Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mba Hananana Finoana Tsy Hihemotra”!

“Mba Hananana Finoana Tsy Hihemotra”!

Tantaram-piainana

“Mba Hananana Finoana Tsy Hihemotra”!

NOTANTARAIN’I HERBERT MÜLLER

Volana vitsivitsy taorian’ny nidiran’ny tafik’i Hitler an-keriny tany Holandy, dia voarara ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela ny anarako dia tao anatin’ny lisitr’ireo olona notadiavin’ny Nazia fatratra, ka natao haza lambo aho.

INDRAY mandeha, dia tena reraky ny niafina sy ny nandositra aho, ka nilaza tamin’ny vadiko fa nety ho maivamaivana mihitsy aho raha azon’ny tafika. Tamin’izay fotoana izay no tsaroako ilay tonon-kira nanao hoe: “Mba hananana finoana tsy hihemotra, na dia tafihin’ny fahavalo rehetra aza.” * Nahatonga ahy hahazo hery indray ny fisaintsainana izany hira izany ary nampitamberina tao an-tsaiko ireo ray aman-dreniko tany Alemaina, sy ilay andro nihiran’ireo namako an’io hira io mba hanaovam-beloma ahy. Azoko atao ve ny mitantara aminareo ny sasany amin’izany fahatsiarovana izany?

Ny ohatry ny ray aman-dreniko

Mpikambana tao amin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara ny ray aman-dreniko fony aho teraka tamin’ny 1913, tany amin’ny tanànan’i Copitz, any Alemaina. * Nandao ilay fiangonana i Dada, fito taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1920. Nangataka Kirchenaustrittsbescheinigung (Fanambarana Fialana Amin’ny Fiangonana) izy, ny 6 Aprily. Nameno iray tamin’izany ilay mpiadidy ny fisoratana anarana tao an-tanàna. Herinandro tatỳ aoriana anefa, dia niverina tao amin’ilay birao i Dada mba hanazavana fa tsy tafiditra tao amin’ilay fanambarana ny anaran-janany vavy. Nameno taratasy faharoa ilay mpiadidy​—taratasy izay nilaza fa nihatra tamin’i Martha Margaretha Müller koa ilay fialana tamin’ny fiangonana. Herintaona sy tapany i Margaretha anabaviko tamin’izany fotoana izany. Tsy mba nianina tamin-javatra tapany izany i Dada teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah!

Tamin’io taona io ihany, dia nanao batisa an’ireo ray aman-dreniko ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Hentitra ny fomba nanabeazan’i Dada anay ankizy, nefa nanamora ny fanekenay ny tari-dalany, ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah. Nanosika ny ray aman-dreniko hanao fanitsiana koa ny tsy fivadihana. Nisy fotoana, ohatra, tsy namelana anay hilalao tany alatrano, isaky ny alahady. Indray alahadin’ny taona 1925 anefa, dia nilaza taminay ny ray aman-dreninay fa handehandeha kely izahay. Nitondra sakafo maivana izahay ary nahatsiaro ho finaritra erỳ. Mba niova kely tamin’ny nahazatra izahay fa tsy nihiboka an-trano tao tontolo andro! Nilaza i Dada fa nisy zavatra nianarany tany amin’ny fivoriambe iray natrehiny vao haingana, ka nanitsy ny fomba fijeriny nahakasika ny zavatra natao rehefa alahady izy. Tamin’ny fotoana hafa, dia nampiseho koa fahavononana hanao fanitsiana toy izany izy.

Na dia tsy salama aza ny ray aman-dreniko, dia tsy nahasakana azy tsy hitory izany. Mba hizarana ilay taratasy mivalona hoe Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana, ohatra, dia niakatra tao anaty fiarandalamby izahay indray takariva, niaraka tamin’ny sisa tao amin’ny kongregasiona, ka nankany amin’ny tanànan’i Regensburg, izay tokony ho 300 kilaometatra avy eo Dresde. Nizara ireo taratasy mivalona nanerana ilay tanàna izahay ny ampitso, ary rehefa vita izany, dia nandray ilay fiarandalamby niverina izahay. Tamin’ny fotoana niverenanay tany an-trano dia efa ho 24 ora no lasa.

