Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpamboly Tena Mahay

Mpamboly Tena Mahay

Mpamboly Tena Mahay

MISY karazana vitsika atao hoe mpanapaka ravinkazo, any Amerika Atsimo. Tena mahay mamboly izy io, ka mahavariana ny manam-pahaizana. Mamboly holatra io vitsika io mba hataony sakafo. Manapatapaka ravinkazo sy manangona poti-javatra any anaty ala aloha izy, ary entiny any amin’ny tranony ireo rehetra ireo. Tsakotsakoiny ireo avy eo, ary ataony zezika mba hampaniriana holatra. Hainy koa ny manao izay hampety foana ny hafanana sy hamandoana eo amin’ilay toerana amboleny, mba ho tena tsara ny vokatra azo. Inona kosa no ataony rehefa te hamboly any an-kafa izy? Zavatra avy eo amin’ilay toerana efa misy voly ihany no alainy ary afindrany any. Hain’io vitsika io mihitsy aza ny manala izay zavatra mety hanimba an’ilay holatra, ka tsy hahafahany mitombo tsara. Hitan’ny manam-pahaizana anglisy fa mahay mitsitsy fotoana sy hery koa io karazana vitsika io, satria tsy dia mandany fotoana be miasa izy, raha mbola ampy ny sakafony.

Asa mafy ny fambolena, nefa mahavita tsara an’izany ny vitsika mpanapaka ravinkazo. Tsy mahagaga àry raha milaza ny Baiboly hoe: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay kamo. Diniho ny fanaony ka mba hendre. Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy, dia manangona ny sakafony izy rehefa fahavaratra, ary manangona ny haniny mandritra ny fijinjana.” (Ohabolana 6:6-8) Manana fahaizana voajanahary ny vitsika mpanapaka ravinkazo. Tena porofo izany fa hendry i Jehovah Andriamanitra, ilay namorona azy io.—Ohabolana 30:24, 25.