Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanao Sorona An-tsitrapo ka Afa-po sy Sambatra

Nanao Sorona An-tsitrapo ka Afa-po sy Sambatra

Tantaram-piainana

Nanao Sorona An-tsitrapo ka Afa-po sy Sambatra

NOTANTARAIN’I MARIAN SY ROSA SZUMIGA

Hoy ny Salamo 54:6: “Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao.” Io no filamatra narahin’i Marian Szumiga sy Rosa vadiny, mipetraka any Frantsa. Tsy ela izay dia notantarain’izy ireo ny sasany tamin’ireo zavatra niavaka sy nahafa-po niainany, teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

MARIAN: Katolika mpifindra monina avy any Polonina ny ray aman-dreniko. Olona tsotra tokoa i Dada, ary tsy mba nianatra tany an-tsekoly mihitsy. Nianatra namaky teny sy nanoratra anefa izy nandritra ny Ady Lehibe I, tamin’izy tany amin’ny hady niafenan’ireo miaramila. Natahotra an’Andriamanitra i Dada, kanefa matetika no nandiso fanantenana azy ny fivavahana.

Nisy zava-nitranga tsy nohadinoiny mihitsy. Nitsidika ny antoko-miaramila nisy azy ny mpitondra fivavahana iray, indray andro. Taitra be ilay mpitondra fivavahana, rehefa nipoaka teo akaiky teo ny baomba. Nandositra izy ka ny lakroany no nikapohany ny soavaliny mba handehanan’izy io haingana. Nanafintohina an’i Dada ilay ‘solontenan’Andriamanitra’ nampiasa zavatra “masina” mba hanafainganana ny fandosirany. Tsy nihena anefa ny finoany an’Andriamanitra, na dia nahita zavatra toy izany aza izy, ary na teo aza ireo fahoriana nahatsiravina vokatry ny ady. Matetika izy no nisaotra an’Andriamanitra, noho izy tafaverina soa aman-tsara avy tany an’ady.

“Polonina Kely”

Nanambady ankizivavy avy tamin’ny tanàna teo akaiky teo i Dada, tamin’ny 1911. Anna Cisowski no anarany. Nifindra teto Frantsa i Dada sy Neny, taoriana kelin’ny ady, tamin’ny 1919, ary nitrandraka arintany no asan’i Dada. Teraka tany Cagnac-les-Mines, any atsimoandrefan’i Frantsa aho, tamin’ny Martsa 1926. Avy eo ny ray aman-dreniko dia nipetraka tany amin’ny faritra be Poloney, tany Loos-en-Gohelle, any akaikin’i Lens, tatỳ amin’ny faritra avaratr’i Frantsa. Poloney ny mpanao mofo, Poloney ny mpivaro-kena, ary Poloney koa ny mompera. Tsy nahagaga àry raha nantsoina hoe Polonina Kely ilay faritra. Nandray anjara tamin’ny asa nataon’ny fiaraha-monina ny ray aman-dreniko. Matetika i Dada no nikarakara fampisehoana nisy tantara sy mozika ary hira. Nifanakalo hevitra tsy tapaka tamin’ny mompera koa izy, saingy tsy nahafa-po azy ilay valin-teniny nahazatra hoe: “Mistery izany.”

Nisy vehivavy roa nandondòna tao aminay indray andro, tamin’ny 1930. Mpianatra ny Baiboly izy ireo, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Nomen’izy ireo Baiboly i Dada, ka faly erỳ izy satria efa ela no naniriany hamaky azy io. Tena tian’izy mivady koa ny namaky ireo boky ara-baiboly nomen’ireo vehivavy ireo. Nanohina ny fon’ny ray aman-dreniko tokoa izay novakiny tamin’ireny boky sy gazety ireny. Nanomboka namonjy ireo fivoriana nalamin’ny Mpianatra ny Baiboly izy ireo, na dia be zavatra natao aza. Lasa adihevitra be ilay fifanakalozan-kevitra tamin’ny mompera. Nampitahoriny mihitsy aza i Dada, tatỳ aoriana, fa tsy havelany hianatra katesizy intsony, hono, i Stéphanie, anabaviko, raha mbola nifanerasera tamin’ny Mpianatra ny Baiboly ny ray aman-dreniko. Hoy i Dada: “Tsy maninona mihitsy, fa hiaraka aminay any amin’ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly, izy sy ny zanako hafa rehetra manomboka izao.” Niala tamin’ny fivavahany i Dada, ary natao batisa ny ray aman-dreniko, teo am-piandohan’ny 1932. Tsy nisy afa-tsy mpitory ilay Fanjakana 800 teo ho eo teto Frantsa, tamin’izany fotoana izany.

