovah Tompo, ianao no derainay,

Asandratray aminao ny feonay.

Ankasitrahanay ny fanampianao,

Mpihaino vavaka tokoa ianao.

Ifonanay ireo fahadisoanay,

Ny famelanao no angatahinay.

Nanavotra anay ny ran’ny Zanakao.

Faly ’zahay ’zao ampianarinao.

2. Sambatra ny olona izay fidinao

Mba hampianarina ao an-tranonao.

Ny Teninao manome fahendrena,

Ampiharinay amin’ny fiainana.

Mahavita miaritra ny mpanomponao,

Satria mitoky amin’ny herinao.

Ny Fanjakanao tsy maintsy torinay.

Avy aminao ny famonjena anay.

3. Tahio, Jehovah, mba handroso hatrany

Ireo mpanomponao maneran-tany.

Izay manohitra ny Fanjakanao,

Mbola haringan’ilay Zanakao.

Tsy hisy ’ntsony ny faharatsiana,

Ny zavaboary hiaina am-pifaliana.

Aoka hihira, hisaotra isika:

“Derao Jehovah Mpanjakantsika!”

(Jereo koa ny Sal. 65:2, 4, 11; Fil. 4:6.)