Fialana tao an-trano

Nanampy ahy hitombo ara-panahy koa ny fiarahako tamin’ny Jugendgruppe (Antokona Tanora) tao amin’ny kongregasiona nisy anay. Nihaona isan-kerinandro tamin’ny sasany tamin’ireo rahalahy zokiny kokoa tao amin’ny kongregasiona, ireo tanora mihoatra ny 14 taona. Nilalao, nitendry zavamaneno, nianatra ny Baiboly, ary niresaka momba ny famoronana sy ny siansa, izahay. Tamin’ny 1932 anefa, rehefa 19 taona aho, dia nifarana ny fiarahako tamin’ilay antokona tanora.

Ny volana Aprily tamin’io taona io, dia naharay taratasy avy tamin’ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower tany Magdeburg, i Dada. Nitady olona ho afaka hitondra fiara sy naniry hanao ny asan’ny mpisava lalana, ny Fikambanana. Fantatro fa fanirian’ny ray aman-dreniko ny hanaovako ny asan’ny mpisava lalana, nefa tsapako fa tsy afaka nanao izany aho. Koa satria nahantra ny ray aman-dreniko, dia nanomboka nanamboatra zavatra simba aho teo amin’ny faha-14 taonako: Tao ny bisikileta, ny milina fanjairana, sy ny milina fanoratana, ary ny fitaovana hafa fampiasa amin’ny birao. Ahoana no ahafahako handao ny fianakaviako? Nila ny fanohanako izy ireo. Ankoatra izany, dia mbola tsy vita batisa akory aho. Nipetraka teo anilako i Dada ary nametraka fanontaniana sasany tamiko, mba hahitana raha azoko izay tafiditra amin’ny hoe batisa. Noho ny valin-teny nomeko, dia niaiky i Dada fa efa nanao fandrosoana ara-panahy ampy tsara mba hatao batisa aho, ka hoy izy: “Tokony hanolo-tena ho amin’io fanendrena io ialahy.” Izany no nataoko.

Nahazo fanasana ho any Magdeburg aho, herinandro tatỳ aoriana. Rehefa niresaka tamin’ireo namako tao amin’ilay Antokona Tanora aho, dia naniry hanao hira falifaly iray ho fanaovam-beloma ahy, izy ireo. Nahagaga azy ireo ilay hira nofidiko satria noheverin’izy ireo fa mihaja loatra ilay izy. Na izany aza anefa, dia nandray lokanga sy mandôlinina ary gitara ny sasany, ka samy nihira hoe: “Mba hananana finoana tsy hihemotra, na dia tafihin’ny fahavalo rehetra aza; finoana tsy hihozongozona na dia eo ankatoky ny ankason’ny tany aza.” Tsy azoko an-tsaina tamin’io andro io hoe impiry moa ireo teny ireo no hampahery ahy ao anatin’ireo taona ho avy.

Fiandohana nisahotaka

Taorian’ny nitsapan’ireo rahalahy tany Magdeburg ny fahaizako mitondra fiara, dia nanankinan’izy ireo fiara iray izaho sy ny mpisava lalana efatra hafa, ary dia nitodi-doha ho any Schneifel, faritra iray any akaikin’i Belzika, izahay. Tsy ela dia takatray fa tena nilaina ny fiaranay. Nahasosotra ny Eglizy Katolika tao amin’ilay faritra ny nahatongavanay, ka matetika no niandry mba handroaka anay ireo mponina tao an-tanàna, izay nampirisihin’ny mompera. Matetika ilay fiara no nanampy anay ho tafatsoaka taloha kelin’ny angady sy ny farangon’izy ireo.