Rosa: Avy any Hongria ny ray aman-dreniko. Toy ny fianakavian’i Marian, dia nanorim-ponenana tatỳ avaratr’i Frantsa izy ireo, ary nitrandraka arintany no asany. Teraka tamin’ny 1925 aho. Nanomboka nitondra Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny hongroà ho an’ny ray aman-dreniko, ny Vavolombelon’i Jehovah iray atao hoe Auguste Beugin, tamin’ny 1937. Papa Auguste no niantsoanay azy. Liana tamin’ireny gazety ireny izy ireo, saingy tsy lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy.

Nanohina ny foko ny zavatra novakiko tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, na dia mbola kely aza aho. Niahy manokana ahy koa i Suzanne Beugin, vinanton’i Papa Auguste. Navelan’ny ray aman-dreniko nitondra ahy nivory izy. Niasa aho tatỳ aoriana, ka nanjary sorena i Dada rehefa nivory aho ny alahady. Olona tsy sarotiny i Dada, kanefa nitaraina toy izao izy: “Efa tsy eo mihitsy ianao mandritra ny herinandro, nefa mbola mandeha mivory indray rehefa alahady!” Nivory foana anefa aho. Nilaza àry izy, indray andro, hoe: “Ahoròny ny entanao, ary mandehana mandeha!” Efa hariva be ny andro tamin’izay. Vao 17 taona aho, ary tsy hitako izay haleha. Nankany amin’i Suzanne aho, sady nigogogogo nitomany. Nipetraka tany nandritra ny herinandro teo ho eo aho, izay vao naniraka ny rahavaviko haka ahy hody i Dada. Saro-kenatra aho, kanefa nanampy ahy hiorina mafy ny 1 Jaona 4:18. Milaza io andinin-teny io fa “mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary.” Natao batisa aho tamin’ny 1942.

Lova ara-panahy sarobidy

Marian: Niara-natao batisa tamiko tamin’ny 1942, i Stéphanie sy Mélanie anabaviko ary i Stéphane rahalahiko. Nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainam-pianakavianay ny Tenin’Andriamanitra. Nipetraka nanodidina ny latabatra izahay, ary namaky Baiboly tamin’ny teny poloney taminay i Dada. Matetika izahay no nandany ny takariva tamin’ny fihainoana ny ray aman-dreninay nitantara ny zavatra hitany teny am-pitoriana. Nampianatra anay ho tia an’i Jehovah sy hatoky azy bebe kokoa hatrany ireny fotoana ireny. Tsy salama i Dada ka voatery nijanona tsy niasa, kanefa nikarakara anay foana teo amin’ny ara-panahy sy ara-nofo izy.

Nanam-potoana àry i Dada, ka nampianatra Baiboly tamin’ny teny poloney, an’ireo tanora teo anivon’ny fiangonana. Indray mandeha isan-kerinandro no nanaovany izany. Tamin’izay no nianarako namaky teny poloney. Nampahereziny tamin’ny fomba hafa koa ireo tanora. Indray mandeha, dia nitsidika ny fiangonanay ny Rahalahy Gustave Zopfer, mpiandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Frantsa, tamin’izany fotoana izany. Nandamina antoko-mpihira sy fampisehoana tantara ara-baiboly i Dada, ary niakanjo toy ny olona taloha ireo mpilalao. Ilay zava-nitranga tamin’ny fanasam-be nataon’i Belsazara Mpanjaka sy ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina no nolalaovina. (Daniela 5:1-31) I Louis Piéchota no nilalao an’i Daniela. Tsy nety nanohana mihitsy ny fitondrana nazia io rahalahy io, tatỳ aoriana. * Toy izany ny fiainanay. Voamarikay fa be atao teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah foana ny ray aman-dreninay. Tsapako ankehitriny fa nanome lova ara-panahy sarobidy ho anay tokoa izy ireo.

