Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rajakokely Mitoreo

Rajakokely Mitoreo

Rajakokely Mitoreo

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY CAMEROUN

Teraka tany anaty ala, tany afovoan’i Afrika, i Pitchou, rajako vavikely. Nohazain’ny olona hatao sakafo ny reniny sy ny rajako hafa niaraka tamin’izy ireo, tamin’izy herintaona teo ho eo. Mbola kely loatra i Pitchou ka tsy novonoina, fa namidy tamin’izay olona te hiompy azy. Narary anefa izy ary nitoreo foana.

IRAY monja amin’ireo rajako kamboty an’arivony i Pitchou. Maro ny antony mahatonga izany toe-javatra mampahonena izany. Voalohany, ny fivarotana hena an-tsokosoko. Te hahazo vola be ireo mpihaza za-draharaha, ka mitady rajako any anaty ala na andro na alina satria betsaka ny hotely na olon-tsotra mitady hena tsy fahita firy. Te hahazo vola be koa ireo mpiantoka, ka mivarotra sy manondrana rajako sy henan-drajako an-tsokosoko.

Faharoa, ny fandripahana ala be loatra. Rehefa ripaka ny ala, dia simba ny toerana onenan’ny biby sy iafenany, itadiavany sakafo, ary itaizany ny zanany. Vao mainka manamora ny fihazana ny fandripahana ala. Lasa mora amin’ny mpihaza mantsy ny mitsofoka any anaty ala. Lasa mora hazaina koa ny biby satria tsy hitany izay haleha. Ankoatra ny fandripahana ala, dia mitombo ny isan’ny mponina, mitombo koa ny hena ilaina atao sakafo, mitatra ny tanàn-dehibe, lasa arifomba kokoa ny fitaovana fihazana, maro ny toerana misy ady, ary mora kokoa izao ny mahazo basy. Noho izany rehetra izany, dia mihalany tamingana ny rajako sy ny biby hafa, ka kely sisa dia tsy hisy biby intsony any an’ala. Misy fiantraikany eo amin’ny zavamaniry koa anefa izany. Manaparitaka ny voan’ny zavamaniry ny biby, ka mahatonga ny hazo any an’ala ho maro karazana sy haniry tsara. Rehefa lany tamingana àry ny biby, dia mety ho lany tamingana koa ny zavamaniry.

Mbola mitohy anefa ny fandripahana biby. Ny ampahafolon’ny rajako any Afrika Andrefana sisa no tavela, tao anatin’ny folo taona. Hoy ny manam-pahaizana momba ny bibidia: “Tsy ho ela dia tsy hisy rajako intsony any anaty ala, raha mbola mitohy ny fihazana tsy ara-dalàna.” *

Famonjena an’ireo kamboty

Mba hiarovana ny biby atahorana ho lany tamingana, dia natsangana ny sampan-draharaha miaro ny bibidia. Misy iray amin’izany ao Limbe, eo am-pototry ny Tendrombohitra Cameroun. Afaka mahita karazana rajako 16 sy biby hafa, ny mpitsidika azy io. Nikarakara sy nitsabo biby kamboty sy tsy manan-kialofana 200 latsaka kely io sampan-draharaha io, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Andraikiny koa ny mampahafantatra an’ireo mpitsidika fa tena ilaina ny miaro ny tontolo iainana. Vao haingana izay dia nahatratra 28 300 mahery ny mpitsidika azy io tao anatin’ny herintaona. Misy amin’izy ireo avy eto Cameroun, ary misy avy any an-tany hafa.

Andeha horesahintsika indray ny momba an’i Pitchou. Hontsa erỳ ny fon’ireo mpitazana nahita azy nitoreo, ka novidiny tamin’ny mpihaza izy io ary nateriny tany amin’ilay sampan-draharaha tao Limbe. Nozahan’ny dokotera tsara ny fahasalamany rehefa tonga tany. Hita hoe nalahelo be ilay rajakokely, sady tsy ampy sakafo sy tsy ampy rano. Nivalana koa izy ary feno fery ny tenany. Vangavanga noho ny aretina ny hodiny ka nomena anarana hoe Pitchou izy, izay midika hoe “feno pentina” amin’ny fiteny eo an-toerana. Soa ihany fa nandaitra tamin’i Pitchou ny fitsaboana natao taminy, ka tsy nila fandidiana izy. Afaka manao fandidiana mantsy io sampan-draharaha io raha ilaina izany.