Taorian’ny Fahatsiarovana tamin’ny 1933, dia nilaza taminay i Paul Grossman, mpiandraikitra ny faritra, fa norarana ny asan’ny Fikambanana tany Alemaina. Tsy ela taorian’izay, dia nangataka ahy ho tonga tany Magdeburg niaraka tamin’ilay fiara ny biraon’ny sampana, mba haka ireo zavatra vita an-tsoratra tany, ary hitondra azy ireo tany amin’ny fanjakan’i Saxe, eo amin’ny 100 kilaometatra eo ho eo avy eo Magdeburg. Tamin’ny fotoana nahatongavako tany Magdeburg anefa, dia efa nakaton’ny Gestapo (polisy miafin’ny Nazia) ny biraon’ny Fikambanana. Navelako tamin’ny rahalahy iray tao Leipzig ilay fiara, dia lasa aho niverina nody​—nefa ho vetivety ihany.

Nanasa ahy hanomboka hanao ny asan’ny mpisava lalana tany Holandy, ny biraon’ny Fikambanana any Soisa. Nikasa ny hanainga aho, ao anatin’ny herinandro na tapa-bolana. Nanoro hevitra ahy mba hanainga avy hatrany anefa i Dada. Narahiko ny toroheviny, ary tao anatin’ny ora vitsivitsy dia nandao ny trano aho. Ny ampitson’iny, dia tonga tany an-tranon-draiko ny polisy mba hisambotra ahy, satria, hono, nandao asa tsy nisy fahazoan-dalana aho. Tara loatra anefa izy ireo.

Nanomboka teto Holandy

Tamin’ny 15 Aogositra 1933, dia tonga tao amin’ny tranon’ny mpisava lalana tao Heemstede, tanàna iray 25 kilaometatra avy eo Amsterdam, aho. Ny ampitson’iny, dia nivoaka nitory aho nefa tsy nahalala na dia teny holandey iray aza. Nanana karatra fitoriana iray nisy foto-dresaka vita pirinty aho, ary dia nanomboka. Nampahery erỳ rehefa nisy vehivavy katolika iray nandray ilay boky hoe Réconciliation! Nahapetraka bokikely 27 aho, tamin’io andro io ihany. Tamin’ny faran’io andro voalohany io, dia dibo-kafaliana aho afaka nitory tamin-kalalahana indray.

Tamin’izany andro izany, dia tsy nanana fidiram-bola hafa ankoatra ny vola fandraisana anjara avy tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra voapetraka, ny mpisava lalana. Nampiasaina mba hividianana sakafo sy zavatra nilaina hafa, io vola io. Raha nisy ambim-bola kely tamin’ny faran’ny volana, dia nozaraina tamin’ireo mpisava lalana ho amin’ny fandaniany manokana. Tsy nanana firy izahay teo amin’ny lafiny ara-nofo, kanefa namelona anay tsara i Jehovah, hany ka afaka nanatrika fivoriamben’ny distrika tany Soisa aho, tamin’ny 1934.

Namana mahatoky

Nahita an’i Erika Finke, izay 18 taona, aho tamin’ilay fivoriambe. Efa fantatro izy fony aho mbola nipetraka tany an-trano. Naman’i Margaretha anabaviko izy, ary nampiaiky volana ahy foana ny fifikiran’i Erika mafy tamin’ny fahamarinana. Tsy ela taorian’ny batisany tamin’ny 1932, dia nisy olona nitatitra tamin’ny Gestapo fa nanda tsy hiteny hoe: “Heil Hitler!”, i Erika. Nitady azy ny Gestapo ary nitaky ny hahafantatra ny antony nandavany. Novakin’i Erika tamin’ilay polisy tao amin’ny paositry ny polisy ny Asan’ny Apostoly 17:3, ary nohazavainy fa olona iray ihany no notendren’Andriamanitra ho Mpamonjy, dia i Jesosy Kristy. “Misy hafa manam-pinoana toa anao izany koa ve?”, hoy ny fanontanian’ilay polisy. Nanda tsy hanome anarana i Erika. Rehefa nandrahona ny hihazona azy ilay polisy, dia nilaza taminy i Erika fa aleony maty toy izay hanome anarana. Nivandravandra taminy izy sady nikiakiaka hoe: “Ndeha mivoaka any. Ndeha mody. Heil Hitler!”