Voarara ny asa fitoriana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Frantsa, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II, tamin’ny 1939. Natao sava hao ny tanànanay, indray mandeha, ary nohodidinin’ny miaramila alemà ny trano rehetra. Nasian’i Dada fanambaniny roa sosona ny arimoaranay, ary nafeninay tao ireo boky ara-baiboly isan-karazany. Mbola nisy maromaro tamin’ilay bokikely hoe Fasisma sa Fahafahana anefa tao amin’ny vatasarihan’ny arimoaram-bilia. Nafenin’i Dada haingana tao amin’ny paosin’ny palitao iray nihantona teo an-dalantsara izany. Miaramila roa sy polisy frantsay iray no nisava ny tranonay. Nitaintaina izahay. Nanomboka nisava ireo akanjo nihantona tao an-dalantsara ny iray tamin’ireo miaramila. Niditra tao an-dakozia nisy anay izy, tsy ela taorian’izay, ary teny an-tanany ireo bokikely. Nojereny tsara izahay, napetrany teo ambony latabatra ireo bokikely, ary lasa nisava tany amin’ny efitra hafa indray izy. Nalaiko haingana izy ireo, ary nataoko tao anaty vatasarihana efa nosavain’ireo miaramila. Tsy nanontany momba ireo bokikely intsony ilay miaramila, ary toy ny hoe hadinony tanteraka ny fisiany!

Nanomboka ny fanompoana manontolo andro

Nanapa-kevitra ny ho mpisava lalana aho, tamin’ny 1948, mba hanompoana an’i Jehovah manontolo andro. Naharay taratasy avy tamin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Frantsa aho, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Voalaza tao fa notendrena ho mpisava lalana teo anivon’ny fiangonan’i Sedan, any akaikin’i Belzika, aho. Faly erỳ ny ray aman-dreniko nahita ahy nanompo an’i Jehovah tamin’izany fomba izany. Nolazain’i Dada anefa fa tsy mora ny asan’ny mpisava lalana. Tsy maintsy hiasa mafy aho. Nilaza koa izy fa afaka nody tany aminy foana aho ary afaka niantehitra taminy, raha nisy olana. Nividianan’ny ray aman-dreniko bisikileta aho, na dia tsy nanam-bola loatra aza izy ireo. Mbola atỳ amiko foana ny faktioran’izy io, ary manganohano ny ranomasoko rehefa mijery azy. Maty tamin’ny 1961 i Dada sy Neny, nefa mbola tsaroako foana ny tenim-pahendrena nataon’i Dada. Nampahery sy nampionona ahy nandritra ireo taona nanompoako izany.

Nampahery ahy koa i Elise Motte, anabavy kristianina 75 taona, tany amin’ny fiangonan’i Sedan. Nandritra ireo vanin-taona mafana, dia nandeha nitory teny amin’ny vohitra manodidina ilay tanàna aho. Niaraka tamiko tany i Elise, ka izy nandeha lamasinina fa izaho kosa nandeha bisikileta. Nitokona anefa ireo mpitondra lamasinina, indray andro, ka tsy afaka nody izy. Izao no hany vahaolana hitako: Nentiko teo amin’ny fitoeran’entan’ny bisikiletako izy ary nateriko nody, na dia nandreraka aza izany. Nitondra fipetrahana malemilemy aho ny ampitso maraina, ary nalaiko tany an-tranony indray i Elise. Tsy nandeha lamasinina intsony àry izy, fa nividianany zavatra mafana hosotroinay tamin’ny antoandro ny saran-dalany. Iza moa no nanampo fa afaka nitondrana olona ny bisikiletako?

