Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Vokany eo Aminao ve ny Fitiavam-bola?

Misy Vokany eo Aminao ve ny Fitiavam-bola?

Misy Vokany eo Aminao ve ny Fitiavam-bola?

INONA no hataonao raha lasa mpanefohefo ianao? Hitsotsotra sy hankafy fiainana ve? Sa hiala amin’ny asanao ka handany fotoana bebe kokoa miaraka amin’ny havana aman-tsakaizanao? Sa hanao asa iray tena tianao? Mahagaga fa tsy manao izany ny mpanankarena maro. Vao mainka aza izy ireo mitady vola bebe kokoa mba handoavan-trosa na hampitomboany ny harenany.

Hitan’ny olona sasany anefa, fa nanimba ny fahasalamany sy ny fiainam-pianakaviany ary ny fitondran-tenan-janany, ny fitiavan-karena. Vao haingana izay, dia nisy lahatsoratra sy fandaharana tao amin’ny tele, nampitandrina fa ratsy ny fomba fiaina feno haitraitra. Nampirisihiny kosa ny olona mba “hanana fomba fiaina tsotra.” Voalaza fa mankarary ny fitiavan-karena ary manimba ny saina sy ny fihetseham-po.

Mazava ho azy fa tsy vao izao no atahorana hanimba ny fitiavan-karena. Efa ho 2 000 taona lasa izay no nilazan’ny Baiboly hoe: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.”—1 Timoty 6:9, 10.

Tena marina ve izany? Manimba tokoa ve ny fikatsahana vola aman-karena? Sa sady afaka ny hanan-karena ianao, no ho salama, no hanana fianakaviana sambatra? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.