Taorian’ilay fivoriambe, dia niverina tany Holandy aho fa i Erika kosa nijanona tany Soisa. Samy nahatsapa anefa izahay roa fa nitombo ny fisakaizanay. Raha mbola tany Soisa i Erika, dia reny fa niverina nitady azy tany an-tranony ny Gestapo. Nanapa-kevitra ny hitoetra sy hanao ny asan’ny mpisava lalana tany Soisa àry izy. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nangataka azy ho any Espaina ny Fikambanana. Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Madrid izy, avy eo tany Bilbao, ary tatỳ aoriana tany San Sebastián, izay nahatonga azy sy ny mpisava lalana namany ho any am-ponja, noho ny fanenjehana nateraky ny fambosian’ny mpitondra fivavahana. Nodidiana handao an’i Espaina izy ireo, tamin’ny 1935. Nankatỳ Holandy i Erika, ary tamin’io taona io ihany, dia nivady izahay.

Manangasanga ny rahon’ny ady

Taorian’ny mariazinay, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Heemstede izahay, ary tatỳ aoriana, dia nifindra tany amin’ny tanànan’i Rotterdam. Tao no teraka i Wolfgang zanakay lahy, tamin’ny 1937. Herintaona tatỳ aoriana, dia nifindra tany amin’ny tanànan’i Groningen, any avaratr’i Holandy, izahay. Tany dia niara-nipetraka tamin’i Ferdinand sy i Helga Holtorf, mpisava lalana alemà, sy ny zanak’izy ireo vavy, izahay. Tamin’ny Jolay 1938, dia nilaza taminay ny Fikambanana fa namoaka fampitandremana ny fitondram-panjakana holandey fa tsy nahazo lalana hitory intsony ireo Vavolombelona teratany alemà. Tokony ho tamin’io fotoana io, dia voatendry ho mpikarakara ny zone (mpiandraikitra ny fizaran-tany) aho, fa ny fianakavianay kosa nifindra tany amin’ny Lichtdrager (Mpitondra Fahazavana), ilay sambon’ny Fikambanana izay nampiasaina ho toeram-piaingana ho an’ireo mpisava lalana nitory tany amin’ny faritra avaratr’i Holandy. Lavitra ny fianakaviako aho tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, satria nitetitety kongregasiona mba hampirisika ireo rahalahy hanohy hitory. Ary izany indrindra no nataon’ireo rahalahy. Ny sasany aza nampitombo ny fanompoany mihitsy. Ohatra tsara ny amin’izany i Wim Kettelarij.

Fony aho nihaona tamin’i Wim, dia tovolahy nanaiky ny fahamarinana izy, saingy be natao loatra noho izy niasa tamin’ny toeram-pambolena sy fiompiana. “Raha ta hanam-potoana hanompoana an’i Jehovah ianao”, hoy aho nanoro hevitra azy, “dia tokony hitady asa hafa.” Izany no nataony. Rehefa nihaona indray izahay tatỳ aoriana, dia nampirisihiko hanao ny asan’ny mpisava lalana izy. “Tsy maintsy miasa anefa aho vao mihinana”, hoy ny navaliny. “Hihinana ianao ka!”, hoy aho nanome toky azy. “Hiahy anao i Jehovah.” Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana i Wim. Tatỳ aoriana, na dia nandritra ny Ady Lehibe Faharoa aza, dia mpiandraikitra mpitety faritany izy. Ankehitriny, dia mbola Vavolombelona be zotom-po ihany i Wim na dia efa 80 taona mahery aza. Tena nikarakara azy tokoa i Jehovah.