Andraikitra fanampiny

Lasa mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny 1950, ary nasaina nitsidika ny faritra avaratr’i Frantsa manontolo. Nanahy be aho tamin’ny voalohany satria vao 23 taona monja. Nihevitra aho fa diso ny fanendren’ny biraon’ny sampana! Maro ny fanontaniana tonga tato an-tsaiko, toy ny hoe: ‘Matanjaka tsara ara-panahy sy ara-batana ve aho mba hanao io asa io? Ho tantiko ve ny hiova trano isan-kerinandro?’ Narary maso aho ka lasa njola, tamin’izaho enin-taona. Nifantoka tamin’izany foana ny saiko, ary nanahy izay nety ho fihetsiky ny hafa aho. Soa ihany fa tena nanampy ahy i Stefan Behunick, misionera nahazo diplaoma tamin’ny sekolin’i Gileada. Noroahina avy tany Polonina ny Rahalahy Behunick noho ny asa fitoriana, ka notendrena hanketo Frantsa. Tena nampiaiky ahy ny herim-pony. Nanaja lalina an’i Jehovah sy ny fahamarinana izy. Nisy nihevitra fa hentitra be tamiko izy, nefa tena betsaka ny zavatra nianarako taminy. Nahatonga ahy hatoky tena kokoa ny fahasahiany.

Nahitako zavatra nahafinaritra ny asan’ny faritra. Nasaina nitsidika an’Atoa Paoli aho tamin’ny 1963. Nipetraka tany atsimon’i Paris izy, ary nanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa nihaona izahay dia fantatro hoe miaramila efa nisotro ronono izy, ary tena tiany Ny Tilikambo Fiambenana. Nolazainy fa namaky lahatsoratra iray momba ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izy, tao amin’ny nomerao vao haingana. Taorian’izay dia nankalaza irery ny Fahatsiarovana izy, ary namaky ny Salamo nandritra ilay takariva. Saika laninay nanaovana fiaraha-midinika ny tolakandro manontolo. Niresaka kely momba ny batisa koa izahay, talohan’ny nandehanako. Nasaiko nanatrika ny fivoriamben’ny faritra tamin’ny voalohandohan’ny 1954 izy, tatỳ aoriana. Tonga izy, ary anisan’ireo olona 26 natao batisa tamin’io fivoriambe io. Mahafaly ahy foana ny zavatra toy izany.

Rosa: Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho tamin’ny Oktobra 1948. Paris no toerana nanendrena ahy, rehefa avy nanompo tany Anor, any akaikin’i Belzika. I Irène Kolanski (Leroy ankehitriny), no mpisava lalana niaraka tamiko. Nipetraka tao amin’ny efitra kely tany Saint-Germain-des-Près, teo ampovoan’ilay tanàna izahay. Tena natahotra ny mponin’i Paris aho, noho izaho nipetraka tany ambanivohitra foana. Noheveriko mantsy fa nahalala fomba sy nahay be izy rehetra. Tsy ela anefa dia fantatro rehefa nitory taminy aho, fa toy ny olona rehetra ihany izy ireo. Matetika izahay no noroahin’ny mpiandry trano, ary sarotra ny nanomboka fampianarana Baiboly. Nisy nanaiky ny hafatra nentinay ihany anefa.

Nadinadinina momba ny asan’ny mpisava lalana nataonay izahay sy Irène, tamin’ny fivoriamben’ny faritra, tamin’ny 1951. Iza àry, hoy ianao, no nanadinadina anay? Tsy iza fa mpiandraikitra ny faritra tanora iray antsoina hoe Marian Szumiga. Efa nihaona indray mandeha izahay talohan’izay, fa taorian’io fivoriambe io vao nanomboka nifanoratra. Betsaka ny zavatra nitovizanay. Ohatra, taona iray no nanaovana batisa anay, ary taona iray koa no nanombohanay ny asan’ny mpisava lalana. Ny tena zava-dehibe anefa, dia hoe samy te hanohy ny fanompoana manontolo andro izahay. Nivady tamin’ny 31 Jolay 1956 àry izahay, rehefa avy nandinika tsara tamim-bavaka. Vaovao tanteraka ny fiainako nanomboka teo. Efa manambady tsinona aho, ary tsy maintsy niaraka tamin’i Marian teo amin’ny fitetezam-paritra. Tsy maintsy nizatra tamin’izany aho. Nidika izany fa niova fandriana foana izahay isan-kerinandro. Tena sarotra ilay izy tamin’ny voalohany, kanefa nahita fifaliana lehibe izahay tatỳ aoriana.

