Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona Ve?

Ny Fahaizan’ny Fanenitra Mpanao Taratasy

Ny Fahaizan’ny Fanenitra Mpanao Taratasy

● Nahoana no lazaina fa mpanorina mahay ny fanenitra mpanao taratasy?

Diniho izao: Manamboatra karazan-taratasy manokana io fanenitra io, mba hanamboarana sy hikojakojana ny tranony. * Mandeha eny rehetra eny ilay bibikely, ohatra hoe eny amin’ny tapatapa-kazo, fefy, pôtô, na fitaovana fanamboaran-trano mba hanangona tsiratsira-kazo sy tsiratsira-javamaniry. Tsakotsakoiny izany ary afangarony amin’ny rorany be proteinina. Lasa taratasy maivana sy mafy izany rehefa maina. Miavaka ny roran’io bibikely io ka mahatonga an’ilay taratasy hitroka ny hafanana be loatra sy hamoaka an’izany rehefa mangatsiaka. Antonona foana àry ny hafanana ao an-tranony rehefa mangatsiaka ny andro.

Ny vavany no ampiasain’ilay fanenitra mba hanamboarana tsikelikely ny tranony. Tsy tantera-drano izy io rehefa vita ary ahitana efitrefitra mitambatambatra maro be misy zorony enina, izay manamafy sy mampahalalaka an’ilay tranony. Mampiasa rora betsaka kokoa ny fanenitra mipetraka any amin’ny toerana mandomando, satria misy fangaron-javatra tsy tantera-drano ao amin’ny rorany. Mifidy toerana voaro tsara ilay bibikely, ary eo no ahantony ny tranony. Tsy mitovy amin’ny fanamboaran’ny olona taratasy ny fanamboaran’ilay fanenitra taratasy, satria tsy mandoto ny rivotra sy ny rano ary ny tany.

Tsy mahagaga raha mandinika ny zava-bitan’ilay fanenitra ny mpanao mari-trano sy ny mpikaroka, mba hanamboarana fitaovana fanorenana avo lenta, maivana, mafy, tsy mora tapaka, ary tsy manimba ny tontolo iainana.

Ahoana ny hevitrao? Bibikely manana atidoha toy ny voam-pasika roa ve dia hahavita samirery hanamboatra taratasy hanaovany trano? Sa porofoin’ny fahaizany fa nisy namorona izy?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Maro ny karazana fanenitra manao trano taratasy. Misy efitrefitra ao amin’ny tranony ary ao no ametrahany an’ireo atodiny lasa olitra.