Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitady ny Fahamarinana Ara-baiboly ny Menonita

Mitady ny Fahamarinana Ara-baiboly ny Menonita

Mitady ny Fahamarinana Ara-baiboly ny Menonita

NITSIRIKA teo am-baravarankely ny misionera Vavolombelon’i Jehovah any Bolivia, indray marainan’ny Novambra 2000. Nisy lehilahy sy vehivavy vitsivitsy niakanjo tsotsotra tazany nijoro teo am-bavahady, sady natahotahotra be. Izao no tenin’izy ireo voalohany, rehefa novohan’ireo misionera ny vavahady: “Te hahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izahay.” Menonita ireo vahiny ireo. Nanao salôpety ny lehilahy, ary tablie mainty ny vehivavy. Tenim-paritra alemà no nifampiresahan’izy ireo. Nitoditodika foana izy ireo satria nanahy sao nisy nanaraka. Mbola niteny ihany anefa ny tovolahy iray rehefa niakatra ny tohatra ho ao an-trano hoe: “Te hahafantatra ireo olona mampiasa ny anaran’Andriamanitra aho.”

Norosoana sakafo maivana izy ireo, rehefa tonga tao an-trano, ka tsy natahotra firy intsony. Tantsaha avy any amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana lavitra sady mitokana izy ireo. Efa nandritra ny enin-taona izy ireo no nahazo gazety Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny alalan’ny paositra. Nanontany ry zareo hoe: “Novakinay tao amin’ny gazetinareo hoe ho lasa paradisa ny tany. Marina ve izany?” Nasehon’ireo Vavolombelona azy ny valiny omen’ny Baiboly. (Isaia 11:9; Lioka 23:43; 2 Petera 3:7, 13; Apokalypsy 21:3, 4) Hoy àry ny iray tamin’ireo namany: “Hitanareo? Marina ilay izy. Ho lasa paradisa ny tany.” Ny hafa namerimberina hoe: “Tena nahita ny fahamarinana isika.”

Fa iza moa ny Menonita? Inona no zavatra inoany? Mba hamaliana izany, dia andeha isika hiverina any amin’ny taonjato faha-16.

Iza ny Menonita?

Lasa nahaliana ny olona tany Eoropa indray ny nianatra Baiboly, tamin’ireo taona 1500, satria nihabetsaka tampoka ny Baiboly nadika sy natao pirinty tamin’ny fiteny andavanandro. Betsaka ny fampianaran’ny Eglizy Katolika notoherin’i Martin Luther sy ny mpitondra fanavaozana hafa. Mbola nanaraka fanao maro tsy ara-baiboly anefa ireo fiangonana protestanta vao niforona. Notakin’ny ankamaroany, ohatra, ny hanaovana batisa ny zaza vao teraka rehetra. Hitan’ny olona sasany nitady ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly anefa, fa mbola tsy azo lazaina hoe anisan’ny fiangonana kristianina ny olona iray, raha tsy efa nanao fanapahan-kevitra voahevitra tsara talohan’ny batisany. (Matio 28:19, 20) Nanomboka nitety tanàna sy vohitra ny mpitory nafana fo tamin’izany hevitra izany, ka nampianatra Baiboly sy nanao batisa olon-dehibe. Nantsoina hoe Anabatista àry izy ireo, izay midika hoe “mpanao batisa fanindroany.”

Nisy mompera avy any amin’ny tanàna kelin’i Witmarsum, any avaratr’i Holandy, nitady ny fahamarinana, ka nanatona ny Anabatista. Menno Simons no anarany. Niala tanteraka tamin’ny eglizy izy tamin’ny 1536, ka natao haza lambo. Nampanantena mihitsy aza ny Emperora Romanina Masina Charles Faha-5, tamin’ny 1542, fa hanome vola be ho an’izay mahasambotra azy. Mbola nanangona Anabatista ihany anefa i Menno, ary nizarazara azy ireny ho fiangonana vitsivitsy. Tsy ela dia lasa nantsoina hoe Menonita izy sy ny mpanara-dia azy.