Voarara sy notadiavina

Tamin’ny May 1940, tokony ho herintaona taorian’ny nahaterahan’i Reina zanakay faharoa, dia nanaiky ho resy ny Holandey ka nobodoin’ny Nazia i Holandy. Nalain’ny Gestapo ny birao sy ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana, tamin’ny Jolay. Ny taona nanaraka, dia nirongatra ny fisamborana Vavolombelona, ary tratra aho. Noho izaho Vavolombelona sy Alemà ampy taona mba ho voantso miaramila, dia tsy sarotra ny naminavina izay hataon’ny Gestapo amiko. Niezaka nampiaiky tena aho fa tsy hahita ny fianakaviako intsony mihitsy.

Avy eo, tamin’ny May 1941, dia namela ahy hivoaka ny fonja ny Gestapo ary nandidy ahy mba handeha hiseho hanao raharaha miaramila. Tsy nampino ahy ilay izy. Tamin’io andro io ihany, dia niasa tamim-piafenana aho, ary tamin’io volana io ihany, dia niverina tamin’ny asan’ny fizaran-tany. Nataon’ny Gestapo tao amin’ny lisitr’ireo olona notadiaviny fatratra aho.

Ny fomba niatrehan’ny fianakaviako an’izany

Nifindra tany amin’ny vohitr’i Vorden, any amin’ny faritra atsinanana amin’ilay tany, ny vady aman-janako. Mba hampihenana ho faran’izay kely ny loza mety hanjo azy ireo anefa, dia voatery noferako tanteraka ny fitsidihako tany an-trano. (Matio 10:16). Mba ho fiarovana, dia tsy nampiasa ny tena anarako ireo rahalahy, fa ny solon’anarako hoe Duitse Jan (Jaona alemà) ihany. Na dia i Wolfgang, zanako lahy efa-taona aza, dia tsy navela hiteny hoe “Dada” fa “Ome Jan” (Dadatoa Jaona) ihany. Tena mafy taminy izany, teo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po.

Raha mbola tany am-pandosirana aho, dia nikarakara ny ankizy sy tsy nitsahatra nitory, i Erika. Rehefa roa taona i Reina, dia napetrak’i Erika teo ambonin’ny fametrahan’entan’ny bisikileta izy, ka nentiny nitory niaraka taminy tany ambanivohitra. Na dia nanjary sarotra aza ny nahita sakafo, dia tsy nijaly na oviana na oviana noho ny tsy fisian-tsakafo i Erika, raha ny sakafo ho an’ny ankohonany no resahina. (Matio 6:33). Nanome azy ovy ny Katolika mpamboly iray, izay nanana milina fanjairana nampanamboarina tao amiko indray mandeha. Mbola izy koa no nampita hafatra avy tatỳ amiko ho an’i Erika. Indray mandeha, dia nandoa iray florin i Erika mba hahazoana zavatra iray tao amin’ny fivarotana iray. Fantatry ny tompon’ilay fivarotana fa niaina tamim-piafenana izy sady tsy afaka nahazo karatra fahazoan-tsakafo, ka nomeny azy ilay zavatra, no sady nampiany florin roa. Nanampy azy ho velona hatrany ny fangorahana toy izany.​—Hebreo 13:5.

Nifarimbona tamin’ireo rahalahy be herim-po

Nandritra izany fotoana izany, dia nanohy nitsidika ireo kongregasiona aho, na dia ireo rahalahy mpiandraikitra ny kongregasiona ihany aza no nifandraisako. Koa satria nanjohy ahy hatrany ny Gestapo, dia tsy afaka nijanona tamin’ny toerana iray nihoatra ny ora vitsivitsy mihitsy aho. Tsy navela hihaona tamiko ny ankamaroan’ireo rahalahy sy anabavy. Tsy nisy afa-tsy ireo Vavolombelona anisan’ilay antokon’olom-bitsy niara-nianatra ny Baiboly taminy ihany no nampifankahalalaina tamin’izy ireo. Vokatr’izany, dia efa taorian’ny Ady Lehibe Faharoa vao fantatry ny mpirahavavy iray tam-po, izay nipetraka tany amin’ny faritra samy hafa amin’ny tanàna iray ihany, fa samy tonga Vavolombelona izy mirahavavy nandritra ny ady.

