Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio Ireo Mikorontan-tsaina Lava

Ampio Ireo Mikorontan-tsaina Lava

Ampio Ireo Mikorontan-tsaina Lava

“Mitepotepo be ny foko indraindray, tsembo-dratsy aho, ary tsy avy miaina. Mitebiteby be aho, miady saina, ary mikorontan-tsaina.” —Isabella, 40 taona mahery ary matahotra lava.

AZO lazaina hoe adin-tsaina na tahotra ny hoe mikorontan-tsaina. Efa nifanena tamin’ny alika masiaka ve, ohatra, ianao ka natahotra? Inona no tsapanao rehefa lasa ilay alika? Tsy matahotra intsony. Fa inona no atao hoe mikorontan-tsaina lava?

Efa lasa aretina ny fanahiana raha mbola mitohy nefa tsy misy antony tokony hampahatahotra intsony. Milaza ny Ivon-toerana Amerikanina Momba ny Fahasalaman’ny Saina fa “40 tapitrisa eo ho eo amin’ny Amerikanina 18 taona no ho miakatra no mikorontan-tsaina lava ... tao anatin’ny herintaona.” Mikorontan-tsaina lava i Isabella, ilay voaresaka terỳ aloha, ary nisy vokany be taminy izany.

Mety hisy vokany be eo amin’ny fianakaviana akaiky koa ilay aretina. Soa ihany fa “misy fomba mahomby itsaboana ny olona mikorontan-tsaina lava”, hoy ilay ivon-toerana. “Hitan’ny mpikaroka hoe azo ampiana mba hahomby sy ho afa-po amin’ny fiainana ny marary.”

Afaka manampy an’ireo mikorontan-tsaina lava koa ny fianakaviany sy ny namany. Amin’ny fomba ahoana?

Ahoana no hanampiana azy?

Ampio izy: Nanahy sy natahotra lava i Monica, vokatry ny zavatra nanjo azy, ary efa lasa aretina izany. Hoy izy: “Vitsy ny olona mahatakatra ny manjo ahy.”

Mitady hanafina ny olana mahazo azy àry ireo olona mikorontan-tsaina lava satria matahotra be sao tsy ho azon’ny hafa ny manjo azy. Mety hanamelo-tena izy ireo vokatr’izany ka vao mainka hisy vokany ratsy eo amin’ny fihetseham-pony izany. Tena mila manampy azy àry ny havany sy ny namany.

Fantaro bebe kokoa ilay aretina: Ireo mifandray akaiky amin’ilay marary no tena mila manao an’izany. Mety ho fianakaviana na namana akaiky izany.

Mifampahereza foana: Nampirisihin’i Paoly, misionera tamin’ny taonjato voalohany, mba ‘hifampionona sy hifampahery hatrany’ ireo namany tao Tesalonika, any Gresy. (1 Tesalonianina 5:11) Azo aseho amin’izay lazaintsika sy ny toe-peontsika izany. Tokony hasehontsika fa tena mihevitra an’ilay namantsika isika, ary tsy tokony hiteny zavatra mety hampalahelo azy.

Diniho izay nataon’ireo lehilahy telo nilaza fa naman’i Joba, ilay resahin’ny Baiboly. Tsaroanao angamba fa nilaza an-kolaka izy ireo hoe nisy fahotana miafina nataon’i Joba matoa izy nijaly.

Ezaho fantarina àry ny fihetseham-pon’ilay marary. Henoy tsara izy ary mahaiza mipetraka eo amin’ny toerany. Aza maika hanatsoaka hevitra rehefa miteny izy. Maika hanatsoaka hevitra ny naman’i Joba, ka nantsoina hoe “mpampionona mandreraka” ary vao mainka nahakivy an’i Joba.—Joba 16:2.

Henoy tsara ilay marary ary avelao izy hilaza izay tsapany. Mety ho takatrao kokoa amin’izay ny manjo azy. Saintsaino koa ny soa ho azo. Mety ho afaka hanampy azy hanana fiainana mahafa-po sy misy vidiny kokoa ianao.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

Ireo Karazana Fikorontanan-tsaina

Tena ilaina ny mahafantatra momba ny fikorontanan-tsaina, indrindra raha havana na namana akaiky ilay marary. Ireto misy karazany dimy amin’io aretina io.

Tahotra lava: Diniho ny nahazo an’i Isabella, ilay voaresaka tany aloha. Tsy amin’ny fotoana isehoan’ilay krizy ihany izy no mijaly. Hoy izy: “Matahotra foana aho sao hiverina indray ilay krizy.” Manalavitra ny toerana efa nitrangan’ilay krizy àry ny marary. Ny marary sasany koa tsy sahy mivoaka ny trano na tsy mahavita manao zavatra mampahatahotra azy, raha tsy miaraka amin’ny namana itokisany. Hoy i Isabella: “Na dia ny hoe irery fotsiny aza dia efa mety hampihetsika krizy. Tsy matahotra aho rehefa eo i Neny ary tsy mahatanty ilaozany aho.”

Fanaovan-javatra miverimberina: Misy olona tratran’io aretina io tsy manaiky mihitsy raha tsy manasa tanana foana, satria tsy tiany maizina, hono, ny loto sy mikraoba. Manao zavatra mitovitovy amin’izany koa i Renan. Hoy izy: “Eritreretiko foana ny fahadisoako tamin’ny lasa ary alaiko ambony alaiko ambany, ka lasa mikorontana lava ny saiko.” Tsy manaiky mihitsy àry izy raha tsy miresaka an’ilay izy amin’ny hafa. Mila omena toky foana i Renan. Mihinam-panafody koa izy. *

Tahotra vokatry ny zavatra nanjo: Mety hiseho amin’ny olona iray avy niharan-doza na saika niharan’izany io karazan’aretin-tsaina io. Mety ho mora taitra ilay marary, mora tezitra, tsy mihontsina mihitsy, tsy tia ny zavatra tiany intsony, ary tsy te hiraiki-po amin’ny hafa, indrindra fa amin’ny olona akaiky azy. Lasa tia ady ny sasany, na mahery setra mihitsy aza, ary manalavitra ny toe-javatra mampahatsiahy azy an’ilay loza.

Horohoro lava: Ilazana ny olona manahy mafy sy mieritreritra be loatra momba ny tenany foana io aretina io. Mihorohoro lava ny marary sasany sao misy mijery azy sy mitsaratsara azy. Mety hatahotra izy, andro na herinandro maromaro alohan’ny hanaovany zavatra iray. Mety ho tafahoatra ilay tahotra ka miteraka olana eo amin’ny asany, ny fianarany, na ny zavatra hafa mahazatra azy. Lasa sahirana koa izy vao mahita namana ary mora very namana.

Fanahiana amin’ny zavatra maro: Voan’io aretina io i Monica, ilay voalaza tany aloha. “Manahy tafahoatra” izy eo amin’izay rehetra ataony na dia zara raha misy mampanahy aza, na tsy misy mihitsy. Matahotra ny hitrangan’ny loza ilay marary ary manahy be momba ny fahasalamana, vola, olana ara-pianakaviana, na olana any am-piasana. Vao mieritreritra an’izay hitranga mandritra ny andro izy dia efa matahotra. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza!

^ Nalaina tao amin’ny boky navoakan’ny Sampan-draharahan’ny Fahasalaman’ny Saina, ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Fanasoavam-bahoaka any Etazonia.

[Sary, pejy 26]

‘Mifampionòna hatrany’