Ny Menonita ankehitriny

Nenjehina ny Menonita, rehefa nandeha ny fotoana, ka an’arivony no niala tany Eoropa Andrefana, ary nankany Amerika Avaratra. Afaka nanohy nitady ny fahamarinana sy nitory ny finoany tamin’ny olona maro kokoa izy ireo tany. Tsy dia nafana fo intsony toy ny razambeny anefa izy ireo, teo amin’ny fianarana Baiboly sy fitoriana. Mbola nihazona fampianarana tsy avy ao amin’ny Baiboly ny ankamaroany. Anisan’izany ny Andriamanitra telo izay iray, ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary ny afobe. (Mpitoriteny 9:5; Ezekiela 18:4; Marka 12:29) Tsy dia mifantoka amin’ny fitoriana intsony izao ny misionera menonita, fa amin’ny fanaovana asa soa sy fitsaboana.

Voalaza fa 1 300 000 eo ho eo izao ny Menonita, ary mipetraka any amin’ny tany 65. Mitaraina anefa izy ireo hoe tsy miray saina, toy izay tsapan’i Menno Simons ihany, taonjato maro lasa izay. Tsy nitovy hevitra, ohatra, izy ireo tamin’ny Ady Lehibe I momba ny adin’izao tontolo izao, ka niteraka korontana be izany. Betsaka no tsy nety nanao raharaha miaramila tany Amerika Avaratra, noho ny antony ara-baiboly. Hoy anefa ny boky iray momba ny tantaran’ny Menonita: ‘Nanaiky ny hanaovana raharaha miaramila ny fiangonana menonita tany Eoropa Andrefana, nanomboka tamin’ny 1914.’ Somary lasa manaraka fomba fiaina maoderina ny Menonita sasany ankehitriny. Ny hafa kosa mbola tsy mety manisy bokotra amin’ny akanjony, fa mampiasa agrafy, toy ny taloha. Mihevitra koa ry zareo fa tsy tokony hanala volombava ny lehilahy.

Nisy antokona Menonita nanapa-kevitra fa hisaraka tanteraka amin’ny tontolo maoderina. Nifindra tany amin’ny toerana mitokana àry izy ireo, mba tsy ho voahelingelin’ny fanjakana. Tokotokony ho 38 000, ohatra, ny Menonita mitsitokotoko any amin’ny toerana maro lavitra ny tanàn-dehibe, any Bolivia. Samy manana ny fitsipika mifehy azy izy ireo. Voarara ny fiarakodia any amin’ny toerana sasany, fa sarety tarihin-tsoavaly ihany no azo ampiasaina. Voarara kosa ny radio sy tele ary mozika any an-toeran-kafa. Misy mihitsy aza mandrara ny mponina ao aminy tsy hianatra ny fiteny eo amin’ny tany misy azy. Hoy ny Menonita iray: “Tsy avelan’ny mpitondra fivavahana hianatra teny espaniola izahay, mba hahafahany hifehy anay.” Maro no mahatsapa fa iharan’ny tsindry hazo lena. Mitebiteby lava koa izy ireo sao ho voaroaka, satria mbola tsy niara-niaina tamin’olona ankoatra ny Menonita mihitsy.

Voafafy ny voan’ny fahamarinana

Nahita gazety Ny Tilikambo Fiambenana tao an-tranon’ny mpiara-monina taminy ny tantsaha menonita iray, antsoina hoe Johann. Avy any Kanada izy mianakavy no nankany Meksika, ary nankany Bolivia avy eo. Efa ela izy no nitady fanampiana mba hahitany ny fahamarinana ara-baiboly. Nindraminy àry ilay gazety.

Nankany an-tanàn-dehibe izy taorian’izay, mba hivarotra vokatra, ka nanatona Vavolombelona iray nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana teo an-tsena. Nentin’ilay Vavolombelona tany amin’ny misionera iray miteny alemà izy, ka tsy ela dia nahazo Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny alemà, tamin’ny alalan’ny paositra. Nianarany tsara ny gazety tsirairay, ary nampitampitainy isam-pianakaviana, mandra-pahasimban’ilay izy. Nisy fianakaviana maromaro nifamotoana indraindray, ka niara-nianatra gazety iray hatramin’ny misasakalina, sady nijery an’ireo andinin-teny voatonona. Resy lahatra i Johann fa ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no miray saina sy manao ny sitrapon’Andriamanitra, maneran-tany. Izao àry no teniny tamin’ny vady aman-janany talohan’ny nahafatesany: “Tsy maintsy mamaky Ny Tilikambo Fiambenana foana ianareo, fa hanampy anareo hahazo izay lazain’ny Baiboly izany.”