Anisan’ny asako ny nitady toerana hanafenana ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Nanafina taratasy sy milina fanaovana stencil ary milina fanoratana koa izahay mba hanaovana kopia Ny Tilikambo Fiambenana, sao nisy hilana izany. Indraindray, dia tsy maintsy nafindrafindranay ny toerana nanafenana ireo boky natontan’ny Fikambanana. Tsaroako, indray mandeha, ny nitaterana baoritra 30 feno zavatra vita an-tsoratra, no sady niezaka ny tsy ho voamarik’olona, eny, asa mampahatahotra!

Fanampin’izany, dia nandamina ny fitaterana sakafo avy teo amin’ny toeram-pambolena tany atsinanan’ny Holandy, ho any amin’ireo tanàna any andrefana, izahay, na dia voarara aza izany. Nataonay tao anaty kalesy tarihin-tsoavaly ny sakafo ary nitodi-doha nankany andrefana izahay. Rehefa tonga teo amin’ny renirano iray izahay, dia tsy nisy tetezana azonay nampiasaina, noho izy ireo nambenana miaramila. Nampidininay tao anaty lakana kosa ilay entana, ka niverimberina nitatitra ilay sakafo niampita ilay renirano izahay, ary avy eo, dia namerina nampiditra ilay entana tao anaty kalesy hafa iray. Rehefa tonga tany amin’ilay tanàna nalehanay izahay, dia niandry mandra-pahamaizin’ny andro, nasianay ban-kiraro ny kitron’ilay soavaly, ary nandeha moramora tany amin’ilay trano miafina fanatobiana sakafon’ny kongregasiona izahay. Avy tao no nizarana ilay sakafo ho an’ireo rahalahy sahirana.

Raha tratran’ny tafika alemà izany trano fanatobiana sakafo izany, dia nety ho ny aina no nanefa. Na izany aza, dia nisy rahalahy maromaro nanolo-tena mba hanampy. Ny fianakavian’i Bloemink tao amin’ny tanànan’i Amersfoort, ohatra, dia namela ny hampiasana ny efitra fandraisam-bahinin’izy ireo ho trano fanatobiana sakafo, na dia indray mandingana fotsiny avy teo amin’ny tobin’ny tafika alemà aza ny tranon’izy ireo! Vavolombelona be herim-po tahaka izany no nanao vivery ny ainy ho tombontsoan’ireo rahalahiny.

Nanampy anay mivady hitoetra ho mahatoky nandritra ireo taona rehetra nisian’ny fandrarana i Jehovah. Resy ny tafika alemà tamin’ny May 1945, ary nifarana ihany ny fandosirako tamin’ny farany. Nangataka ahy mba hanohy hanompo tamin’ny naha mpiandraikitra mpitety faritany ny Fikambanana mandra-pisin’ny rahalahy hafa azo nampiasaina. Nandimby ahy i Bertus van der Bijl, tamin’ny 1947. * Tamin’izay fotoana izay, dia efa teraka ny zanakay fahatelo, ary nanorim-ponenana tany amin’ny faritra atsinanan’ilay tany izahay.

Alahelo sy fifaliana

Taorian’ilay ady, dia fantatro fa naiditra am-ponja i Dada, herintaona teo ho eo taorian’ny nialako tany an-trano ho atỳ Holandy. Indroa nafahana izy noho ny tsy fahasalamany, nefa dia naverina naiditra am-ponja isaky ny nandeha. Nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Buchenwald izy tamin’ny Febroary 1938, ary avy eo, tany Dachau. Tany no nahafatesan-draiko, tamin’ny 14 May 1942. Niorina mafy sy tsy nivadika hatramin’ny farany izy.

