Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hifandray Amin’ny Hafa

Te Hifandray Amin’ny Hafa

Te Hifandray Amin’ny Hafa

● Diniho ity tantara ity: Nataon’ny olona hoe tsy maharaka i Sam, izay nipetraka tany ambanivohitr’i Etazonia, tamin’ny 1950 tany ho any. Tsy nety nampiasa telefaonina mba hifandraisana amin’ny namany sy ny havany mantsy izy, nandritra ny taona maro. Te hampiasa an’ilay izy daholo anefa ny olona, hatramin’ny zanany. Hoy izy tamin’ilay zanany vavy 16 taona: “Tiako erỳ ny fiainana taloha. Nifanatri-tava taminao izay niresahanao, tamin’izany.”

Nanomboka nisaintsaina anefa i Sam. Noeritreretiny ireo olona tsy hitany na tsy niresahany aman-taonany. Teo koa ireo havany toa sahirana loatra ka tsy azony nifandraisana intsony. Nieritreritra izy hoe: ‘Angamba aho tsy maintsy hampiasa an’io zava-baovao io ihany, raha te hifandray amin’ireny olona rehetra ireny.’ Nikasa hividy telefaonina ihany i Sam, tamin’ny farany.

Alao sary an-tsaina indray izay nitranga, 60 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Vao avy niresaka an-telefaonina tamin’i Roberto sy Angela, namany lasa any an-tany hafa, i Nathan, zafikelin’i Sam. Tena mandeha haingana ny fotoana, ka hoy i Nathan: ‘Folo taona sahady izay no lasa.’

Ampy an’i Nathan, hatramin’izay, ny antso tsindraindray avy amin’ny havany sy ny namany nifindra any an-tany lavitra. Toa mampiasa tranonkala fifaneraserana anefa izao ny olona rehetra, hatramin’ny zanak’i Nathan.

Ataon’ny olona hoe tsy maharaka i Nathan satria tsy mety mampiasa an’io fomba fifandraisana vaovao io. Hoy izy: “Tiako erỳ ny fiainana taloha. Renao ny feon’ny olona antsoinao amin’ny telefaonina.” Nanomboka nieritreritra anefa i Nathan hoe: ‘Angamba aho tsy maintsy hampiasa an’io zava-baovao io ihany, raha te hifandray amin’ireny olona rehetra ireny.’

Efa nieritreritra toy izany koa ve ianao? Ny olombelona mihitsy no efa tia mifandray. (Genesisy 2:18; Ohabolana 17:17) Maro no mifandray amin’ny alalan’ny tranonkala fifaneraserana. Inona àry no tokony ho fantatrao momba azy io?