Nanomboka niresaka tamin’ny mpiara-monina momba ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly ny mpianakavin’i Johann sasany. Hoy izy ireo: “Tsy hopotehina ity tany ity, fa hataon’Andriamanitra paradisa. Tsy mampijaly olona any amin’ny afobe koa Andriamanitra.” Ren’ny mpitondra fivavahana izany resaka nataon’izy ireo izany ka nasainy najanona, fa raha tsy izany, hono, dia horoahina izy ireo. Niara-nidinika momba io fandrahonana io izy mianakavy taorian’izay, ka hoy ny tovolahy iray: “Tsy azoko hoe nahoana isika no mitaraina momba ny mpitondra fivavahana ao amin’ny fiangonantsika. Efa fantatsika anie ny fivavahana marina e! Isika anefa mijanona amin’izao fotsiny.” Nanohina ny fon’ny rain’ilay tovolahy izany teny izany. Tsy ela dia nandeha mangingina nitady Vavolombelon’i Jehovah ny mpianakavy folo, ka tonga tany an-tranon’ny misionera, araka ilay notantaraina terỳ am-piandohana.

Nandeha nitsidika an’ireo namany vaovao ireo misionera, ny ampitson’io. Tsy nisy fiarakodia afa-tsy ny azy teny an-dalana. Sarety tarihin-tsoavaly avokoa no nifanena taminy. Nalefany moramora ny fiarany rehefa niditra tao an-tanàna. Samy variana àry na izy ireo na ny mponina tao an-tanàna, ka nifampijerijery kely. Tsy ela ireo misionera dia nipetraka nanodidina ny latabatra iray, niaraka tamin’ny Menonita folo avy amin’ny fianakaviana roa.

Adiny efatra tamin’izay vao vita ny fianarana ny toko voalohany amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Nijery andinin-teny hafa tsy voatonona tao amin’ilay boky ireo Menonita isaky ny fehintsoratra tsirairay, ary te hahazo antoka izy ireo raha takany tsara ilay izy na tsia. Nisy fiatoana kely isaky ny voapetraka ny fanontaniana tsirairay ao amin’ilay toko, ary nifampidinika tamin’ny fitenim-paritra alemà ireo Menonita. Nisy solontenany nandika ny valin-tenin’izy ireo tamin’ny teny espaniola avy eo. Tena nahafinaritra iny andro iny. Nananontanona anefa ny fanenjehana. Hiatrika fitsapana tsy ho ela izy ireo, tsy nisy hafa tamin’i Menno Simons, rehefa nanomboka nitady ny fahamarinana izy, efa ho dimanjato taona lasa izay.

Niatrika fitsapana noho ny fahamarinana

Tonga tao amin’ny fianakavian-dry Johann ny mpitondra fivavahana, andro vitsivitsy taorian’izay, mba hampitandrina azy ireo sy ny olon-kafa nanatrika ilay fianarana. Izao no teniny: “Renay hoe nitsidika anareo ny Vavolombelon’i Jehovah. Aza avela hankatỳ intsony ry zareo. Omeo anay koa ny bokiny hodoranay, fa raha tsy izany dia horoahina ianareo.” Vao indray mandeha fotsiny izy ireo no niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona, ka fitsapana lehibe ho azy ireo izany.

“Tsy afaka manao izany zavatra tadiavinareo izany izahay”, hoy ny navalin’ny loham-pianakaviana iray. “Hampianatra Baiboly anay fotsiny ange no nahatongavan-dry zareo e!” Inona no nataon’ireo mpitondra fivavahana? Noroahiny izy ireo, satria nianatra Baiboly! Tena mafy tamin’izy ireo izany. Nolalovan’ny saretin’ny orinasa mpanao fromazy fotsiny, ohatra, ny tranon’ny fianakaviana iray anisan’ny nianatra, fa tsy nalainy ny rononony. Izany anefa no mba fidiram-bolan’ilay fianakaviana. Noroahina tamin’ny asany koa ny loham-pianakaviana iray. Nisy raim-pianakaviana tsy navela hividy entana tao amin’ny fivarotan’ny tanàna, ary noroahina tany an-tsekoly ny zanany vavy folo taona. Nohodidinin’ny mpiray tanàna koa ny tranon’ny tovolahy iray voaroaka, mba hakana ny vadiny. Tsy nahazo niara-nipetraka taminy intsony, hono, ilay vehivavy. Nanohy nitady ny fahamarinana hatrany anefa ireo fianakaviana ireo, na dia teo aza izany rehetra izany.