Nalefa tany amin’ny tobin’i Dachau koa i Neny. Nijanona tany izy mandra-pahafany tamin’ny 1945. Koa satria nandray anjara betsaka tamin’ireo fitahiana ara-panahy azoko, ny oha-pijoroana nasehon’izy mivady ray aman-dreniko, dia tombontsoa ny nahatongavan’i Neny niara-nipetraka taminay, tamin’ny 1954. Tonga koa i Margaretha anabaviko, izay nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Alemaina Atsinanana kominista, nanomboka tamin’ny 1945. Na dia narary sy tsy nahay niteny holandey mihitsy aza i Neny, dia nanohy nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha izy, mandra-pahavitany tamim-pahatokiana ny fihazakazahany teto an-tany tamin’ny Oktobra 1957.

Hita ho tsy nanan-tsahala ilay fivoriambe tamin’ny 1955 natao tany Nuremberg, any Alemaina. Taorian’ny nahatongavanay tany, dia nilaza tamin’i Erika ireo rahalahy avy tany Dresde fa tao amin’ilay fivoriamben’ny distrika koa ny reniny. Koa satria teo ambanin’ny fifehezan’i Alemaina Atsinanana i Dresde tamin’izany fotoana izany, dia tsy nahita an-dreniny nandritra ny 21 taona i Erika. Nalamina ny hihaonan’izy ireo, ary dia nifamihina ny reny sy ny zanaka. Fifankahitana nahafaly re izany!

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nitombo ho valo ireo zanakay. Nampalahelo fa namoy ny iray tamin’ireo zanakay lahy tamin’ny lozam-piarakodia iray izahay. Loharanom-pifaliana lalina anefa ny mahita ireo zanakay sisa rehetra, izay samy manompo an’i Jehovah. Faly izahay fa manao ny asan’ny fizaran-tany i Wolfgang zanakay lahy sy ny vadiny, ary mpiandraikitra ny fizaran-tany koa ny zanak’izy ireo lahy.

Velom-pankasitrahana aho nanatri-maso ny fandrosoan’ny asan’i Jehovah teto Holandy. Fony aho nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana teto, tamin’ny 1933, dia nisy zato teo ho eo ny Vavolombelona. Maherin’ny 30 000 izy ireo ankehitriny. Na dia efa mihena aza ny tanjakay ara-batana ankehitriny, dia mbola tapa-kevitra ihany izahay sy i Erika ny hiaina mifanaraka amin’ny tonon’ilay hira fahiny, manao hoe: “Mba hananana finoana tsy hihemotra”.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Hira faha-194.​—Songs of Praise to Jehovah (Hira Fiderana An’i Jehovah) (1928).

^ feh. 7 Ny tanànan’i Copitz, antsoina ankehitriny hoe Pirna, dia eo amoron’ny reniranon’i Elbe, 18 kilaometatra avy eo amin’ny tanànan’i Dresde.

^ feh. 38 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1998, mba hahitana ny tantaram-piainan’ny rahalahy Van der Bijl, mitondra ny lohateny hoe: “Tsy Misy Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fahamarinana”.

[Sary, pejy 23]

Ilay “Jugendgruppe” nandritra ny fiatoana kely taorian’ny fanompoana teny amin’ny saha

[Sary, pejy 24]

Izaho sy mpisava lalana hafa niasa ny faritanin’i Schneifel. Roapolo taona aho teo

[Sary, pejy 25]

Miaraka amin’i Erika sy i Wolfgang tamin’ny 1940

[Sary, pejy 26]

Avy eo ankavia miankavanana: I Jonathan zafikeliko sy i Mirjam vadiny; i Erika, izaho, i Wolfgang zanako lahy sy i Julia vadiny

[Sary, pejy 26]

Rahalahy iray tany am-ponja niaraka tamin’ny raiko no naka ity sariny ity, tamin’ny 1941