Fiainana mahafa-po

Marian: Nanana fahafahana tsy manam-paharoa nanampy teo amin’ny fanomanana fivoriambe maromaro izahay, nandritra ny taona maro. Ilay natao tany Bordeaux tamin’ny 1966, no tena tadidiko tsara. Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Portogaly, tamin’izay. Natao tamin’ny teny portogey koa àry ny fandaharan’ny fivoriambe, ka nandray soa ireo Vavolombelona portogey tonga teto Frantsa. An-jatony ireo rahalahy tonga, saingy ny toerana nilasian’izy ireo no olana. Tsy nanana trano nalalaka ireo Vavolombelona tany Bordeaux, ka nanofa toerana fijerena sinema izahay mba hatao efitrano fatoriana iombonana. Nafindranay daholo ny seza, ary nozaraina roa tamin’ilay ridao teo amin’ny sehatra ilay efitra fatoriana iombonana, ka ny iray ho an’ireo rahalahy, ary ny iray ho an’ireo anabavy. Nasianay mololo teo amin’ny gorodona ary norakofanay lamba. Nanamboatra efitra fandroana sy toerana azo nisasana koa izahay. Nahafa-po ny rehetra izany.

Nitsidika ireo rahalahy sy anabavy tany amin’ilay efitrano fatoriana iombonana izahay, taorian’ny fivoriambe. Nahafinaritra be ny fiarahanay. Tena nampahery anay ny zavatra niainany, na dia tsy maintsy niaritra fanenjehana nandritra ny taona maro aza izy ireo! Nitomany izahay rehetra, rehefa lasa izy ireo tamin’ny faran’ilay fivoriambe.

Nahazo tombontsoa hafa koa izahay, roa taona talohan’izay, izany hoe tamin’ny 1964, rehefa voatendry ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho. Nanontany tena indray aho raha ho ampy fahaizana hanao io asa io. Nieritreritra anefa aho, fa matoa nasain’ireo mpiandraikitra nanaiky io fanendrena io, dia tena nihevitra izy ireo fa afaka nanao izany tsara aho. Tena nahafinaritra ny niara-niasa akaiky tamin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany hafa. Niana-javatra maro tamin’izy ireo aho. Toetra tena ilaina eo imason’i Jehovah ny faharetana sy ny fikirizana, ary modely tsara tamin’izany ny maro taminy. Nanjary tsapako fa fantatr’i Jehovah izay hatao amintsika raha maharitra isika.

Nasain’ny biraon’ny sampana nikarakara mpitory poloney 12 tany Boulogne-Billancourt, tsy lavitra an’i Paris koa izahay, tamin’ny 1982. Tsy nampoizinay izany. Haiko ny teny poloney ilazana ireo teny fampiasantsika eo amin’ny fanompoana, kanefa sahirana aho rehefa namorona fehezanteny. Tsara fanahy sy naniry hiara-miasa tamiko ireo rahalahy, ka tena nanampy ahy izany. Misy 170 eo ho eo izao ny mpitory eo anivon’io fiangonana io, ary efa ho 60 amin’izy ireo no mpisava lalana. Nitsidika antoko-mpitory sy fiangonana niteny poloney tany Aotrisy, Danemark, ary Alemaina koa izahay sy Rosa, tatỳ aoriana.

Niova ny toe-javatra

Nitsidika fiangonana foana izahay teo amin’ny fiainanay. Voatery nijanona tsy nitety faritany intsony anefa izahay tamin’ny 2001, satria narary aho. Nahita trano teto Pithiviers, tanàna misy an’i Ruth anabaviko, izahay. Notendren’ny biraon’ny sampana ho mpisava lalana manokana izahay, ary ora mifanaraka amin’ny toe-javatra misy anay no takina aminay.

Rosa: Tena sarotra tamiko ny niatrika ilay taona voalohany tsy nanaovanay ny asan’ny faritra. Niova be mantsy ny fiainanay, ka nahatsiaro ho tsy nisy nilana azy aho. Izao anefa no noeritreretiko: ‘Mbola azonao atao ny mampiasa ny fotoana sy ny tanjaka anananao, mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny maha mpisava lalana.’ Faly aho ankehitriny miara-miasa amin’ireo mpisava lalana eo anivon’ny fiangonanay.