Mbola tonga tany amin’izy ireo foana ny misionera isan-kerinandro, mba hampianatra Baiboly azy, na dia lavitra aza ny lalana. Tena nampahery an’ireo Menonita ireny fianarana ireny! Nandeha sarety tarihin-tsoavaly nandritra ny adiny roa ny fianakaviana sasany, mba hanatrehana izany. Niangavian’izy ireo ny iray tamin’ireo misionera, indray mandeha, mba hivavaka. Nampihetsi-po be io fotoana io. Tsy mba mivavaka amin’ny feo mafy mantsy ny antokona Menonita nisy azy ireo, ka mbola tsy nandre olona nivavaka ho azy mihitsy ry zareo taloha. Latsa-dranomaso ireo lehilahy! Gaga be koa ireo Menonita rehefa nitondran’ny misionera radio kasety. Tsy navela hihaino mozika mantsy ry zareo. Tena tiany anefa ny Feon-kiran’ilay Fanjakana, ka tapa-kevitra izy rehetra fa hanao hiran’ilay Fanjakana isaky ny avy nianatra! Mbola nanana olana anefa izy ireo. Inona no hivelomany manomboka izao?

Nahita rahalahy be fitiavana

Efa voaroaka tsy ho Menonita intsony izy ireo izao, ka izy ihany no nanao ny fromaziny. Nanampy azy ireo hahita mpividy ny misionera. Nandre ny fahoriany koa ny Vavolombelona iray hatramin’ny ela, any Amerika Avaratra. Nipetraka tany amin’ny tanànan’ny Menonita tany Amerika Atsimo izy mandra-pahalehibeny. Tena te hanampy izy, ka nandeha fiaramanidina nankany Bolivia, tamin’iny herinandro iny ihany, mba hitsidika azy ireo. Nanome teny fampaherezana be dia be izy. Tsy vitan’izay ihany, fa nampiany koa izy ireo hividy kamiaonety handehanany hanatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana, sy hitondrany vokatra any an-tsena.

Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Mafy ny nanjo anay rehefa voaroaka izahay. Nalahelo be izahay teny an-dalana ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Tena faly anefa izahay rehefa nody.” Nanao izay ho vitany tokoa ny Vavolombelona teo an-toerana mba hampaherezana azy ireo. Nianatra teny alemà, ohatra, ny sasany. Nisy Vavolombelona maromaro miteny alemà koa, tonga avy any Eoropa, mba hanampy tamin’ny fivoriana kristianina natao tamin’ny teny alemà. Tsy ela dia Menonita 14 no nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.

Tamin’ny 12 Oktobra 2001, herintaona latsaka taorian’ilay nankanesan’izy ireo tany amin’ny misionera, dia natao batisa fanindroany ny 11 tamin’ireo Anabatista taloha ireo. Ho porofon’ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah no nanaovany izany tamin’ity indray mandeha ity. Nisy hafa nanao izany koa, nanomboka tamin’izay. Hoy ny iray tatỳ aoriana: “Hoatran’ny andevo afaka no fahatsapanay ny tenanay, nanomboka tamin’ny fotoana nianaranay ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.” Ny iray hafa niteny hoe: “Betsaka ny Menonita mitaraina hoe tsy mifankatia ny olona ao aminy. Mifampiahy kosa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Sambatra aho miaraka amin’izy ireo.” Mety hahita zava-tsarotra koa ianao rehefa miezaka hahatakatra bebe kokoa ny fahamarinana. Ho resinao anefa izany raha mangataka ny fanampian’i Jehovah ianao, sady manana finoana sy herim-po toa an’ireo fianakaviana ireo. Ho sambatra koa ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 25]

Faly nahazo boky sy gazety amin’ny teny alemà

[Sary, pejy 26]

Voarara ny mozika tany aminy, nefa mihira foana izy ireo izao isaky ny avy mianatra