Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona Ve?

Ny Family ao Amin’ny Mason’ny Androngon-drano

Ny Family ao Amin’ny Mason’ny Androngon-drano

● Karazana androngo kely ny androngon-drano. Miavaka izy io satria afaka misolo ny tongony na ny rambony rehefa tapaka. Misolo toy izany koa ny taova ao anatiny. Toy ilay voalohany ihany ve ny solony? Nanaovana fanandramana ny family ao amin’ny mason’io androngo io ka hita hoe mitovy tokoa.

Diniho izao: Ny selan’ny fanidy ao amin’ny maso no lasa selan’ilay family mila soloana. Te handalina momba izany ny mpikaroka ka nanao fanandramana tamin’ny androngon-drano japoney, nandritra ny 16 taona. Nesorin’izy ireo ny family tao amin’ny mason’ireo androngo, ary im-18 no nanaovany izany. Nisolo vaovao foana ireo family.

Efa 30 taona teo ho eo ireo androngo rehefa vita ilay fanandramana. Mihoatra dimy taona noho ny mahazatra izany. Vetivety anefa dia misolo ny familin’izy ireo, hoatran’ny tamin’izy mbola tanora ihany. Nanao tatitra koa ny Oniversiten’i Dayton any Etazonia fa “mitovy amin’ny family mbola tsy nisolo, nalaina tamin’ny androngo efa lehibe”, ireo family efa nisolo. Hoy i Panagiotis Tsonis, izay anisan’ireo nanao fanandramana: “Tena gaga aho.” Nolazainy fa “tsy misy hokianina” ilay family vaovao.

Tian’ny mpahay siansa halaina tahaka ny fahaizan’ny androngon-drano. Amin’izay dia ho afaka hisolo ho azy koa ireo taova na sela simba ao amin’ny vatan’olombelona. Hoy i Tsonis: ‘Tena tsara halaina tahaka ny androngon-drano, raha tiantsika ny hahavita izany, indrindra fa eo amin’ny zokiolona.’

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona na fiovana miandalana ve ny fahaizan’ny androngon-drano, sa nisy namorona?

[Kisary, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Mitovy amin’ilay family mbola tsy nisolo ilay “vaovao”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Sary eo ambony: © Vibe Images/Alamy; sary afovoany: © Juniors Bildarchiv/Alamy