Natokan-toerana aloha i Pitchou nandritra ny telo volana, toy ny fanao amin’ny biby hafa ihany. Nampiarahina tamin’ny rajako 11 mitovy karazana aminy izy avy eo. Toy ireny any anaty ala ireny ihany ny toerana nasiana azy ireo saingy mifefy. Faly erỳ ireo mpiasa nahita an’ireo rajako lehibe nandray tsara an’i Pitchou kely. Mora mifandray ny rajako, ka tsy ela i Pitchou dia nifankazatra tamin’ny namany.

Lasa mifankatia be ny biby sy ny mpikarakara azy noho izy ireo mifanerasera be. Rehefa mahita ny zavatra atao ao amin’ilay sampan-draharaha ny mpitsidika, dia lasa takatr’izy ireo ny andraikitra nankinin’Andriamanitra tamin’ny olombelona. Nomeny baiko mantsy ny mpivady voalohany mba hanjaka amin’ny tany sy ny biby.—Genesisy 1:28.

Ny hoavin’ireo kamboty

Ny tena tanjon’ilay sampan-draharaha dia ny hamerina an’ireo biby karakarainy ho any an’ala. Sarotra ihany anefa ilay izy. Tsy mahakarakara tena mantsy ny biby zatra nokarakarain’olona. Atahorana ho lasa hena eny ambony latabatry ny olona koa izy ireny. Nanaiky àry ny firenena afrikanina maromaro, fa hasiana faritra voaro ao amin’ny firenen’izy ireo miampita amin’ny firenena eo akaikiny. Nifanaraka koa izy ireo hoe hohatsaraina ny fitantanana ireo faritra voaro efa misy. Manantena isika fa hanamora ny famerenana an’ireo biby kamboty ho any an’ala io fandaharan’asa io. Tsy ny rajako ihany no ho voaro amin’izany, fa ny biby rehetra ao amin’ilay faritra koa.

Etsy andanin’izany anefa, dia mbola misy vokany ratsy eo amin’ny rajako sy ny biby hafa ny fitiavam-bola tafahoatra, ny fahantrana, ny fitombon’ny isan’ny mponina, ary ny fandripahana ny ala. Nilaza i Felix Lankester, talen’ilay sampan-draharaha, fa raha tsy arovana haingana “ny biby any an’ala, dia hihena be ny isan’izy ireo, ary ho fongotra indray ireo biby mba efa nokarakaraina.”

Loza tokoa raha izany no mitranga! Mbola mampalahelo kokoa noho izany anefa ny mahita olona tsy ampy sakafo sy marary, ankizy be kibo mahia kaozatra sy tsy afa-dranomaso ary maty noho ny mosary. Mampiharihary ny zavatra mampalahelo mitranga eran-tany ny nanjo an’i Pitchou. Hita avy amin’izy iny fa tena manjaka ny tsy rariny sy ny tsy fitovian’ny fari-piainana.

Soa ihany fa mahita izay mitranga eto an-tany ny Mpamorona. Tsy ho ela izy dia hanafoana ny antony mahatonga ny biby sy ny olona hijaly. Hofoanany koa ny antony mahatonga ny biby ho lany tamingana. Hataony izay hahaizan’ny olona sy ny biby hiara-monina amin’ny hoavy.—Isaia 11:6-9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Mampitandrina ny mpikaroka, fa ny fikasihana na fihinanana henam-bibidia dia mety hanaparitaka aretina mahafaty toy ny vain’omby sy Ebola (aretina mampanavy be sy mampandoa ra), ary virosy mitovitovy amin’ny VIH/SIDA.

[Sary, pejy 22, 23]

Pitchou tamin’izy narary sy tamin’izy sitrana

[Sary, pejy 23]

Karazana rajako mena sofina

[Sary, pejy 23]

Babakoto mikarakara ny zanany

[Sary, pejy 24]

Fidirana ao amin’ilay sampan-draharaha ao Limbe

[Sary, pejy 24]

Mikarakara an’i Bolo, rajakokely kamboty

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Sary rehetra, pejy 22 sy 23: Limbe Wildlife Centre, Cameroon

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Sary roa: Limbe Wildlife Centre, Cameroon