Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona ny hevitry ny teny sasany ao amin’ny tatitra isan-taona?

Tsy andrintsika isan-taona izay hahitana ny tatitra momba ny fanompoana ao amin’ny Diary. Faly isika mamaky ny tatitra momba ny asa fitoriana sy fampianarana nataon’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. Mba handraisantsika soa amin’ilay tatitra anefa, dia tokony ho fantatsika ny dikan’ireo lohateny sy tarehimarika omena ao. Ireto misy ohatra.

Taom-panompoana: Manomboka Septambra izy io, ary mifarana ny volana Aogositra ny taona manaraka. Ny tatitra tamin’ny taona teo aloha no hita ao amin’ny Diary. Raha Diary 2011, ohatra, ilay izy, dia ny tatitra tamin’ny taom-panompoana 2010 no ao, izany hoe nanomboka 1 Septambra 2009 ka hatramin’ny 31 Aogositra 2010.

Tampon’isan’ny mpitory sy salanisan’ny mpitory: Ny mpitory vita batisa sy ny mpitory tsy vita batisa no antsoina hoe “mpitory” ao amin’ilay tatitra. Ahoana àry ilay hoe “tampon’isan’ny mpitory”? Jerena izay volana nahazoana tatitra be indrindra nandritra ny taom-panompoana, ka izay isan’ny tatitra voaray eo no atao “tampon’isan’ny mpitory.” Mety ho tafiditra ao anatin’io isa io ny tatitra tara izay tokony ho tamin’ny volana teo aloha, ka mety ho voaisa indroa ny mpitory sasany. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitory nanadino namerina tatitra. Midika izany fa tokony hamerina tatitra haingana isika isam-bolana. Ny hoe “salanisan’ny mpitory” indray, dia ny isan’ny mpitory mamerina tatitra tsy tapaka isam-bolana.

Tontalin’ny ora: Raha jerena ny Diary 2011, dia nandany 1 600 tapitrisa ora mahery ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanompoana teny amin’ny saha. Tsy tafiditra daholo amin’ilay hoe “tontalin’ny ora” àry ny fotoana nanompoantsika an’i Jehovah, anisan’izany ny fotoana lanintsika rehefa mitsidika ondry, mivory, mianatra samirery, ary misaintsaina.

Vola lany: Nandany 155 tapitrisa dolara mahery ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taom-panompoana 2010, nikarakarana an’ireo mpisava lalana manokana sy misionera ary mpiandraikitra mpitety faritany. Tsy tafiditra ao amin’io vola io ny vola lany nanaovana pirinty, sy ny vola lany nikarakarana an’ireo Betelita 20 000 mahery, izay manompo an-tsitrapo ao amin’ny biraon’ny sampana maneran-tany.

Isan’ny nandray mofo sy divay tamin’ny Fahatsiarovana: Isan’ireo olona vita batisa nihinana mofo sy nisotro divay tamin’ny Fahatsiarovana maneran-tany izy io. Midika ve izany hoe ireo ny isan’ny voahosotra maneran-tany? Tsia. Misy antony maromaro mety hahatonga ny olona hihevitra fa anisan’ny voahosotra izy, na dia tsy izany aza no izy. Anisan’izany ny zavatra nampianarina azy taloha, na ny olana ara-tsaina na ara-pihetseham-po. Tsy fantatra àry ny tena isan’ny voahosotra eto an-tany, ary tsy zava-dehibe ny hahafantarana an’izany. Tsy ataon’ny Filan-kevi-pitantanana lisitra ny anaran’ny olona mihinana mofo sy misotro divay amin’ny Fahatsiarovana, satria tsy mitahiry ny lisitry ny voahosotra maneran-tany izy ireo. *

Fantatsika fa mbola hisy voahosotra “mpanompon’Andriamanitsika” eto an-tany, rehefa hovotsorana ny rivotry ny fandringanana, amin’ny fahoriana lehibe. (Apok. 7:1-3) Mitarika an’ilay asa fitoriana sy fampianarana lehibe indrindra eo amin’ny tantara izy ireo mandra-pahatongan’izany, ary raketin’izy ireo ao amin’ny tatitra isan-taona ny asa vitan’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Mpanompo Mendri-pitokisana sy ny Filan-kevi-pitantanany”, ao amin’ny Tilikambo 15 Jona 2009, pejy 24.