Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1. Mahaiza Miantsena

1. Mahaiza Miantsena

1. Mahaiza Miantsena

AVY eny an-tsena ny sakafonao raha tsy mamboly ianao. Ahoana àry no hifidianana sy hividianana sakafo mahasalama?

Alaharo ny zavatra hovidina.

Hoy ny Filan-kevitra Momba ny Fiarovana ny Sakafo, any Aostralia: “Izay sakafo tsy mora simba no vidio voalohany ary izay avy ao anaty vata fampangatsiahana no vidio farany.” Tsara koa raha rehefa hody mihitsy vao mividy ny sakafo mafana.

Aleo sakafo vaovao.

Sakafo vaovao no vidio raha mety. * Hoy i Ruth, reny manan-janaka roa any Nizeria: “Matetika aho no miantsena vao maraina be satria amin’iny no misy sakafo vaovao.” Mpividy sakafo eny an-tsena koa i Elizabeth, any Meksika. Hoy izy: “Afaka mividy voankazo sy legioma vaovao aho eny sady afaka mifidy izay tiako. Henam-biby vao novonoina koa no vidiko. Ataoko anaty vata fampangatsiahana izay tsy ampiasaiko.”

Jereo tsara ny sakafo.

Jereo tsara sao misy simba ny hoditr’ilay sakafo ary jereo ny hena sao mamofona. Raha sakafo mifono ilay izy, dia jereo sao misy simba ny fonony ka mety hidiran’ny mikraoba.

Mpividy sakafo eny amin’ny fivarotana lehibe i Chung Fai, any Hong-Kong. Hoy izy: “Ilaina ny mijery ny fonon’ilay sakafo sao efa lany daty ilay izy.” Nahoana? Mampitandrina ny manam-pahaizana fa mety hankarary foana ny sakafo “lany daty”, na dia toa mbola tsara aza ny paoziny sy ny fofony ary ny tsirony.

Fonosy tsara ny sakafo.

Raha mampiasa harona azo sasana na fitoeran-javatra plastika ianao rehefa miantsena, dia sasao matetika amin’ny rano mahamay sy savony izany. Atokany ny hena sy ny trondro mba tsy hanimba ny sakafo hafa vidinao.

Tsy miantsena lavitra ry Enrico sy Loredana, mpivady any Italia. Hoy izy ireo: “Tsy voatery entina avy lavitra ny sakafo, amin’izay, ka tsy atahorana ho simba.” Mitadiava hevitra mba hampangatsiaka foana ny sakafo mivaingana, raha hihoatra ny antsasak’adiny ianao vao ho tonga any an-trano.

Hazavain’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no hatao mba ho azo antoka foana ny sakafo, rehefa tonga ao an-trano.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Jereo ilay lahatsoratra hoe “Fomba 1—Misakafoana Tsara”, ao amin’ny Mifohaza! Martsa 2011.

[Efajoro, pejy 4]

AMPIOFANO NY ZANAKAO: “Ampianariko ny zanako hoe jerena aloha ny daty amin’ny fonon’ny sakafo mifono rehetra, toy ny haninkanina, alohan’ny hividianana azy.”—Ruth, Nizeria