Nikarakara anay foana i Jehovah

Marian: Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho nanana an’i Rosa nandritra ireo 48 taona lasa. Tena nanampy ahy izy nandritra ireny taona nanaovana ny asa fitetezam-paritany ireny. Mbola tsy nandre azy nilaza toy izao mihitsy aho, na indray mandeha aza: ‘Mahafinaritra erỳ izao raha mba manana ny tranontsika manokana isika, ary tsy mandehandeha intsony.’

Rosa: Misy miteny amiko indraindray hoe: “Tsy manana fiainana ara-dalàna ianareo. Aiza ve ka any amin’ny olona foana no hipetraka!” Ahoana anefa izany “fiainana ara-dalàna” izany? Matetika isika no manangona zavatra maro izay mety hanakana antsika tsy hanohy ny fanompoantsika. Ny hany tena ilaintsika dia fandriana tsara, latabatra, ary zavatra sasantsasany. Mpisava lalana izahay, ka tsy nanan-javatra firy, nefa nanana izay rehetra nilainay mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Manontany ahy ny olona indraindray hoe: “Inona izao no hataonareo rehefa antitra ianareo, kanefa sady tsy manana trano no tsy mandray vola fisotroan-dronono?” Lazaiko aminy ny Salamo 34:10 manao hoe: ‘Izay mitady an’i Jehovah dia tsy ho orin-java-tsoa akory.’ Nikarakara anay foana i Jehovah.

Marian: Tena izany mihitsy! Mihoatra noho izay nilainay, raha ny marina, no nomen’i Jehovah anay. Nofidina hisolo tena ny faritra misy anay, tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany New York, ohatra, aho, tamin’ny 1958. Tsy nanam-bola handoavana ny saran-dalan’i Rosa anefa izahay. Nomen’ny rahalahy iray valopy nisy soratra hoe “New York” anefa izahay, indray hariva izay. Afaka niaraka tamiko i Rosa, noho io fanomezana io!

Tsy manenina mihitsy izahay sy Rosa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro. Nanao sorona zavatra maro izahay, kanefa nahafa-po sy nahasambatra ny fiainanay teo amin’ny fanompoana manontolo andro. Andriamanitra mahagaga i Jehovah. Nianatra nitoky taminy tanteraka izahay, ary nitombo ny fitiavanay azy. Namoy ny ainy noho ny finoany, ny sasany tamin’ireo rahalahinay kristianina. Matoky anefa aho, fa afaka ny tsy hitsitsy aina eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah mandritra ny taona maro koa ny olona. Miezaka manao izany izahay sy Rosa hatramin’izao, ary tapa-kevitra ny hanohy izany foana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Hita ao amin’ny La Tour de Garde 15 Novambra 1980 ny tantaram-piainan’i Louis Piéchota, ary mitondra ny lohateny hoe “J’ai survécu à la ‘marche de la mort.’ ”

[Sary, pejy 20]

François sy Anna Szumiga ary ny zanak’izy ireo: Stéphanie, Stéphane, Mélanie, ary Marian, tamin’ny 1930 tany ho any. Mitsangana eo ambonin’ny seza kely i Marian

[Sary, pejy 22]

Ambony: Nampiseho boky sy gazety ara-baiboly amin’ny talantalana teny an-tsena, tany Armentières, avaratr’i Frantsa, tamin’ny 1950

[Sary, pejy 22]

Havia: Stefan Behunick sy Marian tamin’ny 1950

[Sary, pejy 23]

Rosa (farany havia) niaraka tamin’i Irène (fahefatra avy eo ankavia), ilay mpisava lalana namany, nampahafantatra ilay fivoriambe tamin’ny 1951

[Sary, pejy 23]

Marian sy Rosa, ny andro nialoha ny mariaziny

[Sary, pejy 23]

Bisikileta no fitaovam-pitaterana tena nampiasaina nandritra ny fitsidihana ny faritra